< 1 Samoela 30 >

1 Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin’ ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an’ i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ ny afo;
Daudi na watu wake wakafika Siklagi siku ya tatu. Basi Waamaleki walikuwa wamevamia Negebu na Siklagi. Wakawa wameshambulia mji wa Siklagi na kuuteketeza kwa moto,
2 ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
nao wakawa wamewachukua mateka wanawake pamoja na wote waliokuwamo humo, vijana na wazee. Hawakuua yeyote, bali waliwachukua wakaenda zao.
3 Ary Davida sy ny olony tonga tao amin’ ny tanàna, ary, indro, efa levon’ ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
Daudi na watu wake walipofika Siklagi, wakakuta mji umeangamizwa kwa moto na wake zao pamoja na wana wao na binti zao wamechukuliwa mateka.
4 Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
Hivyo Daudi na watu wake wakapiga yowe mpaka wakaishiwa na nguvu za kulia.
5 Ary voababo koa izy roa vavy vadin’ i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
Wake wawili wa Daudi walikuwa wametekwa: yaani Ahinoamu wa Yezreeli, na Abigaili, mjane wa Nabali wa Karmeli.
6 Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’ i Jehovah Andriamaniny.
Daudi alihuzunika sana kwa sababu watu walikuwa wakisemezana juu ya kumpiga kwa mawe. Kila mmoja alikuwa na uchungu rohoni kwa sababu ya wanawe na binti zake. Lakini Daudi akajitia nguvu katika Bwana, Mungu wake.
7 Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara mpisorona, zanak’ i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin’ i Abiatara teo amin’ i Davida ny efoda.
Kisha Daudi akamwambia kuhani Abiathari mwana wa Ahimeleki, “Niletee kisibau.” Abiathari akamletea,
8 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
naye Daudi akamuuliza Bwana, “Je, nifuatie kundi hili la wavamizi? Je, nitawapata?” Bwana akajibu, “Wafuatie. Hakika utawapata na utafanikiwa kuwaokoa.”
9 Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin’ ny renirano Besora, ary teo no nijanonan’ ny sasany.
Daudi pamoja na watu wake 600 wakafika kwenye Bonde la Besori, mahali ambapo wengine waliachwa nyuma,
10 Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
kwa kuwa watu 200 walikuwa wamechoka sana kuweza kuvuka hilo bonde. Lakini Daudi pamoja na watu 400 wakaendelea kufuatia.
11 Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin’ i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
Wakamkuta Mmisri katika shamba fulani, nao wakamleta kwa Daudi. Wakampa huyo Mmisri maji ya kunywa na chakula;
12 Ary nomeny ampempan’ aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan’ andro sy hateloan’ alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
kipande cha andazi la tini na andazi la zabibu zilizokaushwa. Akala naye akapata nguvu, kwa kuwa hakuwa amekula chakula chochote wala kunywa maji kwa siku tatu usiku na mchana.
13 Ary hoy Davida taminy: An’ iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon’ ny Amalekita anankiray, aho; ary narian’ ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
Daudi akamuuliza, “Wewe ni wa nani, na umetoka wapi?” Akajibu, “Mimi ni Mmisri, mtumwa wa Mwamaleki. Bwana wangu alinitelekeza nilipougua siku tatu zilizopita.
14 Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an’ ny Keretita sy ny an’ i Joda ary ny tany atsimo izay an’ i Kaleba ary nandoro an’ i Ziklaga tamin’ ny afo.
Tulivamia Negebu ya Wakerethi, na nchi ya Yuda, na Negebu ya Kalebu. Nasi tulichoma moto Siklagi.”
15 Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midìna ho amin’ izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’ Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan’ ny tompoko, dia hitondra anao midìna ho amin’ izany jirika izany aho.
Daudi akamuuliza, “Je, unaweza kuniongoza kufikia kundi hili la uvamizi?” Akajibu, “Niapie mbele ya Mungu kwamba hutaniua wala kunikabidhi mikononi mwa bwana wangu, nami nitakupeleka hadi waliko.”
16 Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran’ ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben’ ny babo rehetra izay azony tamin’ ny tanin’ ny Filistina sy ny tanin’ ny Joda.
Akamwongoza Daudi mpaka mahali walipokuwa, nao walikuwa wametawanyika eneo lote, wakila, wakinywa na wakifanya karamu kwa sababu ya nyara nyingi walizochukua kutoka nchi ya Wafilisti na kutoka Yuda.
