< 2 Samoela 14 >

1 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, nahalala fa ny fon’ ny mpanjaka nalahelo an’ i Absaloma ihany.
Yowabu mwana wa Zeruya anadziwa kuti maganizo a mfumu ali pa Abisalomu.
2 Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
Kotero Yowabu anatuma munthu wina kupita ku Tekowa ndi kukatengako mkazi wanzeru. Yowabu anati kwa mkaziyo, “Ukhale ngati namfedwa. Uvale zovala zaumasiye ndipo usadzole mafuta ena aliwonse. Ukhale ngati mkazi amene wakhala akulira masiku ambiri.
3 dia mankanesa ao amin’ ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen’ i Joaba teny izy.
Kenaka upite kwa mfumu ndipo ukayankhule mawu awa.” Ndipo Yowabu anamuwuza mawu oti akanene.
4 Ary nony niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin’ ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
Mkazi wochokera ku Tekowa uja atapita kwa mfumu anadzigwetsa pansi, napereka ulemu kwa mfumu nati, “Thandizeni mfumu!”
5 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
Mfumu inamufunsa kuti, “Kodi chikukusautsa iwe nʼchiyani?” Iye anayankha kuti, “Ine ndine mkazi wamasiye, mwamuna wanga anamwalira.
6 Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
Ine wantchito wanu ndinali ndi ana aamuna awiri. Iwo anayamba kumenyana mʼmunda, ndipo panalibe woti awaleretse. Wina anakantha mnzakeyo mpaka kumupha.
7 Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain’ ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ ny vadiko etỳ ambonin’ ny tany.
Tsono banja lonse landiwukira ine, wantchito wanu. Iwo akuti, ‘Utipatse mwana amene anakantha mʼbale wakeyo kuti timuphe chifukwa cha moyo wa mʼbale wake amene anaphedwayo. Ife tidzaphanso mlowamʼmalo.’ Anthuwo adzapha mwana wanga amene wanditsalira, ndipo dzina la mwamuna wanga silidzakumbukika pakuti sipadzakhalanso mwana pa banja lathu.”
8 Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin’ izany.
Mfumu inati kwa mkaziyo, “Pitani ku nyumba kwanu ndipo ine ndidzalamula mʼmalo mwanu.”
9 Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin’ ny ankohonan’ ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
Koma mkazi wochokera ku Tekowayo anati kwa mfumu, “Mbuye wanga mfumu, kulakwa kukhale pa ine ndi banja la abambo anga ndipo mfumu ndi mpando wanu waufumu mukhale osalakwa.”
10 Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
Mfumu inayankha kuti, “Ngati wina aliyense anene kanthu kwa iwe, umubweretse kwa ine, ndipo sadzakuvutitsanso.”
11 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin’ ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ ny zanakao.
Mkaziyo anati, “Mfumu ipemphe kwa Yehova Mulungu wake kuti aletse wobwezera imfa asaphenso wina kuti mwana wanga asawonongedwe.” Mfumu inati, “Pali Yehova wamoyo ngakhale tsitsi limodzi la pamutu pa mwana wako silidzathotholedwa.”
12 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin’ ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
Kenaka mkaziyo anati, “Lolani kuti wantchito wanu ayankhule mawu kwa inu mbuye wanga mfumu.” Iye anayankha kuti, “Yankhula.”
13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon’ Andriamanitra? Fa amin’ ny, itenenan’ ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian’ ny mpanjaka ilay noroahiny.
Mkaziyo anati, “Nʼchiyani tsono chimene mwaganiza kuchitira zimenezi anthu a Mulungu? Pamene mfumu yanena izi, kodi sikudzitsutsa yokha, pakuti mfumu sinayitanitse mwana amene anamupirikitsa?
14 Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’ olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
Koma poti madzi akatayika sawoleka, ndiye tonsefe tiyenera kufa ndithu. Koma Mulungu safuna kuti moyo wa munthu utayike kotero anakonza njira yakuti wopirikitsidwayo asakhale wotayikiratu.
15 Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin’ ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin’ ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin’ ny mpanompovaviny.
“Tsopano ine ndabwera kudzanena izi kwa inu mbuye wanga mfumu chifukwa anthu andichititsa mantha. Mdzakazi wanu anaganiza kuti, ‘Ndikayankhula kwa mfumu, mwina adzachita zimene mdzakazi wake adzamupempha.
16 Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin’ ny tanan’ ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin’ ny zanako hiala amin’ ny lova nomen’ Andriamanitra.
Mwina mfumu idzavomereza kupulumutsa mdzakazi wake mʼdzanja la munthu amene akufuna kupha ine pamodzi ndi mwana wanga kutichotsa pa cholowa chimene Mulungu anatipatsa.’
17 Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin’ ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin’ Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
“Ndipo tsopano mtumiki wanu akuti, ‘Lolani mawu a mbuye wanga mfumu abweretse mpumulo kwa ine, pakuti mbuye wanga mfumu ali ngati mngelo wa Mulungu pozindikira chabwino ndi choyipa. Yehova Mulungu wanu akhale nanu.’”
