< 1 Mpanjaka 7 >

1 Ary telo ambin’ ny folo taona no nanaovan’ i Solomona ny lapany, dia vita.
所羅門為自己建造宮室,十三年方才造成;
2 Fa nanao ilay trano Alan’ i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin’ ny andry sedera efatra an-dalana mbamin’ ny sedera rairainy teo ambonin’ ny andry.
又建造黎巴嫩林宮,長一百肘,寬五十肘,高三十肘,有香柏木柱三行,柱上有香柏木柁樑。
3 Ary ireo efi-trano teo ambonin’ ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin’ ny folo isan’ an-dalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
其上以香柏木為蓋,每行柱子十五根,共有四十五根。
4 Ary ny rairainy dia telo an-dalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
有窗戶三層,窗與窗相對。
5 Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
所有的門框都是厚木見方的,有窗戶三層,窗與窗相對。
6 Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan’ io.
並建造有柱子的廊子,長五十肘,寬三十肘;在這廊前又有廊子,廊外有柱子和臺階。
7 Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran’ ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.
又建造一廊,其中設立審判的座位,這廊從地到頂都用香柏木遮蔽。
8 Ary ny tranony izay nitoerany teo amin’ ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin’ io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an’ ny zanakavavin’ i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
廊後院內有所羅門住的宮室;工作與這工作相同。所羅門又為所娶法老的女兒建造一宮,做法與這廊子一樣。
9 Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin’ ny fanambaniny ka hatramin’ ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin’ ny kianja lehibe.
建造這一切所用的石頭都是寶貴的,是按着尺寸鑿成的,是用鋸裏外鋸齊的;從根基直到檐石,從外頭直到大院,都是如此。
10 Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
根基是寶貴的大石頭,有長十肘的,有長八肘的;
11 Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
上面有香柏木和按着尺寸鑿成寶貴的石頭。
12 ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana, tahaka ny amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah sy amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny trano.
大院周圍有鑿成的石頭三層、香柏木一層,都照耶和華殿的內院和殿廊的樣式。
13 Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an’ i Hirama avy tany Tyro.
所羅門王差遣人往泰爾去,將戶蘭召了來。
14 Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin’ ny firenen’ i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin’ i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
他是拿弗他利支派中一個寡婦的兒子,他父親是泰爾人,作銅匠的。戶蘭滿有智慧、聰明、技能,善於各樣銅作。他來到所羅門王那裏,做王一切所要做的。
15 Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin’ ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin’ ny folo hakiho ny manodidina azy.
他製造兩根銅柱,每根高十八肘,圍十二肘;
16 Ary nanao kapitaly varahina roa an-idina izy hatao eo amin’ ny tampon’ ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
又用銅鑄了兩個柱頂安在柱上,各高五肘。
17 ary harato sy fesitona miolana amin’ ny kapitaly izay teo amin’ ny tampon’ ny andry avy: fito amin’ ny kapitaly iray, ary fito koa amin’ ny kapitaly iray.
柱頂上有裝修的網子和擰成的鍊索,每頂七個。
18 Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa an-dalana manodidina tamin’ ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin’ ny kapitaly iray.
網子周圍有兩行石榴遮蓋柱頂,兩個柱頂都是如此。
19 Ary ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin’ ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
廊子的柱頂徑四肘,刻着百合花。
20 ary ny kapitaly teo an-tampon’ ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin’ ny kibony izay anatin’ ny harato; ary nisy sarin’ ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
兩柱頂的鼓肚上挨着網子,各有兩行石榴環繞,兩行共有二百。
21 Ary ny andry dia natsangany teo amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
他將兩根柱子立在殿廊前頭:右邊立一根,起名叫雅斤;左邊立一根,起名叫波阿斯。
22 Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon’ ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin’ ny andry.
在柱頂上刻着百合花。這樣,造柱子的工就完畢了。
23 Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben’ ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
他又鑄一個銅海,樣式是圓的,高五肘,徑十肘,圍三十肘。
24 Ary tambanin’ ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin’ ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa an-dalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin’ ny tavin-drano.
在海邊之下,周圍有野瓜的樣式;每肘十瓜,共有兩行,是鑄海的時候鑄上的。
25 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin’ ireo, ary niady vody izy rehetra.
