< 2 Korintiana 6 >

1 Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan’ Andriamanitra
Working together, we entreat also that you do not receive the grace of God in vain.
2 fa hoy Izy: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
For he says, “At an acceptable time I listened to you. In a day of salvation I helped you.” Behold, now is the acceptable time. Behold, now is the day of salvation.
3 fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’ inona na amin’ inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana;
We give no occasion of stumbling in anything, that our service may not be blamed,
4 fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,
but in everything commending ourselves as servants of God: in great endurance, in afflictions, in hardships, in distresses,
5 amin’ ny kapoka, amin’ ny fatorana, amin’ ny tabataba, amin’ ny fisasarana, amin’ ny tsy fahitan-tory, amin’ ny fifadian-kanina,
in beatings, in imprisonments, in riots, in labours, in watchings, in fastings,
6 amin’ ny fahadiovana, amin’ ny fahalalana, amin’ ny fahari-po, amin’ ny fahamoram-panahy, amin’ ny Fanahy Masìna, amin’ ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
in pureness, in knowledge, in perseverance, in kindness, in the Holy Spirit, in sincere love,
7 amin’ ny teny fahamarinana, amin’ ny herin’ Andriamanitra, amin’ ny fiadian’ ny fahamarinana, na amin’ ny ankavanana na amin’ ny ankavia,
in the word of truth, in the power of God, by the armour of righteousness on the right hand and on the left,
8 amin’ ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany;
by glory and dishonour, by evil report and good report, as deceivers and yet true,
9 tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;
as unknown and yet well known, as dying and behold—we live, as punished and not killed,
10 tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
as sorrowful yet always rejoicing, as poor yet making many rich, as having nothing and yet possessing all things.
11 Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka.
Our mouth is open to you, Corinthians. Our heart is enlarged.
12 Tsy terỳ aminay ianareo, fa terỳ ao am-ponareo ihany.
You are not restricted by us, but you are restricted by your own affections.
13 Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ ny zanako), dia mba mihalalaha kosa ianareo.
Now in return—I speak as to my children—you also open your hearts.
14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ ny mazava sy ny maizina?
Don’t be unequally yoked with unbelievers, for what fellowship do righteousness and iniquity have? Or what fellowship does light have with darkness?
15 Ary inona no ifanarahan’ i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ ny anjaran’ ny mino sy ny tsy mino?
What agreement does Christ have with Belial? Or what portion does a believer have with an unbeliever?
16 Ary inona no ikambanan’ ny tempolin’ Andriamanitra amin’ ny sampy? Fa isika no tempolin’ Andriamanitra velona, araka ny nataon’ Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko.
What agreement does a temple of God have with idols? For you are a temple of the living God. Even as God said, “I will dwell in them and walk in them. I will be their God and they will be my people.”
17 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
Therefore “‘Come out from amongst them, and be separate,’ says the Lord. ‘Touch no unclean thing. I will receive you.
18 Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.
I will be to you a Father. You will be to me sons and daughters,’ says the Lord Almighty.”

< 2 Korintiana 6 >