< 2 Mpanjaka 11 >

1 Ary nony hitan’ i Atalia, renin’ i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’ andriana rehetra.
Or Athalie, mère d'Achazia, voyant que son fils était mort, se leva et extermina toute la race royale.
2 Fa Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka ary anabavin’ i Ahazia, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy mbamin’ ny mpitaiza azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an’ i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
Mais Joshéba, fille du roi Joram, sœur d'Achazia, prit Joas, fils d'Achazia, le déroba d'entre les fils du roi qu'on faisait mourir, et le mit, avec sa nourrice, dans la salle des lits. Ainsi on le cacha aux yeux d'Athalie, en sorte qu'il ne fut pas mis à mort.
3 Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon’ i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin’ ny tany.
Et il fut caché auprès d'elle, six ans, dans la maison de l'Éternel. Et Athalie régnait sur le pays.
4 Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon’ i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon’ i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin’ ny mpanjaka.
Et, la septième année, Jéhojada envoya chercher les centeniers des gardes et des coureurs, les fit entrer vers lui dans la maison de l'Éternel, traita alliance avec eux et leur fit prêter serment dans la maison de l'Éternel, et il leur montra le fils du roi.
5 Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin’ ny Sabata dia hiambina ny tranon’ ny mpanjaka;
Puis il leur donna ce commandement: Voici ce que vous ferez: Un tiers d'entre vous qui entrez en semaine, fera la garde de la maison du roi;
6 ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon’ ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.
Un tiers sera à la porte de Sur; et un tiers à la porte qui est derrière les coureurs. Ainsi vous ferez la garde du temple, afin que personne n'y entre.
7 Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin’ ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon’ i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.
Et vos deux compagnies qui sortent de semaine, feront la garde de la maison de l'Éternel auprès du roi.
8 Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.
Vous environnerez le roi de tous côtés, chacun tenant ses armes à la main. Celui qui entrera dans les rangs sera mis à mort. Et vous serez avec le roi, quand il sortira et quand il entrera.
9 Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ ny Sabata sy izay niala tamin’ ny Sabata ary nankany amin’ i Joiada mpisorona.
Les centeniers firent donc tout ce que Jéhojada, le sacrificateur, avait commandé. Ils prirent chacun leurs gens, tant ceux qui entraient en semaine que ceux qui sortaient de semaine; et ils vinrent vers le sacrificateur Jéhojada.
10 Ary ny kapiteny nomen’ ilay mpisorona ny lefona sy ampingan’ i Davida mpanjaka izay tao an-tranon’ i Jehovah.
Et le sacrificateur donna aux centeniers les lances et les boucliers qui provenaient du roi David, et qui étaient dans la maison de l'Éternel.
11 Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano ka hatramin’ ny lafiny ankavia, hatramin’ ny alitara ka hatramin’ ny trano.
Et les coureurs se rangèrent auprès du roi tout à l'entour, chacun tenant ses armes à la main, depuis le côté droit du temple jusqu'au côté gauche, le long de l'autel et du temple.
12 Dia nentin’ i Joiada nivoaka ny zanakalahin’ ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
Alors il fit sortir le fils du roi, et mit sur lui la couronne et le témoignage. Ils l'établirent roi et l'oignirent, et, frappant des mains, ils dirent: Vive le roi!
13 Ary nony ren’ i Atalia ny tabataban’ ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin’ ny vahoaka tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy.
Mais Athalie, entendant le bruit des coureurs et du peuple, vint vers le peuple, dans la maison de l'Éternel.
14 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana toy ny fanao, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Elle regarda, et voici, le roi était debout près de la colonne, selon la coutume, et les capitaines et les trompettes étaient près du roi; et tout le peuple du pays était dans la joie, et l'on sonnait des trompettes. Alors Athalie déchira ses vêtements, et cria: Conspiration, conspiration!
15 Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan’ ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon’ i Jehovah izy.
Mais le sacrificateur Jéhojada donna cet ordre aux chefs de centaines, qui commandaient l'armée: Menez-la hors des rangs; et que celui qui la suivra soit mis à mort par l'épée! Car le sacrificateur avait dit: Qu'on ne la fasse pas mourir dans la maison de l'Éternel!
16 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin’ ny lalana fandehanan’ ny soavaly ho any an-tranon’ ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
On lui fit donc place, et elle revint par le chemin de l'entrée des chevaux dans la maison du roi; elle fut tuée là.
17 Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin’ i Jehovah, mba ho olon’ i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
Et Jéhojada traita cette alliance, entre l'Éternel, le roi et le peuple, qu'ils seraient le peuple de l'Éternel; il fit aussi alliance entre le roi et le peuple.
18 Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon’ i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron’ i Bala, novonoiny teo anoloan’ ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon’ i Jehovah.
Alors tout le peuple du pays entra dans la maison de Baal; et ils la démolirent avec ses autels, et ils brisèrent entièrement ses images. Ils tuèrent aussi devant les autels Matthan, sacrificateur de Baal. Ensuite le sacrificateur établit des surveillants dans la maison de l'Éternel.
19 Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin’ ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin’ ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ ny mpanjaka izy.
Il prit aussi les centeniers, les gardes, les coureurs et tout le peuple du pays, qui firent descendre le roi de la maison de l'Éternel, et ils entrèrent dans la maison du roi par le chemin de la porte des coureurs; et il s'assit sur le trône des rois.
20 Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin’ ny sabatra tao an-tranon’ ny mpanjaka.
Tout le peuple du pays se réjouit, et la ville fut en repos, après qu'on eut mis à mort Athalie, par l'épée, dans la maison du roi.
21 Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka:
Joas était âgé de sept ans, quand il devint roi.

< 2 Mpanjaka 11 >