< 1 Samoela 18 >

1 Ary rehefa nitsahatra niteny tamin’ i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin’ i Davida ny fanahin’ i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
Davide atatha kuyankhula ndi Sauli, mtima wa Yonatani unagwirizana ndi mtima wa Davide, ndipo iye ankamukonda Davide monga momwe ankadzikondera yekha.
2 Ary Saoly nandray azy tamin’ izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin’ ny tranon-drainy intsony.
Choncho Sauli anamusunga Davideyo kuyambira tsiku limenelo ndipo sanamulole kuti abwerere ku nyumba ya abambo ake.
3 Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan’ i Jonatana azy toy ny tenany.
Ndipo Yonatani anapanga pangano ndi Davide chifukwa ankamukonda monga momwe ankadzikondera.
4 Ary nesorin’ i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an’ i Davida mbamin’ ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
Yonatani anavula mkanjo umene anavala ndipo anamupatsa Davide pamodzi ndi zovala za nkhondo, lupanga, uta ndi lamba.
5 Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin’ izay rehetra nanirahan’ i Saoly azy; ka dia nataon’ i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan’ ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon’ i Saoly koa.
Davide ankapita kulikonse kumene Sauli ankamutuma kuti apite kukamenya nkhondo, ndipo ankapambana. Choncho Sauli anamupatsa udindo woyangʼanira gulu lankhondo. Ichi chinakondweretsa anthu onse ngakhalenso atsogoleri a nkhondo a Sauli.
6 Ary nony tonga ny olona tamin’ ny niverenan’ i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin’ ny tanànan’ ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an’ i Saoly mpanjaka tamin’ ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.
Anthu akubwerera kwawo Davide atapha Mfilisiti uja, amayi anatuluka mʼmizinda yonse ya Israeli, akuyimba ndi kuvina kukachingamira mfumu Sauli. Ankayimba ndi kuvina mokondwa, kwinaku ngʼoma ndi zitoliro zikulira.
7 Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
Amayiwo ankalandizana nyimbo mokondwera namati: “Sauli wapha 1,000, Koma Davide wapha miyandamiyanda.”
8 Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
Koma Sauli anapsa mtima kwambiri ndipo mawu amenewa anamuyipira. Iye anati, “Iwo amuwerengera Davide miyandamiyanda, koma ine 1,000 okha. Nanga chatsalanso nʼchiyani kuti atenge? Si ufumu basi?”
9 Ary Saoly hatramin’ izany andro izany dia nangarika an’ i Davida.
Ndipo kuyambira tsiku limeneli Sauli ankamuchitira nsanje Davide.
10 Ary nony ampitson’ iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin’ Andriamanitra nilatsaka tamin’ i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany tahaka ny fanaony isan’ andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan’ i Saoly.
Mmawa mwake mzimu woyipa uja unabwera mwamphamvu pa Sauli. Sauli anayamba kubwebweta mʼnyumba mwake. Davide ankamuyimbira zeze monga nthawi zonse. Sauli anali ndi mkondo mʼdzanja lake.
11 Dia natorak’ i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an’ i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin’ ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
Tsono anawuponya mkondowo, namati mu mtima mwake, “Ndimubaya Davide ndi kumukhomera ku khoma.” Koma Davide anawulewa kawiri konse.
12 Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
Pambuyo pake Sauli amamuopa Davide chifukwa Yehova anali ndi Davideyo, nʼkumusiya Sauli.
13 Koa dia nesorin’ i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
Kotero Sauli anamuchotsa Davide pamaso pake ndi kumuyika kukhala mtsogoleri wa ankhondo 1,000. Choncho Davide ankapita ndi kubwera akutsogolera ankhondowa.
14 Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
Davide ankapambana kwambiri pa chilichonse chimene amachita chifukwa Yehova anali naye.
15 Ary nony hitan’ i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
Sauli ataona momwe Davide ankapambanira, iye anamuopa kwambiri.
16 Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an’ i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
Koma Aisraeli onse ndi anthu a Yuda ankamukonda Davide chifukwa ankawatsogolera pa nkhondo zawo.
17 Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin’ i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan’ ny Filistina no hamely azy.)
