< 1 Mpanjaka 19 >

1 Dia nolazain’ i Ahaba tamin’ i Jezebela izay rehetra nataon’ i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ ny sabatra.
А Ахав приповеди Језавељи све што је учинио Илија и како је све пророке исекао мачем.
2 Ary Jezebela naniraka olona tany amin’ i Elia hanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ ny anankiray amin’ ireny ny ainao raha maraina toy izao.
Тада Језавеља посла гласнике к Илији и поручи му: Тако да учине богови и тако да додаду, ако сутра у ово доба не учиним од тебе шта је од кога год тих.
3 Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
А он видећи то уста и отиде душе своје ради, и дође у Вирсавеју Јудину, и онде остави момка свог.
4 Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin’ ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.
А сам отиде у пустињу дан хода; и дошав седе под смреку, и зажеле да умре, и рече: Доста је већ, Господе, прими душу моју, јер нисам бољи од отаца својих.
5 Ary raha nandry natory teo ambanin’ ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna.
Потом леже и заспа под смреком. А гле, анђео такну га и рече му: Устани, једи.
6 Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan’ ny lohany nisy mofo voaendy tamin’ ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
А он погледа, и гле, чело главе му хлеб на угљену печен и крчаг воде. И једе и напи се, па леже опет.
7 Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
А анђео Господњи дође опет другом, и такну га говорећи: Устани, једи, јер ти је пут далек.
8 Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin’ ny tanjaka azony tamin’ izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr’ Andriamanitra.
А он уставши једе и напи се; потом окрепивши се оним јелом иде четрдесет дана и четрдесет ноћи докле дође на гору Божју Хорив.
9 Ary niditra tao anatin’ ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
А онде уђе у једну пећину и заноћи у њој; и гле, реч Господња дође му говорећи: Шта ћеш ти ту, Илија?
10 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
А он рече: Ревновах веома за Господа Бога над војскама; јер синови Израиљеви оставише завет Твој, Твоје олтаре развалише, и пророке Твоје побише мачем; а ја остах сам, па траже душу моју да ми је узму.
11 Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin’ ny tendrombohitra eo anatrehan’ i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’ i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny horohoron-tany;
А Он рече: Изиђи и стани на гори пред Господом. И гле, Господ пролажаше, а пред Господом велик и јак ветар, који брда разваљиваше и стене разламаше; али Господ не беше у ветру; а иза ветра дође трус; али Господ не беше у трусу;
12 ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
А иза труса дође огањ; али Господ не беше у огњу. А иза огња дође глас тих и танак.
13 Ary raha ren’ i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia?
А кад то чу Илија, заклони лице своје плаштом и изашав стаде на вратима од пећине. И гле, дође му глас говорећи: Шта ћеш ти ту, Илија?
14 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
А он рече: Ревновах веома за Господа Бога над војскама; јер синови Израиљеви оставише завет Твој, Твоје олтаре развалише, и пророке Твоје побише мачем; а ја остах сам, па траже душу моју да ми је узму.
15 Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin’ ny nalehanao ho any amin’ ny efitr’ i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan’ i Syria;
Тада му рече Господ: Иди, врати се својим путем у пустињу дамаштанску, и кад дођеш помажи Азаила за цара над сиријом.
16 Ary Jeho, zanak’ i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary Elisa, zanak’ i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
А Јуја, сина Нимсијиног, помажи за цара над Израиљем, а Јелисија, сина Сафатовог из Авел-Меоле помажи за пророка место себе.
17 Ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Hazaela dia hovonoin’ i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Jeho kosa dia hovonoin’ i Elisa.
Јер ко утече од мача Азаиловог њега ће погубити Јуј; а ко утече од мача Јујевог њега ће погубити Јелисије.
18 Nefa hamela fito arivo ao amin’ ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’ i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
Али сам оставио у Израиљу седам хиљада, који ни један не савише колена пред Валом, нити га устима својим целиваше.
19 Ary niala teo Elia ka nahita an’ i Elisa, zanak’ i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin’ ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
И отиде од њега и нађе Јелисија, сина Сафатовог где оре, и дванаест јармова пред њим, а сам беше код дванаестог; и идући мимо њ Илија баци на њ плашт свој.
20 Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an’ i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an’ ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
А он остави волове, и отрча за Илијом и рече: Да целујем оца свог и матер своју; па ћу ићи за тобом. А он му рече: Иди, врати се, јер шта сам ти учинио?
21 Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin’ ny hazo fiasàn’ ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an’ i Elia, dia nanompo azy.
И он се врати од њега, и узе јарам волова и закла их, и на дрвима од плуга скува месо и даде га народу, те једоше; потом уставши отиде за Илијом и служаше му.

< 1 Mpanjaka 19 >