< 2 Tantara 34 >

1 Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
Josiah was eight years old when he began to reign; and he reigned thirty-one years in Jerusalem.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy ka nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia.
He did that which was right in the eyes of YHWH, and walked in the ways of David his father, and did not turn aside to the right hand or to the left.
3 Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.
For in the eighth year of his reign, while he was yet young, he began to seek after the God of David his father; and in the twelfth year he began to purge Judah and Jerusalem from the high places, and the Asherim, and the engraved images, and the molten images.
4 Ary noravan’ ny olona teo anatrehan’ i Josia ny alitaran’ ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ ny fasan’ ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
They broke down the altars of the Baals in his presence; and the incense altars that were on high above them he cut down; and the Asherim, and the engraved images, and the molten images, he broke in pieces, and made dust of them, and strewed it on the graves of those who had sacrificed to them.
5 Ary nandoro ny taolan’ ny mpisorona teo ambonin’ ny alitarany izy, ka dia nanadio an’ i Joda sy Jerosalema.
He burnt the bones of the priests on their altars, and purged Judah and Jerusalem.
6 Ary tany amin’ ny tanànan’ ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin’ ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,
He did this in the cities of Manasseh and Ephraim and Simeon, even to Naphtali, around in their ruins.
7 dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
He broke down the altars, and beat the Asherim and the engraved images into powder, and cut down all the incense altars throughout all the land of Israel, and returned to Jerusalem.
8 Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’ i Safana, zanak’ i Azalia, sy Mahaseia, komandin’ ny tanàna, ary Joa, zanak’ i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon’ i Jehovah Andriamaniny.
Now in the eighteenth year of his reign, when he had purged the land and the house, he sent Shaphan the son of Azaliah, and Maaseiah the governor of the city, and Joah the son of Joahaz the recorder, to repair the house of YHWH his God.
9 Ary rehefa tonga teo amin’ i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ Andriamanitra, izay efa nangonin’ ny Levita, mpiandry varavarana, tamin’ ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely, ary tamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
They came to Hilkiah the high priest, and delivered the money that was brought into God's house, which the Levites, the keepers of the threshold, had gathered of the hand of Manasseh and Ephraim, and of all the remnant of Israel, and of all Judah and Benjamin, and of the inhabitants of Jerusalem.
10 Ary natolony ho eo an-tanan’ ny lehiben’ ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin’ ny tranon’ i Jehovah izany, ary natolotr’ ireo kosa ho an’ ny mpiasa izay niasa tao an-tranon’ i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;
They delivered it into the hand of the workers who had the oversight of the house of YHWH; and the workmen who labored in the house of YHWH gave it to mend and repair the house;
11 dia nomeny ho an’ ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin’ ny trano izay nosimban’ ny mpanjakan’ ny Joda.
even to the carpenters and to the builders gave they it, to buy cut stone, and timber for couplings, and to make beams for the houses which the kings of Judah had destroyed.
12 Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin’ ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,
The men did the work faithfully: and their overseers were Jahath and Obadiah, the Levites, of the sons of Merari; and Zechariah and Meshullam, of the sons of the Kohathites, to set it forward; and others of the Levites, all who were skillful with instruments of music.
13 dia ireo no tonian’ ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin’ ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin’ ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
Also they were over the bearers of burdens, and set forward all who did the work in every kind of service: and of the Levites there were scribes, and officers, and gatekeepers.
14 Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, ilay nampilazaina an’ i Mosesy.
When they brought out the money that was brought into the house of YHWH, Hilkiah the priest found the scroll of the law of YHWH given by Moses.
15 Ary niteny Hilkia ka nanao tamin’ i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin’ ny lalàna dia hitako tao an-tranon’ i Jehovah. Dia natolotr’ i Hilkia an’ i Safana ny boky.
Hilkiah answered Shaphan the scribe, "I have found the scroll of the law in the house of YHWH." Hilkiah delivered the scroll to Shaphan.
16 Ary Safana nitondra ny boky ho any amin’ ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon’ ny mpanomponao dia nataony avokoa.
Shaphan carried the scroll to the king, and moreover brought back word to the king, saying, "All that was committed to your servants, they are doing.
17 Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon’ i Jehovah ka natolony teo an-tànan’ ny olona voatendry sy teo an-tànan’ ny mpiasa.
