< 2 Tantara 11 >

1 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
ויבא רחבעם ירושלם ויקהל את בית יהודה ובנימן מאה ושמונים אלף בחור עשה מלחמה להלחם עם ישראל להשיב את הממלכה לרחבעם׃
2 Kanjo kosa ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Semaia, lehilahin’ Andriamanitra, ka nanao hoe:
ויהי דבר יהוה אל שמעיהו איש האלהים לאמר׃
3 Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny Joda sy ny Benjamina hoe:
אמר אל רחבעם בן שלמה מלך יהודה ואל כל ישראל ביהודה ובנימן לאמר׃
4 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an’ i Jeroboama.
כה אמר יהוה לא תעלו ולא תלחמו עם אחיכם שובו איש לביתו כי מאתי נהיה הדבר הזה וישמעו את דברי יהוה וישבו מלכת אל ירבעם׃
5 Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
וישב רחבעם בירושלם ויבן ערים למצור ביהודה׃
6 Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa
ויבן את בית לחם ואת עיטם ואת תקוע׃
7 sy Beti-zora sy Soko sy Adolama
ואת בית צור ואת שוכו ואת עדלם׃
8 sy Gata sy Maresa sy Zifa
ואת גת ואת מרשה ואת זיף׃
9 sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka
ואת אדורים ואת לכיש ואת עזקה׃
10 sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’ ny Joda sy ny Benjamina.
ואת צרעה ואת אילון ואת חברון אשר ביהודה ובבנימן ערי מצרות׃
11 Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
ויחזק את המצרות ויתן בהם נגידים ואצרות מאכל ושמן ויין׃
12 Ary tamin’ ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
ובכל עיר ועיר צנות ורמחים ויחזקם להרבה מאד ויהי לו יהודה ובנימן׃
13 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin’ ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin’ ny fari-taniny avy.
והכהנים והלוים אשר בכל ישראל התיצבו עליו מכל גבולם׃
14 Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’ i Jehovah,
כי עזבו הלוים את מגרשיהם ואחזתם וילכו ליהודה ולירושלם כי הזניחם ירבעם ובניו מכהן ליהוה׃
15 fa nanendry mpisorona ho amin’ ny fitoerana avo sy ho an’ ny Seïrima ary ho an’ ny ombilahy kely izay nataony).
ויעמד לו כהנים לבמות ולשעירים ולעגלים אשר עשה׃
16 Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
ואחריהם מכל שבטי ישראל הנתנים את לבבם לבקש את יהוה אלהי ישראל באו ירושלם לזבוח ליהוה אלהי אבותיהם׃
17 Ka dia nampahery ny fanjakan’ ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’ i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida sy Solomona telo taona izy.
ויחזקו את מלכות יהודה ויאמצו את רחבעם בן שלמה לשנים שלוש כי הלכו בדרך דויד ושלמה לשנים שלוש׃
18 Ary Rehoboama naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ i Jerimota, zanak’ i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’ i Eliaba, zanak’ i Jese, ho vadiny,
ויקח לו רחבעם אשה את מחלת בן ירימות בן דויד אביהיל בת אליאב בן ישי׃
19 izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.
ותלד לו בנים את יעוש ואת שמריה ואת זהם׃
20 Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, izay niteraka an’ i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.
ואחריה לקח את מעכה בת אבשלום ותלד לו את אביה ואת עתי ואת זיזא ואת שלמית׃
21 Ary Rehoboama tia an’ Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin’ ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
ויאהב רחבעם את מעכה בת אבשלום מכל נשיו ופילגשיו כי נשים שמונה עשרה נשא ופילגשים ששים ויולד עשרים ושמונה בנים וששים בנות׃
22 Ary Abia, zanakalahin’ Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.
ויעמד לראש רחבעם את אביה בן מעכה לנגיד באחיו כי להמליכו׃
23 Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin’ ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
ויבן ויפרץ מכל בניו לכל ארצות יהודה ובנימן לכל ערי המצרות ויתן להם המזון לרב וישאל המון נשים׃

< 2 Tantara 11 >