< 2 Tantara 26 >

1 Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Ozia, izay enina ambin’ ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
Ensuite tout le peuple de Juda établit son fils Ozias, âgé de seize ans, roi en la place d’Amasias, son père.
2 Izy no nanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin’ ny razany ny mpanajaka.
C’est lui qui bâtit Aïlath, et la rendit à la domination de Juda, après que le roi se fut endormi avec ses pères.
3 Enina ambin’ ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
Ozias avait seize ans quand il commença à régner, et il régna cinquante-deux ans à Jérusalem; le nom de sa mère était Jéchélie de Jérusalem.
4 Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy.
Et il fit ce qui était droit aux yeux du Seigneur, selon tout ce qu’avait fait Amasias, son père.
5 Ary nitady an’ Andriamanitra izy tamin’ ny andron’ i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an’ Andriamanitra; ary tamin’ ny andro nitadiavany an’ i Jehovah dia nambinin’ Andriamanitra izy.
Et il chercha le Seigneur aux jours de Zacharie, qui comprenait et voyait Dieu; et comme il cherchait le Seigneur, le Seigneur le dirigea en toutes choses.
6 Ary nivoaka izy ka niady tamin’ ny Filistina, dia nandrava ny mandan’ i Gata sy ny an’ i Jabne sy ny an’ i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin’ ny Filistina.
Enfin il sortit et combattit contre les Philistins; il détruisit le mur de Geth, le mur de Jabnie et le mur d’Azot: il bâtit des villes dans Azot et chez les Philistins.
7 Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
Et Dieu l’aida contre les Philistins et contre les Arabes qui habitaient dans Gurbaal, et contre les Ammonites.
8 Ary ny Amonita nandoa hetra ho an’ i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin’ i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
Or les Ammonites donnaient des présents à Ozias, et son nom se répandit jusqu’à l’entrée de l’Égypte, à cause de ses fréquentes victoires.
9 Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ ny vavahady an-jorony sy teo amin’ ny vavahady mankao amin’ ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
Et Ozias bâtit des tours à Jérusalem sur la porte de l’angle et sur la porte de la vallée, et d’autres sur le même côté du mur, et il les fortifia.
10 Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman’ ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.
Il bâtit encore des tours dans le désert, et il creusa plusieurs citernes, parce qu’il avait beaucoup de troupeaux, tant dans la campagne que dans la vaste étendue du désert. Il eut aussi des vignes et des vignerons sur les montagnes et sur le Carmel; car c’était un homme adonné à l’agriculture.
11 Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan’ i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin’ i Hanania, anankiray tamin’ ny komandy voatendrin’ ny mpanjaka.
Or l’armée de ses guerriers qui marchaient aux combats était sous la main de Jéhiel, le scribe, Maasias, le docteur, et sous la main de Hananie, qui était un des chefs de l’armée du roi.
12 Enin-jato amby roa rivo no isan’ ny lohan’ ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
Le nombre complet des princes dans les familles des hommes forts était de deux mille six cents.
13 Ary ny miaramila fehezin’ ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin’ ny fahavalony.
Et sous eux toute l’armée était de trois cent sept mille cinq cents soldats, qui était propres à la guerre, et qui combattaient pour le roi contre les ennemis.
14 Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton’ antsamotady ho an’ ireo miaramila rehetra ireo.
Or Ozias disposa pour eux, c’est-à-dire pour toute l’armée, des boucliers, des lances, des casques, des cuirasses, des arcs et des frondes à jeter des pierres.
15 Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan’ ny mahay zavatra, hapetraka eo amin’ ny tilikambo sy eo an-tampon’ ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’ i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
Et il fit dans Jérusalem des machines de divers genres, qu’il plaça dans les tours et dans tous les angles des murs, pour lancer les flèches et les grosses pierres; et son nom se répandit au loin, parce que le Seigneur l’aidait et le fortifiait.
16 Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
Mais, lorsqu’il eut été ainsi affermi, son cœur s’éleva pour sa perte, et il négligea le Seigneur son Dieu; et, étant entré dans le temple du Seigneur, il voulut brûler de l’encens sur l’autel du parfum.
17 Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin’ ny valo-polo lahy amin’ ny mpisoron’ i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.
Mais aussitôt entra après lui Azarias, le prêtre, et avec lui quatre-vingts prêtres du Seigneur, hommes très forts;
18 Ary nanohitra an’ i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona ihany, dia ny taranak’ i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ ny fitoerana masìna, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitra izany.
Ils s’opposèrent au roi, et dirent: Il ne vous appartient pas, Ozias, de brûler de l’encens devant le Seigneur; mais c’est aux prêtres, c’est-à-dire aux enfants d’Aaron, qui ont été consacrés pour ce ministère. Sortez du sanctuaire, et ne nous méprisez point, parce que cette action ne vous sera pas imputée à gloire par le Seigneur Dieu.
19 Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin’ ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin’ ny handriny teo anatrehan’ ny mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah, tanilan’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
Mais Ozias, irrité, tenant un encensoir à la main pour brûler de l’encens, menaçait les prêtres. Et aussitôt la lèpre se forma sur son front, devant les prêtres, dans la maison du Seigneur, près de l’autel du parfum.
20 Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
Et lorsque Azarias, le pontife, et tous les autres prêtres eurent jeté les yeux sur lui, ils virent la lèpre sur son front, et ils le chassèrent promptement. Mais lui-même, épouvanté, se hâta de sortir, parce qu’il sentit sur-le-champ la plaie du Seigneur.
21 Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon’ i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.
Le roi, Ozias, fut donc lépreux jusqu’au jour de sa mort; et il habita dans une maison séparée, plein de la lèpre, à cause de laquelle il avait été chassé de la maison du Seigneur. Cependant Joatham, son fils, gouverna la maison du roi, et il jugeait le peuple de la terre.
22 Ary ny tantaran’ i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza;
Mais le reste des actions d’Ozias, des premières et des dernières, Isaïe, le prophète, fils d’Amos, l’a écrit.
23 Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an’ ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
Et Ozias dormit avec ses pères, et on l’ensevelit dans le champ des sépulcres royaux, parce qu’il était lépreux; et Joatham, son fils, régna en sa place.

< 2 Tantara 26 >