< 1 Mpanjaka 8 >

1 Ary tamin’ izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon’ ny Isiraely sy ny lohan’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan’ i Davida.
爰にソロモン、ヱホバの契約の櫃をダビデの城即ちシオンより舁上らんとてイスラエルの長老と諸の支派の首イスラエルの子孫の家の長等をエルサレムにてソロモン王の所に召集む
2 Dia nivory ho any amin’ i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana Etanima (volana fahafito izany).
イスラエルの人皆エタニムの月即ち七月の節筵に當てソロモン王の所に集まれり
3 Ary tonga ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;
イスラエルの長老皆至り祭司櫃を執りあげて
4 ary dia nampakariny ny fiaran’ i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin’ ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
ヱホバの櫃と集會の幕屋と幕屋にありし諸の聖き器を舁上れり即ち祭司とレビの人之を舁のぼれり
5 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
ソロモン王および其許に集れるイスラエルの會衆皆彼と偕に櫃の前にありて羊と牛を献げたりしが其數多くして書すことも數ふることも能はざりき
6 Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima,
祭司ヱホバの契約の櫃を其處に舁いれたり即ち家の神殿なる至聖所の中のケルビムの翼の下に置めたり
7 fa nivelatra teo ambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
ケルビムは翼を櫃の所に舒べ且ケルビム上より櫃と其棹を掩へり
8 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin’ ny fitoerana masìna eo anoloan’ ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.
杠長かりければ杠の末は神殿の前の聖所より見えたり然ども外には見えざりき其杠は今日まで彼處にあり
9 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon’ i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta.
櫃の内には二の石牌の外何もあらざりき是はイスラエルの子孫のエジプトの地より出たる時ヱホバの彼等と契約を結たまへる時にモーセがホレブにて其處に置めたる者なり
10 Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona, dia nameno ny tranon’ i Jehovah ny rahona;
斯て祭司聖所より出けるに雲ヱホバの家に盈たれば
11 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tranon’ i Jehovah.
祭司は雲のために立て供事ること能はざりき其はヱホバの榮光ヱホバの家に盈たればなり
12 Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ ny aizim-pito Izy.
是においてソロモンいひけるはヱホバは濃き雲の中に居んといひたまへり
13 Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
我誠に汝のために住むべき家永久に居べき所を建たりと
14 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
王其面を轉てイスラエルの凡の會衆を祝せり時にイスラエルの會衆は皆立ゐたり
15 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin’ i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
彼言けるはイスラエルの神ヱホバは譽べきかなヱホバは其口をもて吾父ダビデに言ひ其手をもて之を成し遂げたまへり
16 Hatramin’ ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran’ ny anarako; fa nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
即ち我は吾民イスラエルをエジプトより導き出せし日より我名を置べき家を建しめんためにイスラエルの諸の支派の中より何れの城邑をも選みしことなし但ダビデを選みてわが民イスラエルの上に立しめたりと言たまへり
17 Ary efa mby tao am-pon’ i Davida raiko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
夫イスラエルの神ヱホバの名のために家を建ることはわが父ダビデの心にありき
18 Nefa hoy Jehovah tamin’ i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
しかるにヱホバわが父ダビデにいひたまひけるはわが名のために家を建ること汝の心にあり汝の心に此事あるは善し
19 Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an’ ny anarako.
然ども汝は其家を建べからず汝の腰より出る汝の子其人吾名のために家を建べしと
20 Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
而してヱホバ其言たまひし言を行ひたまへり即ち我わが父ダビデに代りて立ちヱホバの言たまひし如くイスラエルの位に坐しイスラエルの神ヱホバの名のために家を建たり
21 Ary nasiako fitoerana teo ho an’ ny fiara izay itoeran’ ny faneken’ i Jehovah, ilay nataony tamin’ ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
我又其處にヱホバの契約を蔵めたる櫃のために一の所を設けたり即ち我儕の父祖をエジプトの地より導き出したまひし時に彼等に爲したまひし者なりと
22 Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
ソロモン、イスラエルの凡の會衆の前にてヱホバの壇のまへに立ち其手を天に舒て
23 ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin’ ny lanitra ambony na amin’ ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an’ ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ ny fony rehetra,
言けるはイスラエルの神ヱホバよ上の天にも下の地にも汝の如き神なし汝は契約を持ちたまひ心を全うして汝のまへに歩むところの汝の僕等に恩惠を施したまふ
24 sady efa nahatanteraka tamin’ i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain’ ny vavanao izany dia notanterahin’ ny tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
汝は汝の僕わが父ダビデに語たまへる所を持ちたまへり汝は口をもて語ひ手をもて成し遂たまへること今日のごとし
25 Koa tanteraho amin’ i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
イスラエルの神ヱホバよ然ば汝が僕わが父ダビデに語りて若し汝の子孫其道を愼みて汝がわが前に歩めるごとくわが前に歩まばイスラエルの位に坐する人わがまへにて汝に缺ること無るべしといひたまひし事をダビデのために持ちたまへ
26 Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin’ i Davida raiko mpanomponao.
