< 1 Samoela 24 >

1 Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr’ i En-jedy.
Et quand Saül fut revenu de la poursuite des Philistins, on lui fit ce rapport, en disant: Voilà David qui est au désert d'En-Guédi.
2 Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an’ i Davida sy ny olony tany amin’ ny vatolampin’ ny osi-dia.
Alors Saül prit trois mille hommes, choisis de tout Israël, et s'en alla chercher David et ses gens, jusque sur les rochers des chamois.
3 Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.
Et il vint aux parcs des brebis, auprès du chemin, et il y avait là une caverne, dans laquelle Saül entra pour ses nécessités; et David et ses gens se tenaient au fond de la caverne.
4 Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: Izao no andro nolazain’ i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly.
Et les gens de David lui dirent: Voici le jour dont l'Éternel t'a dit: Je livre ton ennemi entre tes mains; tu lui feras comme il te semblera bon. Et David se leva et coupa tout doucement le pan du manteau de Saül.
5 Nefa nony efa vita izany, dia namely an’ i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly,
Mais, après cela, David fut ému en son cœur de ce qu'il avait coupé le pan du manteau de Saül,
6 ka hoy izy tamin’ ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ ny tompoko izay voahosotr’ i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
Et il dit à ses gens: Que l'Éternel me garde de commettre contre mon seigneur, contre l'oint de l'Éternel, une action telle que de porter ma main sur lui! car il est l'oint de l'Éternel.
7 Dia nampijanona ny mpanompony tamin’ izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an’ i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin’ izay nalehany.
Et David arrêta ses gens par ces paroles, et il ne leur permit point de s'élever contre Saül. Puis Saül se leva de la caverne, et continua son chemin.
8 Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an’ i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin’ ny tany Davida ka niankohoka.
Après cela, David se leva, et sortit de la caverne, et cria après Saül, en disant: Mon seigneur et mon roi! Et Saül regarda derrière lui, et David s'inclina, le visage contre terre, et se prosterna.
9 Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan’ olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
Et David dit à Saül: Pourquoi écoutes-tu les paroles de gens qui disent: Voilà David qui cherche ta perte?
10 Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
Voici, tes yeux ont vu, en ce jour, que l'Éternel t'avait livré aujourd'hui entre mes mains, dans la caverne, et l'on m'a dit de te tuer; mais je t'ai épargné, et j'ai dit: Je ne porterai point la main sur mon seigneur; car il est l'oint de l'Éternel.
11 Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin’ ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin’ ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
Regarde, mon père, regarde le pan de ton manteau que j'ai à la main; puisque j'ai coupé le pan de ton manteau, et que je ne t'ai pas tué, sache et reconnais qu'il n'y a point de mal ni d'injustice en moi, et que je n'ai point péché contre toi; et toi tu épies ma vie pour me l'ôter!
12 Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
L'Éternel sera juge entre moi et toi, et l'Éternel me vengera de toi; mais ma main ne sera point sur toi.
13 Araka ny lazain’ ny ohabolan’ ny ntaolo hoe: Avy amin’ ny ratsy fanahy no ivoahan’ ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
Le mal vient des méchants, comme dit le proverbe des anciens; aussi ma main ne sera point sur toi.
14 Hitady an’ iza no nivoahan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
Après qui est sorti le roi d'Israël? Qui poursuis-tu? Un chien mort, une puce!
15 Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin’ ny tananao.
L'Éternel donc sera juge; il jugera entre moi et toi; il regardera, et plaidera ma cause, et me rendra justice, en me délivrant de ta main.
16 Ary nony vita izany teny nataon’ i Davida tamin’ i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
Or, dès que David eut achevé de dire ces paroles à Saül, Saül dit: Est-ce bien ta voix, mon fils David? Et Saül éleva la voix, et pleura.
17 ary hoy izy tamin’ i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
Et il dit à David: Tu es plus juste que moi; car tu m'as rendu le bien pour le mal que je t'ai fait;
18 Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr’ i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
Et tu as montré aujourd'hui que tu agis bien à mon égard; car l'Éternel m'avait livré entre tes mains, et tu ne m'as point tué.
19 Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian’ i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
Or, quand un homme trouve son ennemi, le laisse-t-il aller sain et sauf? Que l'Éternel te rende du bien pour ce que tu m'as fait aujourd'hui!
20 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan’ ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
Et maintenant, voici, je sais que certainement tu régneras, et que le royaume d'Israël sera ferme entre tes mains.
21 Koa mianiàna amiko amin’ i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin’ ny mpianakavin’ ny raiko ny anarako.
Jure-moi donc maintenant, par l'Éternel, que tu ne détruiras point ma race après moi, et que tu n'extermineras point mon nom de la maison de mon père.
22 Ary Davida dia nianiana tamin’ i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin’ ny batery fiarovana.
Et David le jura à Saül. Alors Saül s'en alla en sa maison, et David et ses gens montèrent au lieu fort.

< 1 Samoela 24 >