< 2 Tantara 31 >

1 Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan’ ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran’ i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin’ ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’ isiraely rehetra.
這事既都完畢,在那裏的以色列眾人就到猶大的城邑,打碎柱像,砍斷木偶,又在猶大、便雅憫、以法蓮、瑪拿西遍地將邱壇和祭壇拆毀淨盡。於是以色列眾人各回各城,各歸各地。
2 Ary Hezekia nanendry ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin’ ny vavahadin’ ny tobin’ i Jehovah.
希西家派定祭司利未人的班次,各按各職獻燔祭和平安祭,又在耶和華殿門內事奉,稱謝頌讚耶和華。
3 Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.
王又從自己的產業中定出分來為燔祭,就是早晚的燔祭和安息日、月朔,並節期的燔祭,都是按耶和華律法上所載的;
4 Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran’ ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin’ ny lalàn’ i Jehovah.
又吩咐住耶路撒冷的百姓將祭司、利未人所應得的分給他們,使他們專心遵守耶和華的律法。
5 Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’ isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
諭旨一出,以色列人就把初熟的五穀、新酒、油、蜜,和田地的出產多多送來,又把各物的十分之一送來的極多。
6 Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman’ osy, ary ny fahafolon’ ny zavatra masìna izay nohamasinina ho an’ i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
住猶大各城的以色列人和猶大人也將牛羊的十分之一,並分別為聖歸耶和華-他們上帝之物,就是十分取一之物,盡都送來,積成堆壘;
7 Tamin’ ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin’ ny volana fahafito no nahavitany azy.
從三月積起,到七月才完。
8 Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an’ i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
希西家和眾首領來,看見堆壘,就稱頌耶和華,又為耶和華的民以色列人祝福。
9 Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin’ ireo niavosa ireo.
希西家向祭司、利未人查問這堆壘。
10 Ary Azaria mpisoronabe, taranak’ i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin’ ny niandohan’ ny nitondran’ ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon’ i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
撒督家的大祭司亞撒利雅回答說:「自從民將供物送到耶和華殿以來,我們不但吃飽,且剩下的甚多;因為耶和華賜福給他的民,所剩下的才這樣豐盛。」
11 Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.
希西家吩咐在耶和華殿裏預備倉房,他們就預備了。
12 Ary tamin’ ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.
他們誠心將供物和十分取一之物,並分別為聖之物,都搬入倉內。利未人歌楠雅掌管這事,他兄弟示每為副管。
13 Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin’ i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian’ ireny, araka ny didin’ i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.
耶歇、亞撒細雅、拿哈、亞撒黑、耶利末、約撒拔、以列、伊斯瑪基雅、瑪哈、比拿雅都是督理,在歌楠雅和他兄弟示每的手下,是希西家王和管理上帝殿的亞撒利雅所派的。
14 Ary Kore Levita, zanak’ i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ ny fanati-tsitrapo ho an’ Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah sy ny zava-masìna indrindra.
守東門的利未人音拿的兒子可利,掌管樂意獻與上帝的禮物,發放獻與耶和華的供物和至聖的物。
15 Ary ny fehin’ i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin’ ny tanànan’ ny mpisorona; ary adidin’ ireo ny hizara ho an’ ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
在他手下有伊甸、詿雅詿、耶書亞、示瑪雅、亞瑪利雅、示迦尼雅,在祭司的各城裏供緊要的職任,無論弟兄大小,都按着班次分給他們。
16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin’ ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon’ i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin’ ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.
按家譜,三歲以外的男丁,凡每日進耶和華殿、按班次供職的,也分給他;
17 Ary ny amin’ ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
又按宗族家譜分給祭司,按班次職任分給二十歲以外的利未人,
18 Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin’ ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin’ ny zavatra masìna.
又按家譜計算,分給他們會中的妻子、兒女;因他們身供要職,自潔成聖。
19 Ary ho an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, koa, izay tany amin’ ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin’ ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
按名派定的人要把應得的分給亞倫子孫,住在各城郊野、祭司所有的男丁和一切載入家譜的利未人。
20 Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
希西家在猶大遍地這樣辦理,行耶和華-他上帝眼中看為善為正為忠的事。
21 Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an’ Andriamaniny dia nataony tamin’ ny fony rehetra, fa nambinina izy
凡他所行的,無論是辦上帝殿的事,是遵律法守誡命,是尋求他的上帝,都是盡心去行,無不亨通。

< 2 Tantara 31 >