< 1 Samoela 2 >

1 Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin’ i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin’ i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin’ ny famonjenao aho.
Alors Anne pria, et dit: Mon cœur s'est réjoui en l'Éternel; ma force a été relevée par l'Éternel; ma bouche s'est ouverte contre mes ennemis; car je me suis réjouie de ton salut.
2 Tsy misy masìna tahaka an’ i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an’ Andriamanitsika.
Nul n'est saint comme l'Éternel; car il n'en est point d'autre que toi, et il n'y a point de rocher comme notre Dieu.
3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
Ne proférez pas tant de paroles hautaines; que des paroles arrogantes ne sortent pas de votre bouche; car l'Éternel est le Dieu fort qui sait toutes choses; et c'est par lui que les actions sont pesées.
4 Tapaka ny tsipìkan’ ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
L'arc des puissants est brisé, et ceux qui chancelaient ont été ceints de force.
5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.
Ceux qui étaient rassasiés se louent pour du pain, et les affamés ont cessé de l'être. La stérile même en a enfanté sept, et celle qui avait beaucoup de fils est dans la langueur.
6 Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana. (Sheol h7585)
L'Éternel fait mourir et fait vivre; il fait descendre au Sépulcre, et il en fait remonter. (Sheol h7585)
7 Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
L'Éternel appauvrit et enrichit, il abaisse et il élève;
8 Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’ i Jehovah ny andrin’ ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
Il relève le pauvre de la poussière, il tire l'indigent du fumier, pour les faire asseoir avec les princes; et il leur donne en héritage un trône de gloire; car les colonnes de la terre sont à l'Éternel, et il a posé le monde sur elles.
9 Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin’ ny maizina; fa tsy amin’ ny hery no handresen’ ny olona.
Il gardera les pieds de ses bien-aimés, mais les méchants périront dans les ténèbres; car l'homme ne prévaudra point par sa force.
10 Ho torotoro izay miady amin’ i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.
Les adversaires de l'Éternel seront brisés; des cieux il tonnera sur eux; l'Éternel jugera les extrémités de la terre; il donnera la force à son Roi, et il élèvera la corne de son Oint.
11 Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin’ i Jehovah teo anatrehan’ i Ely mpisorona.
Et Elkana s'en alla à Rama en sa maison; mais l'enfant resta au service de l'Éternel, en présence d'Héli, le sacrificateur.
12 Ary ny zanakalahin’ i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an’ i Jehovah.
Or, les fils d'Héli étaient des scélérats; ils ne connaissaient point l'Éternel.
13 Ary izao no fanaon’ ny mpisorona tamin’ ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,
Et voici la coutume de ces sacrificateurs à l'égard du peuple: Quand quelqu'un faisait un sacrifice, le garçon du sacrificateur venait, lorsqu'on faisait bouillir la chair, ayant en sa main la fourchette à trois dents;
14 dia natsindrony tao anatin’ ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin’ ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon’ ny fitrebika tao dia nalain’ ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin’ ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
Et il piquait dans la chaudière, ou dans le chaudron, ou dans la marmite, ou dans le pot. Le sacrificateur prenait pour lui tout ce que la fourchette enlevait. C'est ainsi qu'ils faisaient à tous ceux d'Israël qui venaient là, à Silo.
15 Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona ka nanao tamin’ izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
Même avant qu'on fît fumer la graisse, le garçon du sacrificateur venait, et disait à l'homme qui sacrifiait: Donne de la chair à rôtir pour le sacrificateur; car il ne prendra point de toi de la chair bouillie, mais de la chair crue.
16 Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin’ izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
Que si l'homme lui répondait: On va faire fumer la graisse; après cela, prends-en tant que tu voudras; alors il disait: Non! Tu en donneras maintenant; sinon j'en prendrai de force.
17 Ka dia lehibe indrindra ny helok’ ireo zatovo ireo teo anatrehan’ i Jehovah, satria halan’ ny olona ny fanatitra ho an’ i Jehovah.
Et le péché de ces jeunes gens était très grand devant l'Éternel; car les hommes méprisaient l'oblation de l'Éternel.
18 Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
Or, Samuel, enfant, ceint d'un éphod de lin, servait en présence de l'Éternel.
19 Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona. Koa raha niakatra tamin’ ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
Et sa mère lui faisait un petit manteau, qu'elle lui apportait tous les ans, quand elle montait avec son mari pour offrir le sacrifice annuel.
