< 1 Samoela 27 >

1 Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin’ ny tànan’ i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ ny tanin’ ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran’ ny tanin’ ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin’ ny tànany aho.
大衛心裏說:「必有一日我死在掃羅手裏,不如逃奔非利士地去。掃羅見我不在以色列的境內,就必絕望,不再尋索我;這樣我可以脫離他的手。」
2 Ary niainga Davida nandeha mbamin’ ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin’ i Akisy, zanak’ i Maoka, mpanjakan’ i Gata.
於是大衛起身,和跟隨他的六百人投奔迦特王-瑪俄的兒子亞吉去了。
3 Ary nitoetra tao amin’ i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban’ ny ankohonany avy, ary Davida mbamin’ ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin’ i Nabala.
大衛和他的兩個妻,就是耶斯列人亞希暖和作過拿八妻的迦密人亞比該,並跟隨他的人,連各人的眷屬,都住在迦特的亞吉那裏。
4 Ary nambara tamin’ i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
有人告訴掃羅說:「大衛逃到迦特。」掃羅就不再尋索他了。
5 Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin’ ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin’ ny renivohitry ny fanjakana?
大衛對亞吉說:「我若在你眼前蒙恩,求你在京外的城邑中賜我一個地方居住。僕人何必與王同住京都呢?」
6 Dia nomen’ i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an’ ny mpanjakan’ ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
當日亞吉將洗革拉賜給他,因此洗革拉屬猶大王,直到今日。
7 Ary ny andro nitoeran’ i Davida tany amin’ ny tanin’ ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
大衛在非利士地住了一年零四個月。
8 Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin’ ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin’ i Sora, hatramin’ ny tany Egypta.
大衛和跟隨他的人上去,侵奪基述人、基色人、亞瑪力人之地。這幾族歷來住在那地,從書珥直到埃及。
9 Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman’ osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin’ i Akisy.
大衛擊殺那地的人,無論男女都沒有留下一個,又奪獲牛、羊、駱駝、驢,並衣服,回來見亞吉。
10 Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an’ i Joda sy izay an’ ny Jeramelita ary izay an’ ny Kenita izahay.
亞吉說:「你們今日侵奪了甚麼地方呢?」大衛說:「侵奪了猶大的南方、耶拉篾的南方、基尼的南方。」
11 Ary tsy nisy novelomin’ i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon’ i Davida, ary toy izany no fanaony tamin’ ny andro rehetra nitoerany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
無論男女,大衛沒有留下一個帶到迦特來。他說:「恐怕他們將我們的事告訴人,說大衛住在非利士地的時候常常這樣行。」
12 Ary Akisy nino an’ i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin’ ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.
亞吉信了大衛,心裏說:「大衛使本族以色列人憎惡他,所以他必永遠作我的僕人了。」

< 1 Samoela 27 >