< 1 Timoty 5 >

1 Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
Do not rebuke an elder man, but entreat him as a father, younger men as brothers,
2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ ny fahadiovana rehetra.
elder women as mothers, younger women as sisters, in all purity.
3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
Support widows, the real widows.
4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra.
But if any widow has children or grandchildren, let them first learn to be devoted to their own house, and to give back recompense to their parents, for this is acceptable in the sight of God.
5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an’ Andriamanitra ka maharitra amin’ ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman’ alina
But the real widow, and made alone, has hoped in God, and continues in entreaties and prayers night and day.
6 Fa izay vehivavy manaram-po amin’ ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
But she who is self-indulgent is dead while she lives.
7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
And command these things, so that they may be blameless.
8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
But if any man does not provide for his own, and especially those belonging his household, he has denied the faith, and is worse than an infidel.
9 Aza soratana ho isan’ ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
Let no widow be enrolled under sixty years old, having become the wife of one man,
10 ary tsara laza amin’ ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masìna, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
being testified in good works: if she has reared children, if she has been hospitable to strangers, if she has washed the feet of the sanctified, if she has relieved those who are afflicted, if she has followed every good work.
11 Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’ i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
But refuse younger widows, for when they are sexually aroused, they desire of the Christ to marry,
12 ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
which has condemnation because they have disregarded the original pledge.
13 Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’ olona ka manao teny tsy mety.
And also at the same time they learn to be idle, roving the houses, and not only idle, but also babbling and meddlesome, speaking things that they ought not.
14 Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
I desire therefore the younger women to marry, to bear children, to manage house, to give not one occasion to him who opposes on account of slander.
15 Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’ i Satana.
For some have already turned aside after Satan.
16 Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa.
If any believing man or believing woman has widows, let them relieve them, and let not the congregation be burdened, so that it may relieve the real widows.
17 Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin’ ny teny sy ny fampianarana.
Let the elders who rule well be regarded worthy of double compensation, especially those who labor in the word and in teaching.
18 Fa hoy ny Soratra Masìna: “Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary ianao” Ary koa: “Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany”.
For the scripture says thou shall not muzzle an ox that is threshing. And the workman is worthy of his wage.
19 Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
Accept no accusation against an elder, except at two or three witnesses.
20 Izay manota dia anaro eo anatrehan’ ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
Those who sin, rebuke in the sight of all, so that the others may also have fear.
21 Mananatra anao mafy aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ ny fiangarana.
I solemnly testify before God, and the Lord Jesus Christ, and the chosen agents, that thou keep these things without prejudice, doing nothing from partiality.
22 Aza malaky mametra-tanana amin’ olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
Lay hands hastily on no man, nor contribute to other sins. Keep thyself pure.
23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
No longer drink water, but use a little wine because of thy stomach and thy frequent weaknesses.
24 Ny fahotan’ ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ ny fitsarana, fa ny an’ ny sasany kosa manaraka ato aoriana.
The sins of some men are evident, leading to judgment, but also for some they follow after.
25 Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
Likewise also good works are evident, and those faring otherwise cannot be hid.

< 1 Timoty 5 >