20 Ary Ely nitso-drano an’ i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen’ i Jehovah zaza amin’ ity vehivavy ity anie ianao ho solon’ ilay voatolotra ho an’ i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
Et Héli bénit Elkana et sa femme, et dit: Que l'Éternel te fasse avoir des enfants de cette femme, pour le prêt qu'elle a fait à l'Éternel! Et ils s'en retournèrent chez eux.
21 Ary Jehovah namangy an’ i Hana, ka dia nanan’ anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan’ i Jehovah.
Et l'Éternel visita Anne, qui conçut et enfanta trois fils et deux filles. Et le jeune Samuel grandissait auprès de l'Éternel.
22 Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon’ ny zananilahy tamin’ ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin’ ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Or Héli était très vieux, et il apprit tout ce que faisaient ses fils à tout Israël, et comment ils couchaient avec les femmes qui s'assemblaient à la porte du tabernacle d'assignation.
23 Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin’ izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.
Et il leur dit: Pourquoi faites-vous de telles choses? car j'apprends de tout le peuple vos méchantes actions;
24 Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon’ i Jehovah ianareo.
Ne faites pas ainsi, mes fils; la rumeur que j'entends n'est pas bonne; vous faites transgresser le peuple de l'Éternel.
25 Raha misy olona manota amin’ olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin’ i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak’ i Jehovah ny hahafaty azy.
Si un homme pèche contre un autre homme, Dieu le jugera; mais si quelqu'un pèche contre l'Éternel, qui interviendra pour lui? Mais ils n'obéirent point à la voix de leur père, car l'Éternel voulait les faire mourir.
26 Ary Samoela zaza nitombo, sady tian’ i Jehovah sy ny olona koa izy.
Cependant le jeune Samuel allait croissant, et il était agréable à l'Éternel et aux hommes.
27 Ary nisy lehilahin’ Andriamanitra nankany amin’ i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin’ ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon’ i Farao izy?
Or, un homme de Dieu vint vers Héli, et lui dit: Ainsi a dit l'Éternel: Ne me suis-je pas manifesté à la maison de ton père, quand ils étaient en Égypte, dans la maison de Pharaon?
28 Eny, nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin’ ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an’ ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny afo.
Et je l'ai choisi, d'entre toutes les tribus d'Israël, pour être mon sacrificateur, pour offrir sur mon autel, pour faire fumer les parfums, et porter l'éphod devant moi; et j'ai donné à la maison de ton père toutes les oblations des enfants d'Israël, faites par le feu.
29 Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin’ ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin’ izay tsara indrindra amin’ ny fanatitra rehetra aterin’ ny Isiraely oloko?
Pourquoi avez-vous foulé aux pieds mon sacrifice et mon oblation, que j'ai commandé de faire dans ma demeure? Et pourquoi as-tu honoré tes fils plus que moi, pour vous engraisser du meilleur de toutes les offrandes d'Israël, mon peuple?
30 Koa izany no anaovan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
C'est pourquoi, l'Éternel, le Dieu d'Israël, dit: J'avais dit que ta maison et la maison de ton père marcheraient devant moi à jamais; mais maintenant, l'Éternel dit: Loin de moi cette pensée! car j'honorerai ceux qui m'honorent, mais ceux qui me méprisent seront méprisés.
31 Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ ny taranakao.
Voici, les jours viennent que je couperai ton bras, et le bras de la maison de ton père, en sorte qu'il n'y aura point de vieillard dans ta maison;
32 Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an’ ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin’ ny taranakao mandrakizay.
Et tu verras un ennemi dans ma demeure, pendant que Dieu enverra toute sorte de biens en Israël, et il n'y aura plus jamais de vieillard en ta maison.
33 Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan’ ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.
Et celui des tiens que je n'aurai point retranché d'auprès de mon autel, sera pour consumer tes yeux et tourmenter ton âme; et tous les enfants de ta maison mourront à la fleur de leur âge.
34 Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.
Et ce qui arrivera à tes deux fils, à Hophni et Phinées, te servira de signe; ils mourront tous deux le même jour.
35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan’ ny voahosotro mandrakizay izy.
Et je m'établirai un sacrificateur fidèle; il agira selon mon cœur et selon mon âme; je lui bâtirai une maison stable, et il marchera toujours devant mon Oint.
36 Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan’ ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
Et quiconque sera demeuré de reste de ta maison, viendra se prosterner devant lui, pour avoir une pièce d'argent et un morceau de pain, et lui dira: Fais-moi entrer, je te prie, dans une des charges du sacerdoce, pour manger un morceau de pain.

< 1 Samoela 2 >