然ばイスラエルの神よ爾が僕わが父ダビデに言たまへる爾の言に效驗あらしめたまへ
27 Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
神果して地の上に住たまふや視よ天も諸の天の天も爾を容るに足ず况て我が建たる此家をや
28 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan’ ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon’ ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
然どもわが神ヱホバよ僕の祈祷と懇願を顧みて其號呼と僕が今日爾のまへに祈る祈祷を聽たまへ
29 mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
願くは爾の目を夜晝此家に即ち爾が我名は彼處に在べしといひたまへる處に向ひて開きたまへ願くは僕の此處に向ひて祈らん祈祷を聽たまへ
30 Ary henoy ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
願くは僕と爾の民イスラエルが此處に向ひて祈る時に爾其懇願を聽たまへ爾は爾の居處なる天において聽き聽て赦したまへ
31 Raha misy olona manota amin’ ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan’ ny alitaranao amin’ ity trano ity izy,
若し人其隣人に對ひて犯せることありて其人誓をもて誓ふことを要られんに來りて此家において爾の壇のまへに誓ひなば
32 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
爾天において聽て行ひ爾の僕等を鞫き惡き者を罪して其道を其首に歸し義しき者を義として其義に循ひて之に報いたまへ
33 Raha resy eo anoloan’ ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin’ ity trano ity izy,
若爾の民イスラエル爾に罪を犯したるがために敵の前に敗られんに爾に歸りて爾の名を崇め此家にて爾に祈り願ひなば
34 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny Isiraely olonao, ary ampodio amin’ ny tany nomenao ny razany izy.
爾天において聽き爾の民イスラエルの罪を赦して彼等を爾が其父祖に與へし地に歸らしめたまへ
35 Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
若彼等が爾に罪を犯したるが爲に天閉て雨无らんに彼等若此處にむかひて祈り爾の名を崇め爾が彼等を苦めたまふときに其罪を離れなば
36 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ ny taninao, izay nomenao ho lovan’ ny olonao.
爾天において聽き爾の僕等爾の民イスラエルの罪を赦したまへ爾彼等に其歩むべき善道を敎へたまふ時は爾が爾の民に與へて產業となさしめたまひし爾の地に雨を降したまへ
37 Raha misy mosary amin’ ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ ny taniny, dia ao amin’ ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
若國に饑饉あるか若くは疫病枯死朽腐噬亡ぼす蝗蟲あるか若くは其敵國にいりて彼等を其門に圍むか如何なる災害如何なる病疾あるも
38 izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy
若一人か或は爾の民イスラエル皆各己の心の災を知て此家に向ひて手を舒なば其人如何なる祈祷如何なる懇願を爲とも
39 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra),
爾の居處なる天に於て聽て赦し行ひ各の人に其心を知給ふ如く其道々にしたがひて報い給へ其は爾のみ凡の人の心を知たまへばなり
40 mba hatahorany Anao amin’ Izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ ny tany nomenao ny razanay.
爾かく彼等をして爾が彼等の父祖に與へたまへる地に居る日に常に爾を畏れしめたまへ
41 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ ny tany lavitra noho ny amin’ ny anaranao izy
且又爾の民イスラエルの者にあらずして爾の名のために遠き國より來る異邦人は
42 (fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
(其は彼等爾の大なる名と強き手と伸たる腕を聞およぶべければなり)若來りて此家にむかひて祈らば
43 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon’ ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ ity trano nataoko ity.
