< 1 Samoela 22 >

1 Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin’ ny zohin’ i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
Or, David partit de là, et se sauva dans la caverne d'Adullam; et ses frères et toute la maison de son père l'apprirent, et descendirent là vers lui.
2 Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.
Et tous ceux aussi qui étaient mal dans leurs affaires, et tous ceux qui avaient des créanciers, et tous ceux qui avaient le cœur plein d'amertume, s'assemblèrent vers lui, et il fut leur chef; il y eut ainsi avec lui environ quatre cents hommes.
3 Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin’ ny mpanjakan’ i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon’ Andriamanitra amiko.
Puis David s'en alla de là à Mitspé de Moab. Et il dit au roi de Moab: Je te prie, que mon père et ma mère se retirent chez vous, jusqu'à ce que je sache ce que Dieu fera de moi.
4 Ary dia nentiny ho eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin’ ny andro rehetra nitoeran’ i Davida tao amin’ ny batery fiarovana.
Et il les amena devant le roi de Moab, et ils demeurèrent avec lui tout le temps que David fut dans cette forteresse.
5 Ary hoy Gada mpaminany tamin’ i Davida: Aza mitoetra ao amin’ ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an’ ala Hareta.
Or, Gad, le prophète, dit à David: Ne demeure point dans cette forteresse; va-t'en, et entre au pays de Juda. David s'en alla donc, et vint dans la forêt de Héreth.
6 Ary ren’ i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin’ ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin’ izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
Et Saül apprit qu'on avait découvert David, et les gens qui étaient avec lui. Or, Saül était assis sous un tamarin sur la hauteur, à Guibea, sa lance à la main; et tous ses serviteurs se tenaient devant lui.
7 dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak’ i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen’ ny zanak’ i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
Et Saül dit à ses serviteurs, qui se tenaient devant lui: Écoutez, Benjamites; le fils d'Isaï vous donnera-t-il, à tous, des champs et des vignes? vous établira-t-il tous chefs de milliers et de centaines?
8 no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin’ ny zanak’ i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
Que vous ayez tous conspiré contre moi, et que nul ne m'avertisse que mon fils a fait alliance avec le fils d'Isaï, et que personne de vous ne soit touché de mon état, et ne m'avertisse que mon fils a soulevé mon serviteur contre moi, pour me dresser des embûches, comme il le fait aujourd'hui.
9 Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon’ i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak’ i Jese tonga tany Noba aho tany amin’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba.
Alors Doëg, l'Iduméen, qui était le chef des serviteurs de Saül, répondit et dit: J'ai vu le fils d'Isaï venir à Nob, vers Achimélec, fils d'Achitub,
10 Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin’ i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr’ i Goliata Filistina.
Qui a consulté l'Éternel pour lui, et lui a donné des vivres; il lui a aussi donné l'épée de Goliath, le Philistin.
11 Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an’ i Ahimeleka mpisorona, zanak’ i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin’ ny mpanjaka izy rehetra.
Alors le roi envoya appeler Achimélec, fils d'Achitub, le sacrificateur, et toute la famille de son père, les sacrificateurs qui étaient à Nob; et ils vinrent tous vers le roi.
12 Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak’ i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.
Et Saül dit: Écoute, fils d'Achitub. Et il répondit: Me voici, mon seigneur.
13 Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak’ i Jese, tamin’ ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’ Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
Alors Saül lui dit: Pourquoi avez-vous conspiré contre moi, toi et le fils d'Isaï, quand tu lui as donné du pain et une épée, et que tu as consulté Dieu pour lui, afin qu'il s'élevât contre moi, pour me dresser des embûches, comme il le fait aujourd'hui?
14 Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin’ ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an’ i Davida, izay vinanton’ ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?
Et Achimélec répondit au roi, et dit: Et qui donc, entre tous tes serviteurs, est aussi fidèle que David, gendre du roi, qui est parti sur ton ordre, et qui est honoré dans ta maison?
15 Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin’ Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin’ izany rehetra izany, na kely na be.
Ai-je commencé aujourd'hui à consulter Dieu pour lui? Loin de moi cette pensée! Que le roi n'impute rien à son serviteur, ni à toute la maison de mon père; car ton serviteur ne sait de tout ceci aucune chose, ni petite ni grande.
16 Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra.
Et le roi dit: Certainement, tu mourras, Achimélec, toi et toute la famille de ton père!
17 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodìna, ka vonoy ny mpisoron’ i Jehovah; fa ny tànan’ ireo koa momba an’ i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron’ i Jehovah.
Alors le roi dit aux archers qui se tenaient devant lui: Tournez-vous, et faites mourir les sacrificateurs de l'Éternel; parce qu'ils ont aussi prêté la main à David, qu'ils ont bien su qu'il s'enfuyait, et ne m'en ont point averti. Mais les serviteurs du roi ne voulurent point porter la main ni se jeter sur les sacrificateurs de l'Éternel.
18 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Doega: Mihodìna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
Alors le roi dit à Doëg: Tourne-toi, et jette-toi sur les sacrificateurs. Et Doëg, l'Iduméen, se tourna, et se jeta sur les sacrificateurs, et tua, en ce jour-là, quatre-vingt-cinq hommes portant l'éphod de lin;
19 Dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan’ ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman’ osy.
Et il fit passer Nob, ville des sacrificateurs, au fil de l'épée, les hommes et les femmes, les enfants et les nourrissons; les bœufs aussi, les ânes, et le menu bétail, au fil de l'épée.
20 Ary ny anankiray tamin’ ny zanak’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an’ i Davida.
Toutefois, un des fils d'Achi-mélec, fils d'Achitub, qui s'appelait Abiathar, se sauva et s'enfuit auprès de David.
21 Ary Abiatara nanambara tamin’ i Davida ny namonoan’ i Saoly ny mpisoron’ i Jehovah.
Et Abiathar rapporta à David, que Saül avait tué les sacrificateurs de l'Éternel.
22 Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara: Fantatro androtr’ iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin’ i Saoly tokoa; koa izaho no anton’ ny nahafaty ny olona rehetra tamin’ ny tarana-drainao.
Et David dit à Abiathar: Je compris bien, ce jour-là, puisque Doëg, l'Iduméen, s'y trouvait, qu'il ne manquerait point de le rapporter à Saül. Je suis cause de la mort de toutes les personnes de la famille de ton père;
23 Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.
Demeure avec moi; ne crains rien; car celui qui cherche ma vie, cherche la tienne; tu seras bien gardé avec moi.

< 1 Samoela 22 >