< 2 Tantara 3 >

1 Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
И поче Соломун зидати дом Господњи у Јерусалиму на брду Морији, које би показано Давиду оцу његовом на месту које беше приправио Давид, на гумну Орнана Јевусејина.
2 Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin’ ny andro faharoa tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona fahefatra nanjakany.
И поче зидати другог дана другог месеца четврте године царовања свог.
3 Ary toy izao no nanorenan’ i Solomona ny tranon’ Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
А овако заснова Соломун да зида дом Божји: у дужину шездесет лаката по старој мери, а у ширину двадесет лаката.
4 Ary ny amin’ ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan’ ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
А трем који беше пред дужином уз ширину дома имаше двадесет лаката, а у висину сто и двадесет; и обложи га изнутра чистим златом.
5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.
А дом велики обложи дрветом јеловим, потом га обложи чистим златом, и озго начини палме и ланце.
6 Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
И обложи дом камењем драгим да је накићен, а злато беше парвајимско.
7 Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima ny rindrina.
Обложи златом дом, греде, прагове и зидове и врата, и изреза херувиме по зидовима.
8 Ary nanao ny efi-trano masìna indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
И начини дом за светињу над светињама, дуг уз ширину дома двадесет лаката, и широк двадесет лаката и обложи га чистим златом, ког отиде до шест стотина таланата.
9 Ary ny lanjan’ ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
А на клине даде педесет сикала злата; и клети обложи златом.
10 Ary tao amin’ ny efi-trano masìna indrindra dia nasiany sarin’ ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
И начини у дому светиње над светињама два херувима, направе уметничке, и обложи их златом.
11 Ny halavan’ ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray;
И крила тих херувима имаху у дужину двадесет лаката: једно крило беше од пет лаката, и тицаше у зид од дома и друго крило беше од пет лаката, и тицаше у крило другог херувима;
12 ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray.
Тако и другог херувима крило беше од пет лаката, и тицаше у зид од дома, и друго му крило беше од пет лаката и састављаше се с крилом другог херувима.
13 Nivelatra ny elatr’ ireo kerobima ireo, ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
Крила тим херувимима беху раширена на двадесет лаката, а они стајаху на ногама својим, лицем окренутим у дом.
14 Ary izy nanao ny efitra lamba tamin’ ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin’ ny kerobima ny sorany.
И начини завес од порфире, од скерлета, од црвца и од танког платна, и по њему начини херувиме.
15 Ary nanao andry roa teo anoloan’ ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
И начини пред домом два ступа, у висину од тридесет и пет лаката, и оглавља озго на сваком од пет лаката.
16 Ary nanao tongalika tao amin’ ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ ny andry ireo; ary nanao sarin’ apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin’ ny tongalika ireo.
И начини ланце као у светињи, и метну их на врх ступова, и начини сто шипака, и метну их међу ланце.
17 Ary ny andry natsangany teo anoloan’ ny tempoly, ny iray tamin’ ny ankavanana, ary ny iray tamin’ ny ankavia; ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavia kosa natao hoe Boaza.
И постави ступове пред црквом, један с десне стране а други с леве, и десни назва Јахин, а леви Воас.

< 2 Tantara 3 >