< 1 Petera 2 >

1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
Putting away therefore all wickedness, and all guile, and hypocrisies, and envies, and all evil speakings,
2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’ izany ho amin’ ny famonjena,
as newborn babes, long for the spiritual milk which is without guile, that ye may grow thereby unto salvation;
3 raha tàhiny “nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;”
if ye have tasted that the Lord is gracious:
4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, “nolavin’ ny olona, fa voafidin’ Andriamanitra sady soa,”
unto whom coming, a living stone, rejected indeed of men, but with God elect, precious,
5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masìna, hanatitra fanati-panahy sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
ye also, as living stones, are built up a spiritual house, to be a holy priesthood, to offer up spiritual sacrifices, acceptable to God through Jesus Christ.
6 Fa misy teny ao amin’ ny Soratra Masìna manao hoe: “Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra”.
Because it is contained in scripture, Behold, I lay in Zion a chief corner stone, elect, precious: And he that believeth on him shall not be put to shame.
7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin’ izay tsy mino kosa “Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro”,
For you therefore that believe is the preciousness: but for such as disbelieve, The stone which the builders rejected, The same was made the head of the corner;
8 “Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka”; ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin’ ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
and, A stone of stumbling, and a rock of offence; for they stumble at the word, being disobedient: whereunto also they were appointed.
9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, “fanjaka-mpisorona, firenena masìna”, olona nalain’ Andriamanitra ho an’ ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ ilay niantso anareo hiala tamin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga;
But ye are an elect race, a royal priesthood, a holy nation, a people for [God’s] own possession, that ye may show forth the excellencies of him who called you out of darkness into his marvellous light:
10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’ Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.
who in time past were no people, but now are the people of God: who had not obtained mercy, but now have obtained mercy.
11 Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ ny nofo, fa miady amin’ ny fanahy ireny;
Beloved, I beseech you as sojourners and pilgrims, to abstain from fleshly lusts, which war against the soul;
12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin’ ny jentilisa, mba hankalazany an’ Andriamanitra amin’ ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
having your behavior seemly among the Gentiles; that, wherein they speak against you as evil-doers, they may by your good works, which they behold, glorify God in the day of visitation.
13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
Be subject to every ordinance of man for the Lord’s sake: whether to the king, as supreme;
14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
or unto governors, as sent by him for vengeance on evil-doers and for praise to them that do well.
15 Fa toy izany no sitrapon’ Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ ny olona adala amin’ ny fanaovan-tsoa;
For so is the will of God, that by well-doing ye should put to silence the ignorance of foolish men:
16 fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
as free, and not using your freedom for a cloak of wickedness, but as bondservants of God.
17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’ Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
Honor all men. Love the brotherhood. Fear God. Honor the king.
18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
Servants, [be] in subjection to your masters with all fear; not only to the good and gentle, but also to the froward.
19 Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’ Andriamanitra.
For this is acceptable, if for conscience toward God a man endureth griefs, suffering wrongfully.
20 Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin’ izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’ Andriamanitra.
For what glory is it, if, when ye sin, and are buffeted [for it], ye shall take it patiently? but if, when ye do well, and suffer [for it], ye shall take it patiently, this is acceptable with God.
21 Fa ho amin’ izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
For hereunto were ye called: because Christ also suffered for you, leaving you an example, that ye should follow his steps:
22 “Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany”;
who did no sin, neither was guile found in his mouth:
23 raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ ny Mpitsara marina;
who, when he was reviled, reviled not again; when he suffered, threatened not; but committed [himself] to him that judgeth righteously:
24 ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana; ary “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo”.
who his own self bare our sins in his body upon the tree, that we, having died unto sins, might live unto righteousness; by whose stripes ye were healed.
25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
For ye were going astray like sheep; but are now returned unto the Shepherd and Bishop of your souls.

< 1 Petera 2 >