< 2 Tantara 9 >

1 Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan’ i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’ i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’ izay rehetra tao am-pony.
Or la reine de Shéba, ayant appris la renommée de Salomon, vint à Jérusalem pour éprouver Salomon par des questions obscures. Elle avait un fort grand train, et des chameaux portant des aromates, de l'or en grande quantité et des pierres précieuses. Elle vint à Salomon, et elle lui dit tout ce qu'elle avait dans le cœur.
2 Ary voavalin’ i Solomona izy tamin’ izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
Et Salomon lui expliqua tout ce qu'elle proposa; il n'y eut rien que Salomon n'entendît et qu'il ne lui expliquât.
3 Ary rehefa hitan’ ilay mpanjakavavin’ i Sheba ny fahendren’ i Solomona sy ny trano izay nataony
Alors, la reine de Shéba voyant la sagesse de Salomon, et la maison qu'il avait bâtie,
4 sy ny hanim-pihinany teo amin’ ny latabany, sy ny fipetrahan’ ny tandapany sy ny fitoeran’ ny mpanompony mbamin’ ny fitafian’ ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian’ ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
Et les mets de sa table, et la demeure de ses serviteurs, l'ordre de service et les vêtements de ceux qui le servaient, et ses échansons et leurs vêtements, et sa montée, par où l'on montait à la maison de l'Éternel, elle fut toute hors d'elle-même.
5 Dia hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin’ ny taniko ny amin’ ny teninao sy ny fahendrenao.
Et elle dit au roi: Ce que j'ai entendu dire dans mon pays, de ton état et de ta sagesse, est véritable.
6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
Je ne croyais point ce qu'on en disait, jusqu'à ce que je sois venue, et que mes yeux l'aient vu; et voici, on ne m'avait pas rapporté la moitié de la grandeur de ta sagesse; tu surpasses ce que j'avais appris de la renommée.
7 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
Heureux tes gens! heureux tes serviteurs qui se tiennent continuellement devant toi, et qui écoutent ta sagesse!
8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’ Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Béni soit l'Éternel, ton Dieu, qui t'a eu pour agréable, pour te placer sur son trône, comme roi pour l'Éternel, ton Dieu! C'est parce que ton Dieu aime Israël, pour le faire subsister à jamais, qu'il t'a établi roi sur eux pour faire droit et justice.
9 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen’ ny mpanjakavavin’ i Sheba an’ i Solomona mpanjaka.
Et elle donna au roi cent vingt talents d'or, et une très grande quantité d'aromates, et des pierres précieuses; et il n'y eut plus d'aromates tels que ceux que la reine de Shéba donna au roi Salomon.
10 Ary ny mpanompon’ i Hirama koa sy ny mpanompon’ i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.
Les serviteurs de Huram et les serviteurs de Salomon, qui amenèrent de l'or d'Ophir, amenèrent aussi du bois de santal et des pierres précieuses.
11 Ary ny hazo almoga dia nataon’ ny mpanjaka ambaratonga mankamin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an’ ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin’ ny tanin’ ny Joda.
Le roi fit de ce bois de santal des escaliers pour la maison de l'Éternel et pour la maison du roi, et des harpes et des lyres pour les chantres. On n'en avait point vu auparavant de semblable dans le pays de Juda.
12 Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin’ i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin’ ny nentiny ho an’ ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ ny taniny izy mbamin’ ny mpanompony.
Et le roi Salomon donna à la reine de Shéba tout ce qu'elle souhaita, ce qu'elle demanda, plus qu'elle n'avait apporté au roi; et elle s'en retourna, et revint en son pays, elle et ses serviteurs.
13 Ary ny lanjan’ ny volamena izay tonga tao amin’ i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
Le poids de l'or qui arrivait à Salomon chaque année, était de six cent soixante-six talents d'or;
14 afa-tsy izay nentin’ ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan’ i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’ i Solomona.
Outre ce qu'il retirait des négociants et des marchands qui en apportaient, et de tous les rois d'Arabie et des gouverneurs du pays, qui apportaient de l'or et de l'argent à Salomon.
15 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ ny ampinga lehibe iray.
Le roi Salomon fit deux cents grands boucliers d'or battu employant six cents sicles d'or battu, pour chaque bouclier;
16 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin’ ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona lreo.
Et trois cents boucliers plus petits d'or battu, employant trois cents sicles d'or pour chaque bouclier; et le roi les mit dans la maison de la Forêt du Liban.
17 Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.
Le roi fit aussi un grand trône d'ivoire, qu'il couvrit d'or pur;
18 Nisy ambaratonga enina amin’ ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin’ ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin’ ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana;
Ce trône avait six degrés et un marche-pied d'or qui tenaient au trône; et il avait des accoudoirs de l'un et de l'autre côté du siège; et deux lions se tenaient auprès des accoudoirs;
19 ary nisy sarin-diona roa ambin’ ny folo teo an-daniny roa teo amin’ ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin’ ny fanjakana rehetra.
Et douze lions se tenaient là sur les six degrés, des deux côtés. Rien de pareil n'avait été fait pour aucun royaume.
20 Ary ny fisotroan’ i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin’ ny andron’ i Solomona.
Et tous les vases à boire du roi Salomon étaient d'or, et toute la vaisselle de la maison de la Forêt du Liban était d'or pur; rien n'était d'argent; on n'en faisait aucun cas du vivant de Salomon.
21 Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin’ ny mpanompon’ i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
Car les navires du roi allaient à Tarsis avec les serviteurs de Huram; et tous les trois ans une fois arrivaient les navires de Tarsis, apportant de l'or, de l'argent, des dents d'éléphants, des singes et des paons.
22 Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany.
Ainsi le roi Salomon fut plus grand que tous les rois de la terre, en richesses et en sagesse.
23 Ary ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
Tous les rois de la terre recherchaient la face de Salomon, pour entendre la sagesse que Dieu lui avait mise dans le cœur.
24 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
Et chacun d'eux apportait son présent, des vases d'argent, et des vases d'or, des vêtements, des armes, des aromates, des chevaux et des mulets, année par année.
25 Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran’ ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin’ ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
Salomon avait quatre mille râteliers de chevaux, avec des chars, et douze mille cavaliers, qu'il mit dans les villes des chars, et auprès du roi à Jérusalem.
26 Ary nanjaka tamin’ ny mpanjaka rehetra hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny tanin’ ny Filistina ary hatramin’ ny sisin’ i Egypta izy.
Il dominait sur tous les rois depuis le fleuve jusqu'au pays des Philistins, et jusqu'à la frontière d'Égypte.
27 Ary nataon’ ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Et le roi fit que l'argent était aussi commun à Jérusalem que les pierres, et les cèdres aussi nombreux que les sycomores qui sont dans la plaine.
28 Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin’ ny tany rehetra koa Solomona.
On tirait des chevaux pour Salomon, de l'Égypte et de tous les pays.
29 Ary ny tantaran’ i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra va izany ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany sy amin’ ny faminanian’ i Ahia Silonita sy amin’ ny fahitan’ Ido mpahita ny amin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata?
Quant au reste des actions de Salomon, les premières et les dernières, cela n'est-il pas écrit dans le livre de Nathan, le prophète, dans la prophétie d'Achija, le Silonite, et dans la vision de Jéeddo, le Voyant, touchant Jéroboam, fils de Nébat?
30 Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.
Salomon régna quarante ans à Jérusalem sur tout Israël.
31 Ary Solomona lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
Puis Salomon s'endormit avec ses pères, et on l'ensevelit dans la cité de David, son père; et Roboam, son fils, régna à sa place.

< 2 Tantara 9 >