< 1 Petera 5 >

1 Koa ny amin’ ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon’ ny fijalian’ i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
Tos vecajus jūsu starpā pamācu, es tas līdzvecākais un liecinieks par Kristus ciešanām un tās godības biedrs, kas taps redzams:
2 Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-terỳ, fa amin’ ny sitrapo [araka an’ Andriamanitra]; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny zotom-panahy;
Ganiet Dieva ganāmo pulku, kas pie jums, un uzraugiet, ne piespiesti, bet ar labu prātu, ne negodīgas peļņas dēļ bet no sirds,
3 tsy ho mpanjakazaka, amin’ ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ ny ondry.
Nedz kā valdīdami par Tā Kunga daļu, bet (par) priekšzīmi būdami tam ganāmam pulkam.
4 Ary rehefa miseho ny Lohan’ ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
Un kad Tas Augstais Gans atspīdēs, tad jūs dabūsiet to nesavīstamo godības kroni.
5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikìna fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.
Tāpat, jūs jaunākie, esiet tiem vecajiem paklausīgi; bet visi, cits citam padodamies, esiet izpušķoti ar pazemību, jo Dievs lepniem turas pretī, bet pazemīgiem Viņš dod žēlastību.
6 Koa amin’ izany manetre tena ambanin’ ny tàna-maherin’ Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ ny fotoan’ andro;
Tad nu pazemojaties apakš Dieva varenās rokas, lai Viņš jūs paaugstina savā laikā.
7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
Visu savu zūdīšanos metiet uz Viņu, jo Viņš gādā par jums.
8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
Esiet skaidrā prātā, esiet nomodā, jo jūsu pretinieks, velns, staigā apkārt kā rūcošs lauva, un meklē, kuru tas aprītu.
9 tohero izy, ka miorena tsara amin’ ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’ izao tontolo izao.
Tam stāviet pretim, stipri ticībā, zinādami, ka tās pašas ciešanas papilnam uziet jūsu brāļiem pasaulē.
10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny mandrakizay ao amin’ i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. (aiōnios g166)
Bet Tas visu žēlīgais Dievs, kas mūs aicinājis uz Savu mūžīgo godību iekš Kristus Jēzus, Tas jūs, kas mazu brīdi ciešat, Pats sataisīs, spēcinās, stiprinās, pastāvīgus darīs. (aiōnios g166)
11 Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Tam lai ir gods un vara mūžīgi mūžam. Āmen. (aiōn g165)
12 Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an’ i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’ Andriamanitra, ― tomoera tsara amin’ izany ianareo.
Caur Silvanu, to uzticīgo brāli, es jums, kā man šķiet īsiem vārdiem esmu rakstījis, pamācīdams un apliecinādams, ka tā ir tā patiesā Dieva žēlastība, kurā jūs stāvat.
13 Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
Jūs sveicina tā līdz izvēlētā Bābeles draudze un mans dēls Marks.
14 Mifanaova veloma amin’ ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’ i Kristy anie ny fiadanana.
Sveicinājaties savā starpā ar mīlestības skūpstu. Miers jums visiem, kas iekš Kristus Jēzus. Āmen.

< 1 Petera 5 >