< 2 Tantara 12 >

1 Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’ i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra. 2 Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema, fa nivadika tamin’ i Jehovah ny mponina tany, 3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. 4 Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema. 5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’ i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’ i Sisaka. 6 Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah. 7 Ary nony hitan’ i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’ i Semaia indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin’ i Jerosalema avy amin’ ny tànan’ i Sisaka ny fahatezerako. 8 Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ ny fanjakana hafa. 9 Dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’ i Solomona. 10 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka. 11 Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon’ ny mpiambina indray. 12 Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda. 13 Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. 14 Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an’ i Jehovah. 15 Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama. 16 Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.

< 2 Tantara 12 >