< 1 Mpanjaka 5 >

1 Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin’ i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan’ i Davida hatrizay ela izay.
솔로몬이 기름 부음을 받고 그 부친을 이어 왕이 되었다 함을 두로 왕 히람이 듣고 그 신복을 솔로몬에게 보내었으니 이는 히람이 평일에 다윗을 사랑하였음이라
2 Ary Solomona naniraka tany amin’ i Hirama hanao hoe:
이에 솔로몬이 히람에게 기별하여 가로되
3 Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon’ i Jehovah ireo ho eo ambanin’ ny faladiany.
당신도 알거니와 내 부친 다윗이 사방의 전쟁으로 인하여 전을 건축하지 못하고 여호와께서 그 원수들을 그 발바닥 밑에 두시기를 기다렸나이다
4 Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin’ ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.
이제 내 하나님 여호와께서 내게 사방의 태평을 주시매 대적도 없고 재앙도 없도다
5 Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an’ ny anarako.
여호와께서 내 부친 다윗에게 하신 말씀에 내가 너를 이어 네 위에 오르게 할 네 아들 그가 내 이름을 위하여 전을 건축하리라 하신 대로 내가 내 하나님 여호와의 이름을 위하여 전을 건축하려 하오니
6 Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin’ ny vahoakanao, ka ny karaman’ ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.
당신은 영을 내려 나를 위하여 레바논에서 백향목을 베어내게 하소서 나의 종과 당신의 종이 함께할 것이요 또 내가 당신의 모든 말씀대로 당신의 종의 삯을 당신에게 붙이리이다 당신도 알거니와 우리 중에는 시돈 사람처럼 벌목을 잘하는 자가 없나이다
7 Ary rehefa ren’ i Hirama ny tenin’ i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.
히람이 솔로몬의 말을 듣고 크게 기뻐하여 가로되 오늘날 여호와를 찬양할지로다 저가 다윗에게 지혜로운 아들을 주사 그 많은 백성을 다스리게 하셨도다 하고
8 Ary Hirama naniraka tany amin’ i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin’ ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.
이에 솔로몬에게 기별하여 가로되 당신의 기별하신 말씀을 내가 듣고 내 백향목 재목과 잣나무 재목에 대하여는 당신의 바라시는 대로 할지라
9 Ny vahoakako hitondra azy midìna avy any Libanona ho any amin’ ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin’ ny rano ho any amin’ izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin’ ny fanomezan-kanina ho an’ ny ankohonako.
내 종이 레바논에서 바다로 수운하겠고 내가 그것을 바다에서 떼로 엮어 당신이 지정하는 곳으로 보내고 거기서 그것을 풀리니 당신은 받으시고 나의 원을 이루어서 나의 궁정을 위하여 식물을 주소서 하고
10 Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an’ i Solomona araka izay rehetra nilainy.
솔로몬의 모든 원대로 백향목 재목과 잣나무 재목을 주매
11 Ary Solomona kosa nanome an’ i Hirama vary tritika roa alina kora ho an’ ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin’ ny oliva voatoto; izany no nomen’ i Solomona an’ i Hirama isan-taona isan-taona.
솔로몬이 히람에게 그 궁정의 식물로 밀 이만 석과 맑은 기름 이십 석을 주고 해마다 그와 같이 주었더라
12 Ary Jehovah nanome fahendrena an’ i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy.
여호와께서 그 말씀대로 솔로몬에게 지혜를 주시므로 히람과 솔로몬이 친목하여 두 사람이 함께 약조를 맺었더라
13 Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin’ ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy.
이에 솔로몬 왕이 온 이스라엘에서 역군을 불러 일으키니 그 역군의 수가 삼만이라
14 Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.
솔로몬이 저희들을 한 달에 일만 인씩 번갈아 레바논으로 보내매 저희들이 한 달은 레바논에 있고 두 달은 집에 있으며 아도니람은 감독이 되었고
15 Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato valo alina teny an-tendrombohitra,
솔로몬에게 또 담군이 칠만 인이요 산에서 돌을 뜨는 자가 팔만 인이며
16 afa-tsy ny lehiben’ ireo olona voatendrin’ i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.
이 외에 그 역사를 동독하는 관리가 삼천삼백 인이라 저희가 일하는 백성을 거느렸더라
17 Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan’ ny trano.
이에 왕이 영을 내려 크고 귀한 돌을 떠다가 다듬어서 전의 기초석으로 놓게 하매
18 Ary ny mpiasan’ i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.
솔로몬의 건축자와 히람의 건축자와 그발 사람이 그 돌을 다듬고 전을 건축하기 위하여 재목과 돌들을 갖추니라

< 1 Mpanjaka 5 >