17 Ary Davida namely azy tamin’ iny takariva iny ka hatramin’ ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
Daudi akapigana nao kuanzia machweo ya jua hadi kesho yake jioni, na hakuna yeyote miongoni mwao aliyetoroka, isipokuwa vijana wanaume 400 waliopanda ngamia na kutoroka.
18 Dia rarak’ i Davida izay rehetra efa nobaboin’ ny Amalekita; ary dia azon’ i Davida koa ny vadiny roa.
Daudi akarudisha kila kitu Waamaleki walikuwa wamechukua, pamoja na wake zake wawili.
19 Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin’ izay nobaboin’ ireny; izany rehetra izany dia azon’ i Davida avokoa.
Hakuna chochote kilichopotea: kijana au mzee, mvulana au msichana, nyara au kitu kingine chochote walichokuwa wamechukua. Daudi akarudisha kila kitu.
20 Ary Davida naka ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon’ i Davida.
Akachukua makundi yote ya kondoo, mbuzi na ngʼombe, nao watu wake wakawaswaga wanyama hao mbele ya wanyama wengine wa kufugwa, wakisema, “Hizi ni nyara za Daudi.”
21 Ary Davida tonga teo amin’ ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin’ ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an’ i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin’ ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
Kisha Daudi akafika kwa wale watu 200 waliokuwa wamechoka sana kumfuata na ambao waliachwa nyuma kwenye Bonde la Besori. Wakatoka kwenda kumlaki Daudi na wale watu aliokuwa nao. Daudi na watu wake walipowakaribia, akawasalimu.
22 Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an’ i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
Lakini watu wote waovu na wakorofi miongoni mwa wafuasi wa Daudi wakasema, “Kwa sababu hawakwenda pamoja nasi, hatutagawana nao nyara tulizorudisha. Lakini, kila mtu aweza kuchukua mkewe na watoto wake na kuondoka.”
23 Fa hoy Davida: Aza manao izany amin’ izay nomen’ i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
Daudi akajibu, “La hasha, ndugu zangu, kamwe hamwezi kufanya hivyo kwa kile ambacho Bwana ametupatia. Yeye ametulinda na kuweka mikononi mwetu majeshi yale yaliyokuja kupigana dhidi yetu.
24 Koa iza no hanaiky anareo amin’ izany? Fa tahaka ny anjaran’ izay nidina hiady ihany no ho anjaran’ izay nitoetra tamin’ ny entana: hiara-misalahy izy.
Ni nani atasikiliza yale mnayosema? Fungu la mtu aliyekaa na vyombo litakuwa sawa na la yule aliyekwenda vitani. Wote watashiriki sawa.”
25 Dia izany no fanao hatramin’ izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin’ ny Isiraely izany ambaraka androany.
Daudi akafanya hili liwe amri na agizo kwa Israeli kutoka siku ile hata leo.
26 Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an’ ny loholon’ ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin’ ny babo azo tamin’ ny fahavalon’ i Jehovah,
Daudi alipofika Siklagi, akatuma baadhi ya nyara kwa wazee wa Yuda, waliokuwa rafiki zake, akasema, “Tazama, hapa kuna zawadi kwa ajili yenu kutoka nyara za adui za Bwana.”
27 dia ho an’ izay ao Betela sy izay any Ramata amin’ ny tany atsimo sy ho an’ izay ao Jatira
Akazituma kwa wale waliokuwa Betheli, Ramoth-Negebu na Yatiri;
28 sy ho an’ izay ao Aroera sy ho an’ izay ao Sifmota sy ho an’ izay ao Estemoa
kwa wale walioko Aroeri, Sifmothi, Eshtemoa
29 sy ho an’ izay ao Rakala sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Jeramelita sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Kenita
na Rakali; kwa wale waliokuwa katika miji ya Wayerameeli na ya Wakeni;
30 sy ho an’ izay ao Horma sy ho an’ izay ao Korasana sy ho an’ izay ao Ataka
na kwa wale walioko Horma, Bori-Ashani, Athaki,
31 sy ho an’ izay ao Hebrona ary ho an’ izay any amin’ ny tany rehetra nandehandehanan’ i Davida sy ny olony.
na kwa wakazi wa Hebroni; na kwa wale waliokuwa mahali pengine pote ambako Daudi na watu wake walitembelea.

< 1 Samoela 30 >