< 1 Samoela 19 >

1 Ary Saoly niresaka tamin’ i Jonatana zanany sy tamin’ ny mpanompony rehetra ny amin’ izay hahafaty an’ i Davida. Fa Jonatana, zanak’ i Saoly, kosa tia dia tia an’ i Davida.
شائول به پسر خود یوناتان و همهٔ افرادش گفت که قصد دارد داوود را بکشد. اما یوناتان به خاطر محبتی که به داوود داشت او را از قصد پدرش آگاه ساخت و گفت: «فردا صبح مواظب خودت باش. خودت را در صحرا پنهان کن.
2 Ary Jonatana nanambara tamin’ i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin’ izay fitoerana mangingina, ka miere;
3 ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan’ ikaky amin’ ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
من از پدرم می‌خواهم تا با من به صحرا بیاید. در آنجا راجع به تو با او صحبت می‌کنم و هر چه او بگوید به تو خواهم گفت.»
4 Ary Jonatana nilaza soa an’ i Davida tamin’ i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an’ i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
صبح روز بعد که یوناتان و پدرش با هم گفتگو می‌کردند، یوناتان از داوود تعریف کرد و خواهش نمود که به وی آسیبی نرساند و گفت: «او هرگز به تو آزاری نرسانده است بلکه همیشه به تو خوبی کرده است.
5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an’ i Davida?
آیا فراموش کرده‌ای که او برای مبارزه با جُلیات، جان خود را به خطر انداخت و خداوند پیروزی بزرگی نصیب اسرائیل کرد؟ تو از این امر خوشحال بودی. حال چرا می‌خواهی دست خود را به خون بی‌گناهی که آزارش به تو نرسیده، آلوده سازی؟»
6 Ary Saoly nihaino ny tenin’ i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
شائول نظر یوناتان را پذیرفت و قسم خورده، گفت: «به خداوند زنده قسم که او را نخواهم کشت.»
7 Ary Jonatana niantso an’ i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an’ i Davida ho eo amin’ i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
پس یوناتان، داوود را خواند و همه چیز را برای او تعریف کرد. بعد او را نزد پدرش برد و او مثل سابق نزد شائول ماند.
8 Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin’ ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
طولی نکشید که دوباره جنگ درگرفت و داوود با سربازان خود به فلسطینی‌ها حمله برد و بسیاری را کشت و بقیه را فراری داد.
9 Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah tonga tao amin’ i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany.
روزی هنگامی که شائول نیزه به دست در خانه نشسته بود، روحی پلید از جانب خداوند بر او آمد. در حالی که داوود مشغول نواختن چنگ بود،
10 Ary Saoly nihendry hamely an’ i Davida tamin’ ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin’ ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan’ i Saoly, ka ny rindrina no voan’ ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin’ iny alina iny ihany.
شائول نیزه‌ای را که در دست داشت به طرف داوود پرتاب کرد تا او را بکشد. اما داوود خود را کنار کشید و نیزه به دیوار فرو رفت. داوود فرار کرد و خود را از دست او نجات داد.
11 Ary Saoly naniraka olona hankany amin’ ny tranon’ i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin’ i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
شائول سربازانی فرستاد تا مراقب خانهٔ داوود باشند و صبح که او بیرون می‌آید او را بکشند. میکال زن داوود به او خبر داده، گفت: «اگر امشب فرار نکنی فردا صبح کشته می‌شوی.»
12 Ary Mikala nampidina an’ i Davida tamin’ ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
پس داوود به کمک میکال از پنجره فرار کرد.
13 Ary nalain’ i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin’ ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’ osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.
سپس میکال بُتی خانگی گرفته، در رختخواب گذاشت و بالشی از پشم بز زیر سرش نهاد و آن را با لحاف پوشاند.
14 Ary nony naniraka haka an’ i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
وقتی سربازان آمدند تا داوود را دستگیر کنند و پیش شائول ببرند، میکال به آنها گفت که داوود مریض است و نمی‌تواند از رختخوابش بیرون بیاید.
15 Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an’ i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin’ ny farafara izy hovonoiko.
ولی شائول دوباره سربازان را فرستاد تا او را با رختخوابش بیاورند تا او را بکشند.
16 Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron’ ilay makarakara volon’ osy ny lohany.
وقتی سربازان آمدند تا داوود را ببرند، دیدند در رختخواب یک بُت خانگی با بالشی از پشم بُز در جای سرش است!
17 Dia hoy Saoly tamin’ i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin’ i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
شائول به دخترش میکال گفت: «چرا مرا فریب دادی و گذاشتی دشمنم از چنگم بگریزد؟» میکال جواب داد: «مجبور بودم این کار را بکنم، چون او تهدید کرد که اگر کمکش نکنم مرا می‌کشد.»
18 Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin’ i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon’ i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
به این ترتیب، داوود فرار کرد و به رامه پیش سموئیل رفت. وقتی به آنجا رسید، هر چه شائول به وی کرده بود، برای سموئیل تعریف کرد. سموئیل داوود را با خود به نایوت برد و با هم در آنجا ماندند.
19 Ary nisy nanambara tamin’ i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
به شائول خبر دادند که داوود در نایوت رامه است،
20 Ary Saoly naniraka olona hisambotra an’ i Davida; ary nony hitan’ ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin’ ny irak’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy.
پس او مأمورانی فرستاد تا داوود را دستگیر کنند. اما مأموران وقتی رسیدند گروهی از انبیا را دیدند که به رهبری سموئیل نبوّت می‌کردند. آنگاه روح خدا بر آنها نیز آمد و ایشان هم شروع به نبوّت کردن نمودند.
21 Ary nony nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
وقتی شائول شنید چه اتفاقی افتاده است، سربازان دیگری فرستاد، ولی آنها نیز نبوّت کردند. شائول برای بار سوم سربازانی فرستاد و آنها نیز نبوّت کردند.
22 Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin’ ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
سرانجام خود شائول به رامه رفت و چون به سر چاه بزرگی که نزد سیخوه است رسید، پرسید: «سموئیل و داوود کجا هستند؟» به او گفتند که در نایوت هستند.
23 Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
اما در بین راه نایوت، روح خدا بر شائول آمد و او نیز تا نایوت نبوّت کرد!
24 Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’ i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan’ ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan’ ny mpaminany?
او جامهٔ خود را چاک زده، تمام آن روز تا شب برهنه افتاد و در حضور سموئیل نبوّت می‌کرد. وقتی مردم این را شنیدند گفتند: «آیا شائول هم نبی شده است؟»

< 1 Samoela 19 >