< 2 Tantara 27 >

1 Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’ i Zadoka. 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay nataon’ i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany. 3 Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ ny tranon’ i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ ny mandan’ i Ofela koa. 4 Ary nanao tanàna teny amin’ ny tany havoan’ i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ ala koa izy. 5 Ary niady tamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’ izany taona izany ny taranak’ i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan’ ny taranak’ i Amona ho azy tamin’ ny-taona faharoa sy fahatelo koa. 6 Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy. 7 Ary ny tantaran’ i Jotama sisa mbamin’ ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany. 8 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. 9 Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan’ i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.

< 2 Tantara 27 >