< 1 Samoela 30 >

1 Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin’ ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an’ i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ ny afo;
It happened, when David and his men had come to Ziklag on the third day, that Amalek had made a raid on the Negev, and on Ziklag, and had struck Ziklag, and burned it with fire,
2 ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
and had taken captive the women and all who were in it, both small and great. They did not kill any, but carried them off, and went their way.
3 Ary Davida sy ny olony tonga tao amin’ ny tanàna, ary, indro, efa levon’ ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
When David and his men came to the city, look, it was burned with fire; and their wives, and their sons, and their daughters, were taken captive.
4 Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
Then David and the people who were with him lifted up their voice and wept, until they had no more power to weep.
5 Ary voababo koa izy roa vavy vadin’ i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
David's two wives were taken captive, Ahinoam the Jezreelite and Abigail the wife of Nabal the Carmelite.
6 Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’ i Jehovah Andriamaniny.
David was greatly distressed; for the people spoke of stoning him, because the soul of all the people was grieved, every man for his sons and for his daughters: but David strengthened himself in YHWH his God.
7 Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara mpisorona, zanak’ i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin’ i Abiatara teo amin’ i Davida ny efoda.
David said to Abiathar the priest, the son of Ahimelech, "Please bring me here the ephod." Abiathar brought the ephod to David.
8 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
David inquired of YHWH, saying, "If I pursue after this troop, shall I overtake them?" He answered him, "Pursue; for you shall surely overtake them, and shall without fail recover all."
9 Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin’ ny renirano Besora, ary teo no nijanonan’ ny sasany.
So David went, he and the six hundred men who were with him, and came to the Wadi Besor, where those who were left behind stayed.
10 Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
But David pursued, he and four hundred men; for two hundred stayed behind, who were so faint that they couldn't cross the Wadi Besor.
11 Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin’ i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
They found an Egyptian in the field, and brought him to David, and gave him bread, and he ate; and they gave him water to drink.
12 Ary nomeny ampempan’ aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan’ andro sy hateloan’ alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
They gave him a piece of a cake of figs, and two clusters of raisins. When he had eaten, his spirit came again to him; for he had eaten no bread, nor drunk any water, three days and three nights.
13 Ary hoy Davida taminy: An’ iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon’ ny Amalekita anankiray, aho; ary narian’ ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
David asked him, "To whom do you belong? Where are you from?" He said, "I am a young man of Egypt, servant to an Amalekite; and my master left me, because three days ago I fell sick.
14 Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an’ ny Keretita sy ny an’ i Joda ary ny tany atsimo izay an’ i Kaleba ary nandoro an’ i Ziklaga tamin’ ny afo.
We made a raid on the Negev of the Kerethites, and on that which belongs to Judah, and on the Negev of Caleb; and we burned Ziklag with fire."
15 Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midìna ho amin’ izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’ Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan’ ny tompoko, dia hitondra anao midìna ho amin’ izany jirika izany aho.
David said to him, "Will you bring me down to this troop?" He said, "Swear to me by God that you will neither kill me, nor deliver me up into the hands of my master, and I will bring you down to this troop." And he swore to him.
16 Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran’ ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben’ ny babo rehetra izay azony tamin’ ny tanin’ ny Filistina sy ny tanin’ ny Joda.
When he had brought him down, look, they were spread around over all the ground, eating, drinking, and dancing, because of all the great spoil that they had taken out of the land of the Philistines, and out of the land of Judah.
17 Ary Davida namely azy tamin’ iny takariva iny ka hatramin’ ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
David struck them from the twilight even to the evening of the next day and he put them to death. Not a man of them escaped from there, except four hundred young men, who rode on camels and fled.
18 Dia rarak’ i Davida izay rehetra efa nobaboin’ ny Amalekita; ary dia azon’ i Davida koa ny vadiny roa.
He recovered all that the Amalekites had taken; and David rescued his two wives.
19 Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin’ izay nobaboin’ ireny; izany rehetra izany dia azon’ i Davida avokoa.
There was nothing lacking to them, neither small nor great, neither sons nor daughters, neither spoil, nor anything that they had taken to them. David brought back all.
20 Ary Davida naka ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon’ i Davida.
He took all the flocks and the herds, which they drove before those other livestock, and said, "This is David's spoil."
21 Ary Davida tonga teo amin’ ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin’ ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an’ i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin’ ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
David came to the two hundred men, who were so faint that they could not follow David, whom he also had made to stay at the Wadi Besor; and they went forth to meet David, and to meet the people who were with him. And when David came near to the people, he greeted them.
22 Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an’ i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
Then every wicked and worthless one of the men who had gone with David answered, and they said, "Because they did not go with us, we will not give them anything of the spoil that we have recovered, except to each man his wife and his children. And let them take them, and depart."
23 Fa hoy Davida: Aza manao izany amin’ izay nomen’ i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
Then David said, "You shall not do so after what YHWH has given to us, who has preserved us, and delivered into our hand the raiding party that came against us.
24 Koa iza no hanaiky anareo amin’ izany? Fa tahaka ny anjaran’ izay nidina hiady ihany no ho anjaran’ izay nitoetra tamin’ ny entana: hiara-misalahy izy.
So who will listen to you in this matter? For they are not inferior to you. For as his share is who goes down to the battle, so will his share be who remains with the supplies; they will share alike."
25 Dia izany no fanao hatramin’ izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin’ ny Isiraely izany ambaraka androany.
It was so from that day forward, that he made it a statute and an ordinance for Israel to this day.
26 Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an’ ny loholon’ ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin’ ny babo azo tamin’ ny fahavalon’ i Jehovah,
When David came to Ziklag, he sent of the spoil to the elders of Judah and to his friends, saying, "Look, a present for you of the spoil of the enemies of YHWH."
27 dia ho an’ izay ao Betela sy izay any Ramata amin’ ny tany atsimo sy ho an’ izay ao Jatira
He sent it to those who were in Bethel, and to those who were in Ramath Negev, and to those who were in Jattir,
28 sy ho an’ izay ao Aroera sy ho an’ izay ao Sifmota sy ho an’ izay ao Estemoa
and to those who were in Aroer, and to those who were in Siphmoth, and to those who were in Eshtemoa,
29 sy ho an’ izay ao Rakala sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Jeramelita sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Kenita
and to those who were in Racal, and to those who were in the cities of the Jerahmeelites, and to those who were in the cities of the Kenizzites.
30 sy ho an’ izay ao Horma sy ho an’ izay ao Korasana sy ho an’ izay ao Ataka
and to those who were in Hormah, and to those who were in Bor Ashan, and to those who were in Athach,
31 sy ho an’ izay ao Hebrona ary ho an’ izay any amin’ ny tany rehetra nandehandehanan’ i Davida sy ny olony.
and to those who were in Hebron, and to all the places where David himself and his men used to stay.

< 1 Samoela 30 >