< 1 Mpanjaka 2 >

1 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ i Davida, dia nandidy an’ i Solomona zananilahy izy hoe:
Now the days of David came near that he should die; and he commanded Solomon his son, saying,
2 Izaho efa handeha amin’ ny lalan-kalehan’ ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
“I am going the way of all the earth. You be strong therefore, and show yourself a man;
3 Ary tandremo izay asain’ i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
and keep the instruction of Yahweh your God, to walk in his ways, to keep his statutes, his commandments, his ordinances, and his testimonies, according to that which is written in the law of Moses, that you may prosper in all that you do and wherever you turn yourself.
4 mba hanatanterahan’ i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin’ ny fahamarinana amin’ ny fony rehetra sy amin’ ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
Then Yahweh may establish his word which he spoke concerning me, saying, ‘If your children are careful of their way, to walk before me in truth with all their heart and with all their soul, there shall not fail you,’ he said, ‘a man on the throne of Israel.’
5 Ary ianao koa mahalala izay nataon’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’ izy roa lahy komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely, dia tamin’ i Abnera, zanak’ i Nera, sy tamin’ i Amasa, zanak’ i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin’ ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin’ ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
“Moreover you know also what Joab the son of Zeruiah did to me, even what he did to the two captains of the armies of Israel, to Abner the son of Ner and to Amasa the son of Jether, whom he killed, and shed the blood of war in peace, and put the blood of war on his sash that was around his waist and in his sandals that were on his feet.
6 Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ ny fiadanana ny volo fotsiny. (Sheol h7585)
Do therefore according to your wisdom, and don’t let his gray head go down to Sheol in peace. (Sheol h7585)
7 Fa ny zanak’ i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan’ izay mihinana eo amin’ ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ ireo tany amiko, fony nandositra an’ i Absaloma rahalahinao aho.
But show kindness to the sons of Barzillai the Gileadite, and let them be among those who eat at your table; for so they came to me when I fled from Absalom your brother.
8 Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin’ ny sabatra ianao.
“Behold, there is with you Shimei the son of Gera, the Benjamite of Bahurim, who cursed me with a grievous curse in the day when I went to Mahanaim; but he came down to meet me at the Jordan, and I swore to him by Yahweh, saying, ‘I will not put you to death with the sword.’
9 Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
Now therefore don’t hold him guiltless, for you are a wise man; and you will know what you ought to do to him, and you shall bring his gray head down to Sheol with blood.” (Sheol h7585)
10 Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
David slept with his fathers, and was buried in David’s city.
11 Ary ny andro nanjakan’ i Davida tamin’ ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
The days that David reigned over Israel were forty years; he reigned seven years in Hebron, and he reigned thirty-three years in Jerusalem.
12 Ary Solomona nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
Solomon sat on David his father’s throne; and his kingdom was firmly established.
13 Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nankany amin’ i Batseba, renin’ i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
Then Adonijah the son of Haggith came to Bathsheba the mother of Solomon. She said, “Do you come peaceably?” He said, “Peaceably.
14 Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
He said moreover, I have something to tell you.” She said, “Say on.”
15 Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ ny rahalahiko, fa azony avy tamin’ i Jehovah.
He said, “You know that the kingdom was mine, and that all Israel set their faces on me, that I should reign. However, the kingdom is turned around, and has become my brother’s; for it was his from Yahweh.
16 Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
Now I ask one petition of you. Don’t deny me.” She said to him, “Say on.”
17 Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin’ i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy), mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
He said, “Please speak to Solomon the king (for he will not tell you ‘no’), that he give me Abishag the Shunammite as wife.”
18 Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin’ ny mpanjaka.
Bathsheba said, “All right. I will speak for you to the king.”
19 Ary Batseba nankany amin’ i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin’ i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an’ i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an’ ny renin’ ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin’ ny ankavanany izy.
Bathsheba therefore went to King Solomon, to speak to him for Adonijah. The king rose up to meet her and bowed himself to her, and sat down on his throne and caused a throne to be set for the king’s mother; and she sat on his right hand.
20 Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
Then she said, “I ask one small petition of you; don’t deny me.” The king said to her, “Ask on, my mother, for I will not deny you.”
21 Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin’ i Adonia rahalahinao.
She said, “Let Abishag the Shunammite be given to Adonijah your brother as wife.”
22 Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an’ i Abisaga Sonemita ho an’ i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an’ i Joaba, zanak’ i Zeroia.
King Solomon answered his mother, “Why do you ask Abishag the Shunammite for Adonijah? Ask for him the kingdom also, for he is my elder brother; even for him, and for Abiathar the priest, and for Joab the son of Zeruiah.”
23 Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin’ i Jehovah hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
Then King Solomon swore by Yahweh, saying, “God do so to me, and more also, if Adonijah has not spoken this word against his own life.
24 Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.
Now therefore as Yahweh lives, who has established me and set me on my father David’s throne, and who has made me a house as he promised, surely Adonijah shall be put to death today.”
25 Ary Solomona mpanjaka naniraka an’ i Benaia, zanak’ i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
King Solomon sent Benaiah the son of Jehoiada; and he fell on him, so that he died.
26 Ary Abiatara mpisorona dia nilazan’ ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin’ izao andro izao, satria nitondra ny fiaran’ i Jehovah Tompo teo alohan’ i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin’ ny raiko tamin’ izay rehetra nampahoriana azy.
