< 2 Mpanjaka 13 >

1 Tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin’ ny folo taona izy.
La vingt-troisième année de Joas, fils d'Achazia, roi de Juda, Joachaz, fils de Jéhu, devint roi sur Israël à Samarie, et il régna dix-sept ans.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin’ izany izy.
Il fit ce qui est mauvais aux yeux de l'Éternel; car il suivit les péchés de Jéroboam, fils de Nébat, par lesquels il avait fait pécher Israël. Il ne s'en détourna point.
3 Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra tamin’ ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, sy teo an-tanan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, mandrakariva izy.
La colère de l'Éternel s'alluma donc contre Israël; et il les livra entre les mains de Hazaël, roi de Syrie, et entre les mains de Ben-Hadad, fils de Hazaël, durant tout ce temps-là.
4 Ary Joahaza nifona tamin’ i Jehovah, dia nohenoin’ i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian’ ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan’ i Syria.
Mais Joachaz supplia l'Éternel, et l'Éternel l'exauça; car il vit l'oppression des Israélites, il vit que le roi de Syrie les opprimait.
5 Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin’ ny Isiraely, ka dia afaka tamin’ ny tanan’ ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak’ Isiraely.
L'Éternel donna donc un libérateur à Israël, et ils sortirent de dessous la puissance des Syriens. Ainsi les enfants d'Israël habitèrent dans leurs tentes, comme auparavant.
6 Kanefa tsy niala tamin’ ny fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin’ izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
Toutefois, ils ne se détournèrent point des péchés de la maison de Jéroboam, qu'il avait fait commettre à Israël; mais ils y marchèrent, et même l'emblème d'Ashéra subsista à Samarie,
7 Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
Bien que Dieu n'eût laissé de troupes à Joachaz que cinquante cavaliers, dix chars, et dix mille hommes de pied. En effet, le roi de Syrie les avait détruits, et rendus tels que la poussière qu'on foule aux pieds.
8 Ary ny tantaran’ i Joahaza sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Le reste des actions de Joachaz, tout ce qu'il fit, et ses exploits, n'est-il pas écrit au livre des Chroniques des rois d'Israël?
9 Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
Joachaz s'endormit donc avec ses pères, et on l'ensevelit à Samarie. Et Joas son fils régna à sa place.
10 Tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin’ ny folo taona izy.
La trente-septième année de Joas, roi de Juda, Joas, fils de Joachaz, devint roi sur Israël à Samarie, et il régna seize ans.
11 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy; fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin’ izany ihany izy.
Il fit ce qui est mauvais aux yeux de l'Éternel, et ne se détourna d'aucun des péchés de Jéroboam, fils de Nébat, par lesquels il avait fait pécher Israël; mais il y marcha.
12 Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Le reste des actions de Joas, tout ce qu'il fit, et la valeur avec laquelle il combattit contre Amatsia, roi de Juda, n'est-il pas écrit au livre des Chroniques des rois d'Israël?
13 Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Et Joas s'endormit avec ses pères, et Jéroboam s'assit sur son trône. Et Joas fut enseveli à Samarie avec les rois d'Israël.
14 Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
Or, comme Élisée était malade de la maladie dont il mourut, Joas, roi d'Israël, descendit et pleura sur son visage, disant: Mon père, mon père, char d'Israël et sa cavalerie!
15 Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
Et Élisée lui dit: Prends un arc et des flèches. Et il prit un arc et des flèches.
16 Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin’ ny tanan’ ny mpanjaka.
Et Élisée dit au roi d'Israël: Tends l'arc de ta main. Et quand il l'eut tendu, Élisée mit ses mains sur les mains du roi, et dit:
17 Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan’ ny famonjen’ i Jehovah, dia zana-tsipìkan’ ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
Ouvre la fenêtre vers l'Orient. Et il l'ouvrit. Et Élisée lui dit: Tire. Et il tira. Et Élisée dit: C'est une flèche de délivrance de la part de l'Éternel, une flèche de délivrance contre les Syriens. Tu frapperas les Syriens à Aphek, jusqu'à les détruire.
18 Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
Élisée lui dit encore: Prends les flèches. Et il les prit. Et Élisée dit au roi d'Israël: Frappe contre terre. Joas frappa trois fois, puis s'arrêta.
19 Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
Et l'homme de Dieu s'irrita contre lui, et dit: Il fallait frapper cinq ou six fois; alors tu eusses frappé les Syriens jusqu'à les détruire! Maintenant tu frapperas les Syriens trois fois.
20 Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin’ ny Moabita nananika ny tany amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
Et Élisée mourut, et on l'ensevelit. Et, l'année suivante, des bandes de Moabites entrèrent dans le pays.
21 Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’ i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ ny taolan’ i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ ny tongony.
Et voici, des gens qui enterraient un homme virent une de ces bandes, et jetèrent l'homme dans le tombeau d' Élisée. Et cet homme, étant allé toucher les os d'Élisée, revint à la vie, et se leva sur ses pieds.
22 Ary Hazaela, mpanjakan’ i Syria, nampahory ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ i Joahaza.
Or Hazaël, roi de Syrie, avait opprimé les Israélites pendant toute la vie de Joachaz.
23 Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
Mais l'Éternel leur fit grâce, il eut compassion d'eux, et il se retourna vers eux à cause de son alliance avec Abraham, Isaac et Jacob. Il ne voulut point les exterminer; et, jusqu'à maintenant, il ne les a pas rejetés de devant sa face.
24 Ary maty Hazaela, mpanjakan’ i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
Alors Hazaël, roi de Syrie, mourut, et Ben-Hadad, son fils, régna à sa place.
25 Ary Joasy, zanak’ i Joahaza, naka indray teo an-tànan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain’ i Hazaela teo an-tànan’ i Joahaza, rain’ i Joasy, tamin’ ny ady. Intelo no nandresen’ i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan’ ny Isiraely.
Et Joas, fils de Joachaz, reprit des mains de Ben-Hadad, fils de Hazaël, les villes que celui-ci avait conquises sur Joachaz, son père. Joas le battit par trois fois, et recouvra les villes d'Israël.

< 2 Mpanjaka 13 >