Tsiku lina Sauli anawuza Davide kuti, “Nayu Merabi mwana wanga wamkazi wamkulu. Ine ndakupatsa kuti umukwatire. Koma unditumikire molimba mtima pomenya nkhondo za Yehova.” Poteropo Sauli ankanena kuti, “Ndisamuphe ndi manja angawa koma aphedwe ndi Afilisti!”
18 Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin’ ny raiko ao amin’ ny Isiraely, no ho vinanton’ ny mpanjaka aho?
Ndipo Davide anati kwa Sauli, “Ine ndine yani, ndipo abale anga kapena banja la abambo anga ndife yani mʼdziko la Israeli kuti ndikhale mpongozi wa mfumu?”
19 Kanjo nony tamin’ ny andro tokony ho namoahana an’ i Meraba, zanakavavin’ i Saoly, ho vadin’ i Davida, dia nomena ho vadin’ i Adriela Meholatita izy.
Koma pa nthawi yoti Merabi mwana wa Sauli akwatiwe ndi Davide, Sauli anamupereka kwa Adrieli wa ku Mehola kuti amukwatire.
20 Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly kosa tia an’ i Davida; ary nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, ka sitrak’ i Saoly izany.
Koma Mikala mwana wamkazi wa Sauli anamukonda Davide ndipo Sauli atamva za zimenezi, anakondwera.
21 (Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan’ ny tanan’ ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin’ i Davida: Fanindroan’ ny maha-vinantoko anao izao.
Sauli ankaganiza kuti, “Ndimupatse amukwatire kuti akhale ngati msampha kwa Davideyo, ndipo adzaphedwe ndi Afilisti.” Choncho Sauli anawuza Davide kachiwiri, “Tsopano udzakhala mkamwini wanga.”
22 Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin’ i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian’ ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton’ ny mpanjaka ianao.
Sauli analamulanso nduna zake kuti, “Muyankhuleni Davide mwamseri ndi kumuwuza kuti, ‘Taona, mfumu imakondwera nawe, ndipo nduna zake zonse zimakukonda. Tsono ukhale mkamwini wa mfumu.’”
23 Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza izany teny izany tamin’ i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton’ ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
Iwo anakamuwuza Davide mawu amenewa, koma Davide anati, “Kodi inu mukuganiza kuti ndi chinthu chapafupi kukhala mpongozi wa mfumu? Ine ndine wosauka ndiponso wosatchuka.”
24 Ary ny mpanompon’ i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin’ i Davida.
Nduna za Sauli zinamuwuza zonse zimene anayankha Davide.
25 Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin’ i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’ i Saoly hahafaty an’ i Davida amin’ ny tanan’ ny Filistina izany.
Sauli anayankha kuti, “Kamuwuzeni Davide kuti, ‘Mfumu sikufuna malowolo a mtundu wina uliwonse koma timakungu ta msonga za mavalo a Afilisti 100 kuti ilipsire adani ake.’” Maganizo a Sauli anali akuti Davide aphedwe ndi Afilisti.
26 Ary rehefa nambaran’ ny mpanompon’ i Saoly tamin’ i Davida izany teny izany, dia sitrak’ i Davida ny ho vinanton’ ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr’ andro,
Nduna za Saulizo zitamuwuza Davide zimenezi, anakondwera kuti akhale mpongozi wa mfumu. Koma nthawi imene anapatsidwa isanathe,
27 dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan’ ny mpanjaka mba hahavinanton’ ny mpanjaka azy. Dia nomen’ i Saoly ho vadin’ i Davida Mikala zananivavy.
Davide ndi anyamata ake anapita ndi kukapha Afilisti 200. Iye anabwera ndi timakungu tija natipereka tonse kwa mfumu kuti akhale mpongozi wa mfumu. Kotero Sauli anapereka mwana wake wamkazi, Mikala, kwa Davide kuti amukwatire.
28 Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an’ i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
Sauli atazindikira kuti Yehova anali ndi Davide ndiponso kuti mwana wake Mikala amamukonda Davide,
29 Ary dia vao mainka natahotra an’ i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon’ i Davida mandrakariva izy.
iye anapitirirabe kumuopa Davide ndi kumadana naye moyo wake wonse.
30 Ary ireo andrianan’ ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon’ i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
Nthawi zonse pamene atsogoleri a Afilisti ankatuluka kukamenya nkhondo, Davide ankapambana kuposa nduna zonse za Sauli. Choncho dzina lake linatchuka kwambiri.

< 1 Samoela 18 >