< 2 Mpanjaka 8 >

1 Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
Now Elisha had spoken to the woman, whose son he had restored to life, saying, "Arise, and go, you and your household, and stay for a while wherever you can; for the LORD has called for a famine. It shall also come on the land seven years."
2 Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
The woman arose, and did according to the word of the man of God. She went with her household, and lived in the land of the Philistines seven years.
3 Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin’ ny tanin’ ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin’ ny mpanjaka izy ny amin’ ny tranony sy ny taniny.
It happened at the seven years' end, that the woman returned out of the land of the Philistines. Then she went forth to cry to the king for her house and for her land.
4 Ary ny mpanjaka niteny tamin’ i Gehazy, zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon’ i Elisa.
Now the king was talking with Gehazi the servant of the man of God, saying, "Please tell me all the great things that Elisha has done."
5 Ary raha mbola nilazalaza tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nameloman’ i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin’ ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’ i Elisa.
It happened, as he was telling the king how he had restored to life him who was dead, that look, the woman, whose son he had restored to life, cried to the king for her house and for her land. Gehazi said, "My lord, O king, this is the woman, and this is her son, whom Elisha restored to life."
6 Ary nony nanontanian’ ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren’ ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin’ ny andro nialany tamin’ ny tany ka mandraka ankehitriny.
When the king asked the woman, she told him. So the king appointed to her a certain officer, saying, "Restore all that was hers, and all the fruits of the field since the day that she left the land, even until now."
7 Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’ Andriamanitra.
Elisha came to Damascus; and Benhadad the king of Aram was sick. It was told him, saying, "The man of God has come here."
8 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin’ Andriamanitra, ary manontania izay tenin’ i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
The king said to Hazael, "Take a present in your hand, and go, meet the man of God, and inquire of the LORD by him, saying, 'Will I recover from this sickness?'"
9 Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’ izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan’ i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
So Hazael went to meet him, and took a present with him, even of every good thing of Damascus, forty camels' burden, and came and stood before him, and said, "Your son Benhadad king of Aram has sent me to you, saying, 'Will I recover from this sickness?'"
10 Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.
Elisha said to him, "Go, say to him, 'You shall surely recover;' however the LORD has shown me that he shall surely die."
11 Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin’ Andriamanitra.
He settled his gaze steadfastly on him, until he was ashamed. Then the man of God wept.
12 Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
Hazael said, "Why do you weep, my lord?" He answered, "Because I know the evil that you will do to the children of Israel. You will set their strongholds on fire, and you will kill their young men with the sword, and will dash in pieces their little ones, and rip up their women with child."
13 Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon’ i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan’ i Syria.
Hazael said, "But what is your servant, who is but a dog, that he should do this great thing?" Elisha answered, "The LORD has shown me that you will be king over Aram."
14 Dia niala tamin’ i Elisa izy ka nankany amin’ ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain’ i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
Then he departed from Elisha, and came to his master, who said to him, "What did Elisha say to you?" He answered, "He told me that you would surely recover."
15 Ary nony ampitso, dia nalain’ i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ ny rano ary nasarony ny tavan’ i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
It happened on the next day, that he took a thick cloth, dipped it in water, and spread it on his face, so that he died. Then Hazael reigned in his place.
16 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny nanjakan’ i Josafata tany Joda.
In the fifth year of Joram the son of Ahab king of Israel, Jehoshaphat then being king of Judah, Jehoram the son of Jehoshaphat king of Judah began to reign.
17 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
He was thirty-two years old when he began to reign. He reigned eight years in Jerusalem.
18 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
He walked in the way of the kings of Israel, as did the house of Ahab; for he had the daughter of Ahab as wife. He did that which was evil in the sight of the LORD.
19 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin’ i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an’ ny taranany.
However the LORD would not destroy Judah, for David his servant's sake, as he promised him to give to him a lamp for his children always.
20 Tamin’ ny androny no niodinan’ i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
In his days Edom revolted from under the hand of Judah, and made a king over themselves.
21 ka dia nankany Zaïra Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin’ ny komandin’ ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.
Then Joram passed over to Zair, and all his chariots with him: and he rose up by night, and struck the Edomites who surrounded him, and the captains of the chariots; and the people fled to their tents.
22 Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin’ izany andro izany.
So Edom revolted from under the hand of Judah to this day. Then Libnah revolted at the same time.
23 Ary ny tantaran’ i Jehorama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va?
The rest of the acts of Joram, and all that he did, aren't they written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
24 Ary Jehorama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Joram slept with his fathers, and was buried with his fathers in the City of David; and Ahaziah his son reigned in his place.
25 Ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda,
In the twelfth year of Joram the son of Ahab king of Israel, Ahaziah the son of Jehoram king of Judah began to reign.
26 Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin’ i Omry, mpanjakan’ ny Isiraely.
Twenty-two years old was Ahaziah when he began to reign; and he reigned one year in Jerusalem. His mother's name was Athaliah the daughter of Omri king of Israel.
27 Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa vinanton’ ny taranak’ i Ahaba ihany izy.
He walked in the way of the house of Ahab, and did that which was evil in the sight of the LORD, as did the house of Ahab; for he was the son-in-law of the house of Ahab.
28 Ary niaraka tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, izy mba hiady amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama.
He went with Joram the son of Ahab to war against Hazael king of Aram at Ramoth Gilead: and the Arameans wounded Joram.
29 Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.
King Joram returned to be healed in Jezreel of the wounds which the Arameans had given him at Ramah, when he fought against Hazael king of Aram. Ahaziah the son of Jehoram king of Judah went down to see Joram the son of Ahab in Jezreel, because he was sick.

< 2 Mpanjaka 8 >