< 2 Mpanjaka 5 >

1 Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
И беше Неман војвода цара сирског човек велик у господара свог и у части, јер преко њега сачува Господ Сирију; али тај велики јунак беше губав.
2 Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ary nanompo ny vadin’ i Namana io.
А из Сирије изађе чета и зароби у земљи израиљској малу девојку, те она служаше жену Неманову.
3 Ary hoy io tamin’ ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin’ ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ ny habokany izy.
И она рече својој госпођи: О да би мој господар отишао к пророку у Самарији! Он би га опростио од губе.
4 Ary niditra Namana ka nilaza tamin’ ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain’ ilay zazavavy izay avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
Тада он отиде к свом господару и јави му говорећи: Тако и тако каже девојка из земље израиљске.
5 Dia hoy ny mpanjakan’ i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
А цар сирски рече му: Хајде иди, а ја ћу послати књигу цару Израиљевом. И он отиде, и понесе десет таланата сребра и шест хиљада сикала злата и десеторе стајаће хаљине.
6 Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an’ i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin’ ny habokany izy.
И однесе књигу цару Израиљевом која овако говораше: Ето, кад ти дође ова књига, знај да шаљем к теби Немана, слугу свог, да га опростиш губе.
7 Ary nony efa novakin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan’ ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin’ ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
А кад цар Израиљев прочита књигу, раздре хаљине своје и рече: Зар сам ја Бог да могу убити и повратити живот, те шаље к мени да опростим човека губе! Пазите и видите како тражи задевице са мном.
8 Ary rehefa ren’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin’ ny Isiraely.
А кад чу Јелисије, човек Божји, да је цар Израиљев раздро хаљине своје, посла к цару и поручи: Зашто си раздро хаљине своје? Нека дође к мени, да позна да има пророк у Израиљу.
9 Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran’ ny tranon’ i Elisa.
И тако дође Неман с коњима и колима својим, и стаде на вратима дома Јелисијева.
10 Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
А Јелисије посла к њему и поручи: Иди и окупај се седам пута у Јордану, и оздравиће тело твоје, и очистићеш се.
11 Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin’ ny aretina ka hahasitrana ny boka.
Тада се расрди Неман и пође говорећи: Гле! Ја мишљах, он ће изаћи к мени, и стаће, и призваће име Господа Бога свог, и метнути руку своју на место, и очистити губу.
12 Tsy tsara noho ny ranon’ ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin’ i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
Нису ли Авана и Фарфар воде у Дамаску боље од свих вода израиљских? Не бих ли се могао у њима окупати и очистити? И окренувши се отиде гневан.
13 Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain’ ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
Али слуге његове приступивши рекоше му говорећи: Оче, да ти је казао пророк шта велико, не би ли учинио? А зашто не би кад ти рече: Окупај се, па ћеш се очистити?
14 Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
И тако сиђе, и зарони у Јордан седам пута по речима човека Божијег, и тело његово поста као у малог детета, и очисти се.
15 Ary niverina nankao amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izy mbamin’ izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin’ ny mpanomponao.
Тада се врати к човеку Божијем са пратњом својом и дошав стаде пред њим, и рече: Ево сад видим да нема Бога нигде на земљи до у Израиљу. Него узми дар од слуге свог.
16 Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
Али он рече: Тако да је жив Господ, пред којим стојим, нећу узети. И он наваљиваше на њ да узме; али он не хте.
17 Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan’ ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an’ ny andriamani-kafa, fa ho an’ i Jehovah ihany.
Тада рече Неман: Кад нећеш, а оно нека се да слузи твом ове земље колико могу понети две мазге. Јер слуга твој неће више приносити жртава паљеница ни других жртава другим боговима, него Господу.
18 Nefa ny amin’ izao zavatra izao dia aoka havelan’ i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin’ ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’ izany zavatra izany.
А Господ нека опрости ово слузи твом: Кад господар мој уђе у дом Римонов да се поклони онде, па се прихвати за моју руку, да се и ја поклоним у дому Римоновом, нека опрости Господ слузи твом кад се тако поклоним у дому Римоновом.
19 Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.
А он му рече: Иди с миром. И он отиде од њега, и пређе једно потркалиште.
20 Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.
Тада рече Гијезије, слуга Јелисија човека Божијег: Гле, господар мој не хте примити из руку тог Немана Сирца шта беше донео. Али тако да је жив Господ, потрчаћу за њим и узећу шта од њега.
21 Ka dia lasa Gehazy nanaraka an’ i Namàna Ary nony tazan’ i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin’ ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
И Гијезије отрча за Неманом. А кад га виде Неман где трчи за њим, скочи с кола својих и срете га, па му рече: Је ли добро?
22 Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
А он рече: Добро је. Господар мој посла ме да ти кажем: Ево, баш сад дођоше к мени два младића из горе Јефремове, пророчки синови, дај за њих таланат сребра и двоје стајаће хаљине.
23 Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
А Неман рече: Узми и два таланта. И натера га; и свеза два таланта сребра у два тобоца, и двоје стајаће хаљине, и даде двојици момака својих, да носе пред њим.
24 Fa nony tonga tao amin’ ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
А он кад дође на брдо, узе из руку њихових и остави у једној кући, а људе отпусти, те отидоше.
25 Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan’ ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
Потом дошавши стаде пред господарем својим. А Јелисије му рече: Откле Гијезије? А он рече: Није ишао слуга твој никуда.
26 Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
Али му он рече: Зар срце моје није ишло онамо кад се човек врати с кола својих преда те? Зар је то било време узимати сребро и узимати хаљине, маслинике, винограде, овце, говеда, слуге и слушкиње?
27 Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.
Зато губа Неманова нека прионе за те и за семе твоје довека. И отиде од њега губав, бео као снег.

< 2 Mpanjaka 5 >