有十二隻銅牛馱海:三隻向北,三隻向西,三隻向南,三隻向東;海在牛上,牛尾都向內。
26 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
海厚一掌,邊如杯邊,又如百合花,可容二千罷特。
27 Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan’ ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
他用銅製造十個盆座,每座長四肘,寬四肘,高三肘。
28 Ary toy izao ny asa amin’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin’ ny sisiny;
座的造法是這樣:四面都有心子,心子在邊子當中,
29 ary tamin’ ny kobany izay nohodidinin’ ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin’ ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin’ ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
心子上有獅子和牛,並基路伯;邊上有小座,獅子和牛以下有垂下的瓔珞。
30 Ary isan’ ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin’ ny tavin-drano no nisy ny sorony an-idina manandrify ny fesitona tsirairay.
每盆座有四個銅輪和銅軸。小座的四角上在盆以下,有鑄成的盆架,其旁都有瓔珞。
31 Ary ny vavan’ ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin’ ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin’ io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin’ ny faladia, ary tamin’ ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
小座高一肘,口是圓的,彷彿座的樣式,徑一肘半,在口上有雕工,心子是方的,不是圓的。
32 Ary ny kodia efatra dia teo ambanin’ ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin’ ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon’ ny kodia.
四個輪子在心子以下,輪軸與座相連,每輪高一肘半。
33 Ary ny fomban’ ny kodia dia tahaka ny amin’ ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
輪的樣式如同車輪;軸、輞、輻、轂都是鑄的。
34 Ary nisy sorony efatra tamin’ ny zorony efatra amin’ ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin’ ny fitoeran-tavin-drano ireo.
每座四角上都有盆架,是與座一同鑄成的。
35 Ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon’ ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
座上有圓架,高半肘;座上有撐子和心子,是與座一同鑄的。
36 Fa ny koban’ ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina.
在撐子和心子上刻着基路伯、獅子,和棕樹,周圍有瓔珞。
37 Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
十個盆座都是這樣,鑄法、尺寸、樣式相同。
38 Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin’ ny fitoerany folo.
又用銅製造十個盆,每盆可容四十罷特。盆徑四肘,在那十座上,每座安設一盆。
39 Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan’ ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian’ ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan’ ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.
五個安在殿門的右邊,五個放在殿門的左邊;又將海放在殿門的右旁,就是南邊。
40 Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan’ i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah:
戶蘭又造了盆、鏟子,和盤子。這樣,他為所羅門王做完了耶和華殿的一切工。
41 dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teo an-tampon’ ny andry avy,
所造的就是:兩根柱子和柱上兩個如球的頂;並兩個蓋柱頂的網子;
42 ary ny sarin’ ampongabendanitra efa-jato ho amin’ ny harato roa, ampongabendanitra roa an-dalana ho amin’ ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin’ ny kapitaly izay teny an-tampon’ ny andry avy,
和四百石榴,安在兩個網子上,每網兩行,蓋着兩個柱上如球的頂;
43 ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin’ ny fitoerany
十個座和其上的十個盆;
44 ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin’ omby roa ambin’ ny folo teo ambaniny.
海和海下的十二隻牛;
45 ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’ afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon’ i Hirama ho an’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
盆、鏟子、盤子。這一切都是戶蘭給所羅門王用光亮的銅為耶和華的殿造成的,
46 Teo amin’ ny tany amoron’ i Jordana no nanaovan’ ny mpanjaka an-idina azy tamin’ ny tanimanga teo anelanelan’ i Sokota sy Zaretana.
是遵王命在約旦平原、疏割和撒拉但中間藉膠泥鑄成的。
47 Ary tsy nolanjain’ i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan’ ny varahina.
這一切所羅門都沒有過秤;因為甚多,銅的輕重也無法可查。
48 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin’ ny tranon’ i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran’ ny mofo aseho,
所羅門又造耶和華殿裏的金壇和陳設餅的金桌子;
49 ary ny fanaovan-jiro, dimy amin’ ny ankavanana ary dimy amin’ ny ankavia, teo anoloan’ ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
內殿前的精金燈臺:右邊五個,左邊五個,並其上的金花、燈盞、蠟剪,
50 ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, sy ho amin’ ny lela-varavaran’ ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
與精金的杯、盤、鑷子、調羹、火鼎,以及至聖所、內殿的門樞,和外殿的門樞。
51 Toy izany no nahavitana ny asa nataon’ i Solomona mpanjaka ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
所羅門王做完了耶和華殿的一切工,就把他父大衛分別為聖的金銀和器皿都帶來放在耶和華殿的府庫裏。

< 1 Mpanjaka 7 >