They have emptied out the money that was found in the house of YHWH, and have delivered it into the hand of the overseers, and into the hand of the workmen."
18 Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin’ ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen’ i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’ i Safana teo anatrehan’ ny mpanjaka ny boky.
Shaphan the scribe told the king, saying, "Hilkiah the priest has given me a scroll." Shaphan read it before the king.
19 Ary rehefa ren’ ny mpanjaka ny tenin’ ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy
It happened, when the king had heard the words of the law, that he tore his clothes.
20 sady nandidy an’ i Hilkia sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Abdona, zanak’ i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, ka nanao hoe:
The king commanded Hilkiah, and Ahikam the son of Shaphan, and Acbor the son of Micaiah, and Shaphan the scribe, and Asaiah the king's servant, saying,
21 Andeha manontany amin’ i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin’ ny Isiraely sy ny Joda ny amin’ ny tenin’ io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman’ ny razantsika ny tenin’ i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin’ io boky io.
"Go inquire of YHWH for me, and for those who are left in Israel and in Judah, concerning the words of the book that is found; for great is the wrath of YHWH that is poured out on us, because our fathers have not kept the word of YHWH, to do according to all that is written in this scroll."
22 Ary Hilkia sy izay notendren’ ny mpanjaka dia nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tokehata, zanak’ i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin’ ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.
So Hilkiah and those whom the king had sent went to Huldah the prophetess, the wife of Shallum the son of Tikvah, the son of Harhas, keeper of the wardrobe; (now she lived in Jerusalem in the second quarter; ) and they spoke to her to that effect.
23 Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin’ izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:
She said to them, "Thus says YHWH, the God of Israel: 'Tell the man who sent you to me,
24 Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin’ ilay boky efa novakina teo anatrehan’ ny mpanjakan’ ny Joda.
"Thus says YHWH, 'Look, I will bring disaster on this place, and on its inhabitants, even all the curses that are written in the scroll which they have read before the king of Judah.
25 Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia haidina amin’ ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
Because they have forsaken me, and have burned incense to other gods, that they might provoke me to anger with all the works of their hands; therefore is my wrath poured out on this place, and it shall not be quenched.'"'
26 Fa ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin’ i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ny teny izay efa novakinao,
But to the king of Judah, who sent you to inquire of YHWH, thus you shall tell him, 'Thus says YHWH, the God of Israel: "As touching the words which you have heard,
27 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin’ ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
because your heart was tender, and you humbled yourself before God, when you heard his words against this place, and against its inhabitants, and have humbled yourself before me, and have torn your clothes, and wept before me; I also have heard you," says YHWH.
28 Koa, indro, hangoniko any amin’ ny razanao ianao ary hangonina any amin’ ny fasanao amin’ ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ ny mpanjaka izy ireo.
"Look, I will gather you to your fathers, and you shall be gathered to your grave in peace, neither shall your eyes see all the disaster that I will bring on this place, and on its inhabitants."'" They brought back word to the king.
29 Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon’ ny Joda sy Jerosalema rehetra.
Then the king sent and gathered together all the elders of Judah and Jerusalem.
30 Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin’ ny bokin’ ny fanekena, izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
The king went up to the house of YHWH, and all the men of Judah and the inhabitants of Jerusalem, and the priests, and the Levites, and all the people, both great and small: and he read in their ears all the words of the scroll of the covenant that was found in the house of YHWH.
31 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena izay voasoratra ao amin’ izany boky izany,
The king stood in his place, and made a covenant before YHWH, to walk after YHWH, and to keep his commandments, and his testimonies, and his statutes, with all his heart, and with all his soul, to perform the words of the covenant that were written in this scroll.
32 sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany
He caused all who were found in Jerusalem and Benjamin to stand. The inhabitants of Jerusalem did according to the covenant of God, the God of their fathers.
33 Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ ny tany rehetra izay an’ ny Zanak’ isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin’ ny Isiraely hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny. Tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josia dia tsy mba niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.
Josiah took away all the abominations out of all the countries that pertained to the children of Israel, and made all who were found in Israel to serve, even to serve YHWH their God. All his days they did not depart from following YHWH, the God of their fathers.

< 2 Tantara 34 >