< 2 Tantara 2 >

1 Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany.
솔로몬이 여호와의 이름을 위하여 전을 건축하고 자기 권영을 위하여 궁궐 건축하기를 결심하니라
2 Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
솔로몬이 이에 담군 칠만과 산에 올라 작벌할 자 팔만과 일을 감독할 자 삼천육백을 뽑고
3 Ary Solomona naniraka hankany amin’ i Hirama, mpanjakan’ i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin’ i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,
사자를 두로 왕 후람에게 보내어 이르되 당신이 전에 내 부친 다윗에게 백향목을 보내어 그 거할 궁궐을 건축하게 한 것 같이 내게도 그리하소서
4 indro, izaho efa efa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ ny fotoam-pivavahina voatendrin’ i Jehovah Andriamanitray; ho adidin’ ny Isiraely mandrakizay izany.
이제 내가 나의 하나님 여호와의 이름을 위하여 전을 건축하여 구별하여 드리고 주 앞에서 향재료를 사르며 항상 떡을 진설하며 안식일과 초하루와 우리 하나님 여호와의 절기에 조석으로 번제를 드리려 하니 이는 이스라엘의 영원한 규례니이다
5 Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
내가 건축하고자 하는 전은 크니 우리 하나님은 모든 신보다 크심이라
6 Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
누가 능히 하나님을 위하여 전을 건축하리요 하늘과 하늘들의 하늘이라도 주를 용납지 못하겠거든 내가 누구관대 어찌 능히 위하여 전을 건축하리요 그 앞에 분향하려 할 따름이니이다
7 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin’ ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin’ i Davida raiko.
이제 청컨대 당신은 금, 은, 동, 철로 제조하며 자색 홍색 청색실로 직조하며 또 아로새길 줄 아는 공교한 공장 하나를 내게 보내어 내 부친 다윗이 유다와 예루살렘에서 예비한 나의 공교한 공장과 함께 일하게 하고
8 Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin’ ny vahoakanao
또 레바논에서 백향목과 잣나무와 백단목을 내게로 보내소서 내가 알거니와 당신의 종은 레바논에서 벌목을 잘하나니 내 종이 당신의 종을 도울지라
9 mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.
이와 같이 나를 위하여 재목을 많이 예비하게 하소서 내가 건축하려 하는 전은 크고 화려할 것이니이다
10 Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
내가 당신의 벌목하는 종에게 용정한 밀 이만 석과 보리 이만 석과 포도주 이만 말과 기름 이만 말을 주리이다 하였더라
11 Ary hoy Hirama, mpanjakan’ i Tyro, tamin’ ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’ i Solomona: Noho ny fitiavan’ i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
두로 왕 후람이 솔로몬에게 답장하여 가로되 여호와께서 그 백성을 사랑하시므로 당신을 세워 그 왕을 삼으셨도다
12 Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’ i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany izy.
또 가로되 천지를 지으신 이스라엘 하나님 여호와는 송축을 받으실지로다 다윗 왕에게 지혜로운 아들을 주시고 명철과 총명을 품부하시사 능히 여호와를 위하여 전을 건축하고 자기 권영을 위하여 궁궐을 건축하게 하시도다
13 Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby,
내가 이제 공교하고 총명한 사람을 보내오니 전에 내 부친 후람에게 속하였던 자라
14 zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin’ izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin’ ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin’ itompokolahy Davida rainao Izy.
이 사람은 단의 여자 중 한 여인의 아들이요 그 아비는 두로 사람이라 능히 금, 은, 동, 철과 돌과 나무와 자색 청색 홍색실과 가는 베로 일을 잘하며 또 모든 아로새기는 일에 익숙하고 모든 기묘한 식양에 능한 자니 당신의 공교한 공장과 당신의 부친 내 주 다윗의 공교한 공장과 함께 일하게 하소서
15 Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
내 주의 말씀하신 밀과 보리와 기름과 포도주는 주의 종들에게 보내소서
16 Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.
우리가 레바논에서 당신의 쓰실만큼 벌목하여 떼를 엮어 바다에 띄워 욥바로 보내리니 당신은 수운하여 예루살렘으로 올리소서 하였더라
17 Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin’ ny tanin’ ny Isiraely araka ny nanisan’ i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.
전에 솔로몬의 부친 다윗이 이스라엘 땅에 거한 이방 사람을 조사하였더니 이제 솔로몬이 다시 조사하매 모두 십오만 삼천육백 인이라
18 Ary ny fito alina tamin’ ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.
그 중에 칠만 인은 담꾼이 되게 하였고 팔만 인은 산에서 벌목하게 하였고 삼천육백 인은 감독을 삼아 백성들에게 일을 시키게 하였더라

< 2 Tantara 2 >