爾の居處なる天に於て聽き凡て異邦人の爾に龥求むる如く爲たまへ爾かく地の諸の民をして爾の名をしらしめ爾の民イスラエルのごとく爾を畏れしめ又我が建たる此家は爾の名をもて稱呼るるといふことを知しめ給へ
44 Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalon’ ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’ i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao izy,
爾の民其敵と戰はんとて爾の遣はしたまふ所に出たる時彼等若爾が選みたまへる城とわが爾の名のために建たる家の方に向ひてヱホバに祈らば
45 dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
爾天において彼等の祈祷と懇願を聽て彼等を助けたまへ
46 Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia ho entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
人は罪を犯さざる者なければ彼等爾に罪を犯すことありて爾彼等を怒り彼等を其敵に付し敵かれらを虜として遠近を諭ず敵の地に引ゆかん時は
47 ary mahatsiaro any amin’ ny tanin’ ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
若彼等虜れゆきし地において自ら顧みて悔い己を虜へゆきし者の地にて爾に願ひて我儕罪を犯し悖れる事を爲たり我儕惡を行ひたりと言ひ
48 ka dia miverina aminao amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin’ ny tanin’ ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao,
己を虜ゆきし敵の地にて一心一念に爾に歸り爾が其父祖に與へたまへる地爾が選みたまへる城とわが爾の名のために建たる家の方に向ひて爾に祈らば
49 dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
爾の居處なる天において爾彼等の祈祷と懇願を聽てかれらを助け
50 eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin’ izay mamabo azy izy, dia ny hamindran’ ireo fo aminy;
爾の民の爾に對て犯したる事と爾に對て過てる其凡の罪過を赦し彼等を虜ゆける者の前にて彼等に憐を得させ其人々をして彼等を憐ましめたまへ
51 fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by,
其は彼等は爾がエジプトより即ち鐵の鑪の中よりいだしたまひし爾の民爾の產業なればなり
52 mba hihiratan’ ny masonao amin’ ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny fifonan’ ny Isiraely olonao hihaino azy amin’ izay rehetra iantsoany Anao.
願くは僕の祈祷と爾の民イスラエルの祈願に爾の目を開きて凡て其爾に龥求むる所を聽たまへ
53 Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an’ i Mosesy mpanomponao tamin’ ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
其は爾彼等を地の凡の民の中より別ちて爾の產業となしたまへばなり神ヱホバ爾が我儕の父祖をエジプトより導き出せし時モーセによりて言給ひし如し
54 Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon’ i Solomona tamin’ i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin’ ny alitaran’ i Jehovah izay efa nandohalehan’ ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin’ ny lanitra izy.
ソロモン此祈祷と祈願を悉くヱホバに祈り終りし時其天にむかひて手を舒べ膝を屈居たるを止てヱホバの壇のまへより起あがり
55 Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin’ ny feo mahery hoe:
立て大なる聲にてイスラエルの凡の會衆を祝して言けるは
56 Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’ izay teny soa rehetra nampilazainy an’ i Mosesy mpanompony.
ヱホバは譽べきかなヱホバは凡て其言たまひし如く其民イスラエルに太平を與へたまへり其僕モーセによりて言たまひし其善言は皆一も違はざりき
57 Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin’ ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,
願くは我儕の神ヱホバ我儕の父祖と偕に在せしごとく我儕とともに在せ我儕を離れたまふなかれ我儕を棄たまふなかれ
58 mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin’ ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
願くは我儕の心をおのれに傾けたまひて其凡の道に歩ましめ其我儕の父祖に命じたまひし誡命と法憲と律例を守らしめたまへ
59 Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan’ i Jehovah izany ho ao amin’ i Jehovah Andriamanitsika andro aman’ alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan’ andro,
願くはヱホバの前にわが願し是等の言日夜われらの神ヱホバに近くあれ而してヱホバ日々の事に僕を助け其民イスラエルを助けたまへ
60 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
斯して地の諸の民にヱホバの神なることと他に神なきことを知しめたまへ
61 Ary aoka ho marina amin’ i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin’ ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin’ izao anio izao.
されば爾等我儕の神ヱホバとともにありて今日の如く爾らの心を完全しヱホバの法憲に歩み其誡命を守るべしと
62 Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah.
斯て王および王と偕にありしイスラエル皆ヱホバのまへに犠牲を献たり
63 Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an’ i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny Zanak’ Isiraely rehetra ny tranon’ i Jehovah.
ソロモン酬恩祭の犠牲を献げたり即ち之をヱホバに献ぐ其牛二萬二千羊十二萬なりき斯王とイスラエルの子孫皆ヱホバの家を開けり
64 Ary androtr’ io ihany no nanamasinan’ ny mpanjaka ny afovoan’ ny kianja izay teo anoloan’ ny tranon’ i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’ i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
其日に王ヱホバの家の前なる庭の中を聖別め其處にて燔祭と禴祭と酬恩祭の脂とを献げたり是はヱホバの前なる銅の壇小くして燔祭と禴祭と酬恩祭の脂とを受るにたらざりしが故なり
65 Ary tamin’ izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin’ ny folo andro.
其時ソロモン七日に七日合て十四日我儕の神ヱホバのまへに節筵を爲りイスラエルの大なる會衆ハマテの入處よりエジプトの河にいたるまで悉く彼と偕にありき
66 Ary nony tamin’ ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
第八日にソロモン民を歸せり民は王を祝しヱホバが其僕ダビデと其民イスラエルに施したまひし諸の恩惠のために喜び且心に樂みて其天幕に往り

< 1 Mpanjaka 8 >