< 1 Mpanjaka 5 >

1 Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin’ i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan’ i Davida hatrizay ela izay. 2 Ary Solomona naniraka tany amin’ i Hirama hanao hoe: 3 Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon’ i Jehovah ireo ho eo ambanin’ ny faladiany. 4 Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin’ ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony. 5 Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ ny anarako. 6 Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin’ ny vahoakanao, ka ny karaman’ ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana. 7 Ary rehefa ren’ i Hirama ny tenin’ i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao. 8 Ary Hirama naniraka tany amin’ i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin’ ny hazo sedera sy ny hazo kypreso. 9 Ny vahoakako hitondra azy midìna avy any Libanona ho any amin’ ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ ny rano ho any amin’ izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin’ ny fanomezan-kanina ho an’ ny ankohonako. 10 Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an’ i Solomona araka izay rehetra nilainy. 11 Ary Solomona kosa nanome an’ i Hirama vary tritika roa alina kora ho an’ ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin’ ny oliva voatoto; izany no nomen’ i Solomona an’ i Hirama isan-taona isan-taona. 12 Ary Jehovah nanome fahendrena an’ i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy. 13 Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin’ ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy. 14 Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra. 15 Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato valo alina teny an-tendrombohitra, 16 afa-tsy ny lehiben’ ireo olona voatendrin’ i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa. 17 Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan’ ny trano. 18 Ary ny mpiasan’ i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.

< 1 Mpanjaka 5 >