< 2 Tantara 22 >

1 Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an’ i Ahazia, faralahin’ i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, no nanjaka. 2 Roa amby efa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak’ i Omry. 3 Nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy. 4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah toy ny taranak’ i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian’ ny nahafatesan’ ny rainy ka nampidi-doza taminy. 5 Ary ny saina nomen’ ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hiady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama. 6 Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Azaria, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina mba hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy. 7 Ary avy tamin’ Andriamanitra ny loza nanjo an’ i Ahazia tamin’ ny nankanesany tany amin’ i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin’ i Jorama mba hitsena an’ i Jeho, zanak’ i Nimsy, izay nohosoran’ i Jehovah handringana ny taranak’ i Ahaba. 8 Ary tamin’ ny namalian’ i Jeho ny taranak’ i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin’ i Ahazia, izay nanompo an’ i Ahazia, ka novonoiny. 9 Ary nitady an’ i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin’ i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak’ i Josafata, ilay nitady an’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak’ i Ahazia. 10 Ary nony hitan’ i Atalia, renin’ i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’ andriana rehetra tamin’ ny taranak’ i Joda. 11 Fa Joseba, zanakavavin’ ny mpanjaka, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin’ i Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka, vadin’ i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin’ i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan’ i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy. 12 Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon’ Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin’ ny tany

< 2 Tantara 22 >