< 2 Mpanjaka 3 >

1 Ary Jorama, zanak’ i Ahaba, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria tamin’ ny fahavalo ambin’ ny folo taona nanjakan’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona izy.
猶大王約沙法十八年,亞哈的兒子約蘭在撒馬利亞登基作了以色列王十二年。
2 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton’ i Bala izay nataon’ drainy izy;
他行耶和華眼中看為惡的事,但不致像他父母所行的,因為除掉他父所造巴力的柱像。
3 nefa izy nikikitra tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin’ izany.
然而,他貼近尼八的兒子耶羅波安使以色列人陷在罪裏的那罪,總不離開。
4 Ary Mesa, mpanjakan’ i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia zanak’ ondry iray hetsy sy ny volon’ ondrilahy iray hetsy.
摩押王米沙牧養許多羊,每年將十萬羊羔的毛和十萬公綿羊的毛給以色列王進貢。
5 Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny mpanjakan’ i Moaba.
亞哈死後,摩押王背叛以色列王。
6 Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin’ izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.
那時約蘭王出撒馬利亞,數點以色列眾人。
7 Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan’ i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
前行的時候,差人去見猶大王約沙法,說:「摩押王背叛我,你肯同我去攻打摩押嗎?」他說:「我肯上去,你我不分彼此,我的民與你的民一樣,我的馬與你的馬一樣。」
8 Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr’ i Edoma.
約蘭說:「我們從哪條路上去呢?」回答說:「從以東曠野的路上去。」
9 Dia nandeha ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda ary ny mpanjakan’ i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
於是,以色列王和猶大王,並以東王,都一同去繞行七日的路程;軍隊和所帶的牲畜沒有水喝。
10 Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
以色列王說:「哀哉!耶和華招聚我們這三王,乃要交在摩押人的手裏。」
11 Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin’ i Jehovah va eto hanontaniantsika amin’ i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak’ i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan’ i Elia.
約沙法說:「這裏不是有耶和華的先知嗎?我們可以託他求問耶和華。」以色列王的一個臣子回答說:「這裏有沙法的兒子以利沙,就是從前服事以利亞的。」
12 Ary hoy Josafata: Ao amin’ izy io tokoa ny tenin’ i Jehovah. Dia nidina nankany amin’ i Elisa ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan’ i Edoma.
約沙法說:「他必有耶和華的話。」於是以色列王和約沙法,並以東王都下去見他。
13 Ary hoy Elisa tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
以利沙對以色列王說:「我與你何干?去問你父親的先知和你母親的先知吧!」以色列王對他說:「不要這樣說,耶和華招聚我們這三王,乃要交在摩押人的手裏。」
14 Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
以利沙說:「我指着所事奉永生的萬軍耶和華起誓,我若不看猶大王約沙法的情面,必不理你,不顧你。
15 Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’ i Elisa ny tànan’ i Jehovah.
現在你們給我找一個彈琴的來。」彈琴的時候,耶和華的靈就降在以利沙身上。
16 Ary hoy Elisa: Izao no lazain’ i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
他便說:「耶和華如此說:『你們要在這谷中滿處挖溝;
17 Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
因為耶和華如此說:你們雖不見風,不見雨,這谷必滿了水,使你們和牲畜有水喝。』
18 Ary ho zavatra kely ihany eo imason’ i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
在耶和華眼中這還算為小事,他也必將摩押人交在你們手中。
19 Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin’ ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
你們必攻破一切堅城美邑,砍伐各種佳樹,塞住一切水泉,用石頭糟踏一切美田。」
20 Ary nony maraina, tokony ho tamin’ ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin’ ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
次日早晨,約在獻祭的時候,有水從以東而來,遍地就滿了水。
21 Ary rehefa ren’ ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin’ izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin’ ny sisin-taniny.
摩押眾人聽見這三王上來要與他們爭戰,凡能頂盔貫甲的,無論老少,盡都聚集站在邊界上。
22 Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin’ ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
次日早晨,日光照在水上,摩押人起來,看見對面水紅如血,
23 Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin’ izao, ry Moaba!
就說:「這是血啊!必是三王互相擊殺,俱都滅亡。摩押人哪,我們現在去搶奪財物吧!」
24 Kanjo nony efa tonga teo an-tobin’ ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin’ ny tanin’ ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
摩押人到了以色列營,以色列人就起來攻打他們,以致他們在以色列人面前逃跑。以色列人往前追殺摩押人,直殺入摩押的境內,
25 Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
拆毀摩押的城邑,各人拋石填滿一切美田,塞住一切水泉,砍伐各種佳樹,只剩下吉珥‧哈列設的石牆;甩石的兵在四圍攻打那城。
26 Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin’ ny mpanjakan’ i Edoma; nefa tsy afaka izy.
摩押王見陣勢甚大,難以對敵,就率領七百拿刀的兵,要衝過陣去到以東王那裏,卻是不能;
27 Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin’ ny manda. Dia niharan’ ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin’ ny taniny izy.
便將那應當接續他作王的長子,在城上獻為燔祭。以色列人遭遇耶和華的大怒,於是三王離開摩押王,各回本國去了。

< 2 Mpanjaka 3 >