< 2 Mpanjaka 7 >

1 Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin’ ny koba tsara toto eran’ ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin’ ny vary hordea indroan’ ny famarana ao am-bavahadin’ i Samaria.
엘리사가 가로되 여호와의 말씀을 들을지어다 여호와께서 가라사대 내일 이맘때에 사마리아 성문에서 고운 가루 한 스아에 한 세겔을 하고 보리 두 스아에 한 세겔을 하리라 하셨느니라
2 Fa namaly ny lehilahin’ Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
그 때에 한 장관 곧 왕이 그 손에 의지하는 자가 하나님의 사람에게 대답하여 가로되 여호와께서 하늘에 창을 내신들 어찌 이런 일이 있으리요 엘리사가 가로되 네가 네 눈으로 보리라 그러나 그것을 먹지는 못하리라 하니라
3 Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan’ ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?
성문 어귀에 문둥이 네 사람이 있더니 서로 말하되 우리가 어찌하여 여기 앉아서 죽기를 기다리랴
4 Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin’ ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
우리가 성에 들어가자고 할지라도 성중은 주리니 우리가 거기서 죽을 것이요 여기 앉아 있어도 죽을지라 그런즉 우리가 가서 아람 군대에게 항복하자 저희가 우리를 살려두면 살려니와 우리를 죽이면 죽을 따름이라 하고
5 Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin’ ny tobin’ ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin’ ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
아람 진으로 가려하여 황혼에 일어나서 아람 진 가에 이르러 본즉 그 곳에 한 사람도 없으니
6 Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.
이는 주께서 아람 군대로 병거 소리와 말 소리와 큰 군대의 소리를 듣게 하셨으므로 아람 사람이 서로 말하기를 이스라엘 왕이 우리를 치려하여 헷 사람의 왕들과 애굽 왕들에게 값을 주고 저희로 우리에게 오게 하였다 하고
7 Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin’ iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.
황혼에 일어나서 도망하되 그 장막과 말과 나귀를 버리고 진을 그대로 두고 목숨을 위하여 도망하였음이라
8 Ary rehefa tonga teny an-tsisin’ ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin’ ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin’ ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
그 문둥이들이 진 가에 이르자 한 장막에 들어가서 먹고 마시고 거기서 은과 금과 의복을 가지고 가서 감추고 다시 와서 다른 장막에 들어가서 거기서도 가지고 가서 감추니라
9 Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangìna isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain’ ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon’ ny mpanjaka.
문둥이가 서로 말하되 우리의 소위가 선치 못하도다 오늘날은 아름다운 소식이 있는 날이어늘 우리가 잠잠하고 있도다 만일 밝은 아침까지 기다리면 벌이 우리에게 미칠지니 이제 떠나 왕궁에 가서 고하자 하고
10 Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin’ ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon’ olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
드디어 가서 성 문지기를 불러 고하여 가로되 우리가 아람 진에 이르러 보니 거기 한 사람도 없고 사람의 소리도 없고 오직 말과 나귀만 매여 있고 장막들이 그대로 있더이다
11 Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon’ ny mpanjaka.
저가 문지기들을 부르매 저희가 왕궁에 있는 자에게 고하니
12 Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin’ ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon’ ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin’ ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.
왕이 밤에 일어나 그 신복들에게 이르되 아람 사람이 우리에게 행한 것을 내가 너희에게 알게 하노니 저희가 우리의 주린 것을 아는고로 그 진을 떠나서 들에 매복하고 스스로 이르기를 저희들이 성에서 나오거든 우리가 사로잡고 성에 들어가겠다 한 것이니라
13 Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin’ izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan’ ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan’ ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.
그 신복 중 하나가 대답하여 가로되 청컨대 아직 성중에 남아 있는 말 다섯 필을 취하고 사람을 보내어 정탐하게 하소서 이 말들이 성중에 남아있는 이스라엘 온 무리 곧 멸망한 이스라엘 온 무리와 같으니이다 하고
14 Dia nalainy ny soavalin’ ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan’ ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
저희가 병거 둘과 그 말을 취한지라 왕이 아람 군대 뒤로 보내며 가서 정탐하라 하였더니
15 Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian’ ny Syriana, raha nandositra tamin’ ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin’ ny mpanjaka.
저희가 그 뒤를 따라 요단에 이른즉 아람 사람이 급히 도망하느라고 버린 의복과 군물이 길에 가득하였더라 사자가 돌아와서 왕에게 고하매
16 Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin’ ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran’ ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan’ ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin’ i Jehovah.
백성들이 나가서 아람 사람의 진을 노략한지라 이에 고운 가루 한 스아에 한 세겔이 되고 보리 두 스아에 한 세겔이 되니 여호와의 말씀과 같이 되었고
17 Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
왕이 그 손에 의지하였던 그 장관을 세워 성문을 지키게 하였더니 백성이 성문에서 저를 밟으매 하나님의 사람의 말대로 죽었으니 곧 왕이 내려왔을 때에 그의 한 말대로라
18 Koa dia tanteraka ilay teny nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin’ i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin’ ny vary hordea indroan’ ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin’ ny koba tsara toto eran’ ny famarana;
일찍이 하나님의 사람이 왕에게 고하여 이르기를 내일 이맘때에 사마리아 성문에서 보리 두 스아에 한 세겔을 하고 고운 가루 한 스아에 한 세겔을 하리라 한즉
19 ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.
그 때에 이 장관이 하나님의 사람에게 대답하여 가로되 여호와께서 하늘에 창을 내신들 어찌 이 일이 있으랴 하매 대답하기를 네가 네 눈으로 보리라 그러나 그것을 먹지는 못하리라 하였더니
20 Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.
그 장관에게 그대로 이루었으되 곧 백성이 성문에서 저를 밟으매 죽었더라

< 2 Mpanjaka 7 >