< 2 Petera 3 >

1 Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ ny fampahatsiarovana,
Wapenzi wangu, hii ni barua ya pili ninayowaandikia. Katika barua hizo mbili nimejaribu kufufua fikira safi akilini mwenu kwa kuwakumbusheni mambo haya.
2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ ny mpaminany masìna rahateo sy ny didin’ ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
Napenda mkumbuke maneno yaliyosemwa na manabii watakatifu, na ile amri ya Bwana na Mwokozi mliyopewa na mitume wenu.
3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
Awali ya yote jueni kwamba siku za mwisho watakuja watu ambao mienendo yao inatawaliwa na tamaa zao mbaya. Watawadhihaki ninyi
4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza.
na kusema: “Aliahidi kwamba atakuja! Je, sasa yuko wapi? Mambo ni yaleyale tangu babu zetu walipokufa; hali ya vitu ni ileile kama ilivyokuwa mwanzo wa ulimwengu!”
5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra,
Watu hao, kwa makusudi, husahau kwamba zamani Mungu alinena, nazo mbingu na nchi zikaumbwa. Dunia iliumbwa kutoka katika maji na kwa maji;
6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ ny nanasaforany azy;
na kwa maji hayo, yaani yale maji ya gharika kuu, dunia ya wakati ule iliangamizwa.
7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’ izany teny izany ho amin’ ny afo ka tehirizina ho amin’ ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
Lakini mbingu na nchi za sasa zahifadhiwa kwa neno la Mungu kwa ajili ya kuharibiwa kwa moto. Zimewekwa kwa ajili ya Siku ile ambapo watu wasiomcha Mungu watahukumiwa na kuangamizwa.
8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
Lakini, wapenzi wangu, msisahau kitu kimoja! Mbele ya Bwana, hakuna tofauti kati ya siku moja na miaka elfu; kwake yote ni mamoja.
9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra,
Bwana hakawii kutimiza yale aliyoahidi kama watu wengine wanavyofikiri kuwa atakawia. Yeye ana saburi kwa ajili yenu, maana hapendi hata mmoja wenu apotee, bali huwavuta wote wapate kutubu.
10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.
Siku ya Bwana itakuja kama mwizi. Siku hiyo, mbingu zitatoweka kwa kishindo kikuu; vitu vyake vya asili vitateketezwa kwa moto, nayo dunia itatoweka pamoja na kila kitu kilichomo ndani yake.
11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ ny fitondran-tena masìna sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
Maadamu kila kitu kitaharibiwa namna hiyo, je, ninyi mnapaswa kuwa watu wa namna gani? Mnapaswa kuishi kitakatifu na kumcha Mungu,
12 sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ ny andron’ Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ ny zavatra rehetra!
mkiingojea Siku ile ya Mungu na kuifanya ije upesi—Siku ambayo mbingu zitateketezwa kwa moto na kuharibiwa, na vitu vyake vya asili vitayeyushwa kwa joto.
13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ ny fahamarinana.
Lakini sisi, kufuatana na ahadi yake, twangojea mbingu mpya na dunia mpya ambayo imejaa uadilifu.
14 Koa amin’ izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ ny Tompo amin’ ny fihavanana.
Kwa hiyo wapenzi wangu, mkiwa mnangojea Siku ile, fanyeni bidii kuwa safi kabisa bila hatia mbele ya Mungu, na kuwa na amani naye.
15 Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’ i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
Mnapaswa kuuona uvumilivu wa Bwana kuwa ni nafasi anayowapeni mpate kuokolewa, kama Paulo ndugu yetu mpenzi alivyowaandikia akitumia hekima aliyopewa na Mungu.
16 tahaka ny ataony ao amin’ ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ ny Soratra Masìna koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany.
Hayo ndiyo asemayo katika barua zake zote anapozungumzia suala hilo. Yapo mambo kadhaa katika barua zake yaliyo magumu kuyaelewa, mambo ambayo watu wajinga, wasio na msimamo, huyapotosha kama wanavyopotosha sehemu nyingine za Maandiko Matakatifu. Hivyo wanasababisha maangamizi yao wenyewe.
17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ ny fahadisoan’ ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’ izay iorenanareo;
Lakini ninyi, wapenzi wangu, mmekwisha jua jambo hili. Basi, muwe na tahadhari msije mkapotoshwa na makosa ya waasi, mkaanguka kutoka katika msimamo wenu imara.
18 fa mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Lakini endeleeni kukua katika neema na katika kumjua Bwana wetu na Mwokozi Yesu Kristo. Utukufu uwe kwake, sasa na hata milele! Amina. (aiōn g165)

< 2 Petera 3 >

The World is Destroyed by Water
The World is Destroyed by Water