To Abiathar the priest the king said, “Go to Anathoth, to your own fields, for you are worthy of death. But I will not at this time put you to death, because you bore the Lord Yahweh’s ark before David my father, and because you were afflicted in all in which my father was afflicted.”
27 Ary Solomona dia nanongana an’ i Abiatara tsy ho mpisoron’ i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin’ ny taranak’ i Ely, izy.
So Solomon thrust Abiathar out from being priest to Yahweh, that he might fulfill Yahweh’s word which he spoke concerning the house of Eli in Shiloh.
28 Ary ren’ i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an’ i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an’ i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
This news came to Joab; for Joab had followed Adonijah, although he didn’t follow Absalom. Joab fled to Yahweh’s Tent, and held onto the horns of the altar.
29 Ary nambara tamin’ i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah, ka, indro, eo anilan’ ny alitara izy. Dia nirahin’ i Solomona Benaia, zanak’ i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
King Solomon was told, “Joab has fled to Yahweh’s Tent; and behold, he is by the altar.” Then Solomon sent Benaiah the son of Jehoiada, saying, “Go, fall on him.”
30 Ary Benaia tonga tao amin’ ny tranolain’ i Jehovah ka nanao tamin’ i Joaba hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin’ ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain’ i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
Benaiah came to Yahweh’s Tent, and said to him, “The king says, ‘Come out!’” He said, “No; but I will die here.” Benaiah brought the king word again, saying, “This is what Joab said, and this is how he answered me.”
31 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak’ i Joaba.
The king said to him, “Do as he has said, and fall on him, and bury him, that you may take away the blood, which Joab shed without cause, from me and from my father’s house.
32 Dia hatsingerin’ i Jehovah ho amin’ ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ ny sabatra, dia Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely sy Amasa, zanak’ i Jatera, komandin’ ny miaramilan’ ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
Yahweh will return his blood on his own head, because he fell on two men more righteous and better than he, and killed them with the sword, and my father David didn’t know it: Abner the son of Ner, captain of the army of Israel, and Amasa the son of Jether, captain of the army of Judah.
33 Eny, ny ran’ izy roa lahy ireo hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny lohan’ ny taranany mandrakizay; fa amin’ i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’ i Jehovah.
So their blood will return on the head of Joab and on the head of his offspring forever. But for David, for his offspring, for his house, and for his throne, there will be peace forever from Yahweh.”
34 Dia niakatra Benaia, zanak’ i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin’ ny fonenany tany an-efitra izy.
Then Benaiah the son of Jehoiada went up and fell on him, and killed him; and he was buried in his own house in the wilderness.
35 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no notendren’ ny mpanjaka ho solony ho komandin’ ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren’ ny mpanjaka ho solon’ i Abiatara.
The king put Benaiah the son of Jehoiada in his place over the army; and the king put Zadok the priest in the place of Abiathar.
36 Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
The king sent and called for Shimei, and said to him, “Build yourself a house in Jerusalem, and live there, and don’t go anywhere else.
37 Fa amin’ izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin’ ny lohanao ihany.
For on the day you go out and pass over the brook Kidron, know for certain that you will surely die. Your blood will be on your own head.”
38 Ary hoy Simey tamin’ ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain’ ny mpanjaka tompoko Izany no hataon’ ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
Shimei said to the king, “What you say is good. As my lord the king has said, so will your servant do.” Shimei lived in Jerusalem many days.
39 Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon’ i Simey, nandositra ho any amin’ i Akisy, zanak’ i Maka mpanjakan’ i Gata. Ary nisy nanambara tamin’ i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
At the end of three years, two of Shimei’s slaves ran away to Achish, son of Maacah, king of Gath. They told Shimei, saying, “Behold, your slaves are in Gath.”
40 Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin’ i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
Shimei arose, saddled his donkey, and went to Gath to Achish to seek his slaves; and Shimei went and brought his slaves from Gath.
41 Ary nambara tamin’ i Solomona ny nialan’ i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
Solomon was told that Shimei had gone from Jerusalem to Gath, and had come again.
42 Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’ i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’ izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
The king sent and called for Shimei, and said to him, “Didn’t I adjure you by Yahweh and warn you, saying, ‘Know for certain that on the day you go out and walk anywhere else, you shall surely die’? You said to me, ‘The saying that I have heard is good.’
43 Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’ i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
Why then have you not kept the oath of Yahweh and the commandment that I have instructed you with?”
44 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin’ i Davida raiko, eny, tsaroan’ ny fonao izany, ka dia hatsingerin’ i Jehovah amin’ ny lohanao ny haratsianao.
The king said moreover to Shimei, “You know in your heart all the wickedness that you did to David my father. Therefore Yahweh will return your wickedness on your own head.
45 Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan’ i Davida hampitoerina eo anatrehan’ i Jehovah mandrakizay.
But King Solomon will be blessed, and David’s throne will be established before Yahweh forever.”
46 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Benaia, zanak’ i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an’ i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan’ i Solomona.
So the king commanded Benaiah the son of Jehoiada; and he went out, and fell on him, so that he died. The kingdom was established in the hand of Solomon.

< 1 Mpanjaka 2 >