< 1 Samoela 5 >

1 Dia nalain’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
Afilisti atalanda Bokosi la Mulungu lija, analitenga kuchoka ku Ebenezeri kupita ku Asidodi.
2 Ary nony efa azon’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon’ i Dagona izy ka napetrany teo anilany.
Kenaka anatenga Bokosi la Chipanganolo nabwera nalo ku nyumba ya Dagoni ndi kuliyika pambali pa Dagoni.
3 Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah; dia narenin’ ny olona izy ka napetrany teo amin’ ny fitoerany indray.
Anthu a ku Asidodi atadzuka mmawa mwake, anangoona Dagoni atagwa pansi chafufumimba pamaso pa Bokosi la Yehova! Iwo anatenga Dagoni ndi kumuyimika pamalo pake.
4 Ary nony ampitson’ iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah, ary tapaka teo amin’ ny tokonam-baravarana ny lohan’ i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
Koma mmawa mwakenso atadzuka, anaona Dagoni atagwa chafufumimba pamaso pa Bokosi la Yehova. Mutu wake ndi manja ake zinali zitaduka ndi kugwera pa khonde polowera, thunthu lake lokha ndilo linatsala.
5 (izany no tsy anitsahan’ ny mpisoron’ i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran’ i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
Nʼchifukwa chake mpaka lero ansembe a Dagoni kapena wina aliyense amene amalowa mʼkachisi wa Dagoni ku Asidodi saponda pa khonde.
6 Ary navesatra tamin’ ny Asdodita ny tànan’ i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin’ ny fari-taniny rehetra.
Yehova analanga koopsa anthu a ku Asidodi. Yehova anawawononga ndi kuwazunza ndi zithupsa Asidoniwa pamodzi ndi anthu a madera ozungulira.
7 Ary rehefa hitan’ ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin’ i Dagona andriamanitsika ny tànany.
Anthu a ku Asidodi ataona zimene zimachitika anati, “Bokosi la Mulungu wa Israeli lisakhale kuno chifukwa akutizunza ife pamodzi ndi mulungu wathu Dagoni.”
8 Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
Choncho anayitana atsogoleri onse a Afilisti kuti asonkhane ndipo anawafunsa kuti, “Kodi Bokosi la Mulungu wa Israeli tichite nalo chiyani?” Iwo anayankha kuti, “Bokosi la Mulungu wa Israeli lipite ku Gati.” Kotero analichotsa Bokosi la Mulungu wa Israelilo.
9 Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan’ i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
Koma atafika nalo ku Gati, Yehova analanga mzindawo, ndipo anthu anachita mantha aakulu. Iye anazunza anthu a mu mzindawo, ana ndi akulu omwe, ndi zithupsa.
10 Ary dia naterin’ ny olona nankany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
Choncho anatumiza Bokosi la Mulungu ku Ekroni. Koma Bokosi la Mulungu lija litangofika ku Ekroni, anthu a ku Ekroni analira kuti, “Abwera nalo Bokosi la Mulungu wa Israeli kwa ife kuti atiphe pamodzi ndi anthu athu.”
11 Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin’ ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan’ Andriamanitra.
Kotero iwo anayitana atsogoleri onse a Afilisti kuti asonkhane ndipo anati, “Chotsani Bokosi la Mulungu wa Israeli, libwerere ku malo ake. Tikapanda kutero lidzatipha ife ndi anthu athu.” Pakuti mu mzinda monse munali mantha aakulu kwambiri ndipo Mulungu ankawalanga kwambiri anthu a kumeneko.
12 Ary ny olona izay tsy maty dia voan’ ny vay kosa, ka ny fitarainan’ ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.
Anthu amene sanafe anavutika ndi zithupsa, ndipo kulira kwa anthu a mu mzindamo kunamveka kumwamba.

< 1 Samoela 5 >