18 Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
Kenaka mfumu inati kwa mkaziyo, “Usandibisire chilichonse pondiyankha chimene ndidzakufunsa.” Mkaziyo anati, “Mbuye wanga mfumu yankhulani.”
19 Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen’ i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ ny mpanjaka tompoko na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
Mfumu inafunsa kuti, “Kodi zimenezi sukuchita motsogozedwa ndi Yowabu?” Mkaziyo anayankha kuti, “Pali inu wamoyo, mbuye wanga mfumu, palibe munthu angakhotere kumanja kapena kumanzere pa chilichonse chimene mbuye wanga mfumu mwanena. Inde, ndi mtumiki wanu Yowabu amene wandilangiza ine kuchita zimenezi ndipo ndi amene anandipatsa mawu onsewa woti ine mtumiki wanu ndiyankhule.
20 Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan’ i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin’ Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ ny tany.
Mtumiki wanu Yowabu anachita zimenezi kuti asinthe mmene zinthu zilili lero. Mbuye wanga muli ndi nzeru ngati za mngelo wa Mulungu. Mumadziwa zonse zimene zikuchitika mʼdziko.”
21 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.
Mfumu inati kwa Yowabu, “Chabwino, ine ndichita zimenezi. Pita kamutenge Abisalomuyo.”
22 Dia niankohoka tamin’ ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran’ ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ ny nanaovan’ ny mpanjaka araka ny nangatahin’ ny mpanompony.
Yowabu anawerama pansi kupereka ulemu kwa mfumu. Yowabuyo anati, “Lero mtumiki wanu wadziwa kuti wapeza chifundo pamaso panu, mbuye wanga mfumu, chifukwa mwavomera pempho lakeli.”
23 Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
Choncho Yowabu anapita ku Gesuri ndipo anamubweretsa Abisalomu ku Yerusalemu.
24 Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan’ ny mpanjaka.
Koma mfumu inati, “Iye apite ku nyumba yake; asaone nkhope yanga.” Kotero Abisalomu anapita ku nyumba yake ndipo sanakumane ndi mfumu.
25 Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an’ i Absaloma teo amin’ ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
Mʼdziko lonse la Israeli munalibe munthu amene anayamikidwa chifukwa cha maonekedwe ake wokongola ngati Abisalomu. Kuyambira kumutu mpaka ku mapazi ake, analibe chilema.
26 Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan’ ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan’ ny mpanjaka.
Nthawi ina iliyonse akamameta tsitsi lake, ankameta pamene layamba kumulemera. Akatero amaliyeza, ndipo limalemera makilogalamu awiri pa sikelo yaufumu.
27 Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
Abisalomu anali ndi ana aamuna atatu ndi wamkazi mmodzi. Mwana wamkazi dzina lake linali Tamara, ndipo anali mkazi wokongola kwambiri.
28 Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan’ ny mpanjaka ihany izy.
Abisalomu anakhala zaka ziwiri mu Yerusalemu osaonekera kwa mfumu.
29 Ary Absaloma dia naniraka tany amin’ i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin’ ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
Kenaka Abisalomu anatumiza mawu kwa Yowabu, kumutuma kuti apite kwa mfumu, koma Yowabu anakana kubwera. Kotero anatumizanso mawu kachiwiri, koma Yowabu anakananso.
30 Koa dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’ i Joaba mifanolotra amin’ ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin’ ny afo izany. Ary ny mpanompon’ i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
Tsono Abisalomu anati kwa antchito ake, “Taonani, munda wa Yowabu uli pafupi ndi wanga ndipo muli barele mʼmenemo. Pitani mukawutenthe mundawo.” Ndipo antchito a Abisalomu anawutentha mundawo.
31 Ary Joaba niainga nankany amin’ i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin’ ny afo?
Ndipo Yowabu anapita ku nyumba ya Abisalomu ndipo anati kwa iye, “Nʼchifukwa chiyani antchito ako atentha munda wanga?”
32 Fa hoy Absaloma tamin’ i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.
Abisalomu anati kwa Yowabu, “Taona, ine ndinatumiza mawu kwa iwe ndipo ndinati, ‘Bwera kuno kuti ndikutume kwa mfumu kukafunsa kuti, ‘Nʼchifukwa chiyani ine ndinabwera kuchokera ku Gesuri? Zikanakhala bwino ndikanakhala komweko!’ Tsono pano ndikufuna kuonana ndi mfumu, ndipo ngati ndili olakwa mfumuyo indiphe.’”
33 Ary Joaba nankany amin’ ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain’ ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka; ary dia nanoroka an’ i Absaloma ny mpanjaka.
Choncho Yowabu anapita kwa mfumu ndipo anayiwuza zimenezi. Ndipo mfumu inamuyitanitsa Abisalomu, ndipo analowa nawerama kugunditsa nkhope yake pansi pamaso pa mfumu. Tsono mfumu inapsompsona Abisalomu.

< 2 Samoela 14 >