< 1 Mpanjaka 18 >

1 Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin’ i Elia ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin’ i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho.
And it happened after many days that the word of YHWH came to Elijah, in the third year, saying, "Go, present yourself to Ahab, and I will send rain on the earth."
2 Dia niainga Elia hiseho amin’ i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
So Elijah went to present himself to Ahab. And the famine was severe in Samaria.
3 Ary Ahaba niantso an’ i Obadia, izay lehiben’ ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an’ i Jehovah tokoa,
And Ahab summoned Obadiah, the steward of the house. (Now Obadiah feared YHWH greatly.
4 ka nony naringan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia nalain’ i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
And it came about, when Jezebel was killing the prophets of YHWH, that Obadiah took one hundred prophets and hid them, fifty by fifty in a cave, and fed them with bread and water.)
5 Ary hoy Ahaba tamin’ i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin’ ny loharano rehetra sy hatrany amin’ ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
And Ahab said to Obadiah, "Go through the land, to all the springs of water, and to all the wadis. Perhaps we may find grass and save the horses and mules alive, that we not lose all the animals."
6 Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin’ ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin’ ny lalana iray.
So they divided the land between them to explore it; Ahab went one way alone, and Obadiah went another way alone.
7 Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
And as Obadiah was on the way, look, Elijah met him; and he recognized him and fell on his face and said, "Is it you, my lord Elijah?"
8 Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
He answered him, "It is I. Go, tell your lord, 'Look, Elijah is here.'"
9 Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan’ i Ahaba hamonoany ahy?
And he said, "How have I sinned, that you would deliver your servant into the hand of Ahab, to kill me?
10 Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
As YHWH your God lives, there is no nation or kingdom, where my lord has not sent to seek you. When they said, 'He is not here,' he took an oath of the kingdom and nation, that they did not find you.
11 Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
Now you say, 'Go, tell your lord, "Look, Elijah is here."'
12 Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
It will happen, as soon as I am gone from you, that the Spirit of YHWH will carry you I do not know where; and so when I come and tell Ahab, and he can't find you, he will kill me. But I, your servant, have feared YHWH from my youth.
13 Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
Wasn't it told my lord what I did when Jezebel killed the prophets of YHWH, how I hid one hundred men of YHWH's prophets, fifty by fifty in a cave, and fed them with bread and water?
14 Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
Now you say, 'Go, tell your lord, "Look, Elijah is here";' and he will kill me."
15 Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
Elijah said, "As YHWH of hosts lives, before whom I stand, I will surely present myself to him today."
16 Dia lasa Obadia nitsena an’ i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an’ i Elia.
So Obadiah went to meet Ahab, and told him; and Ahab went to meet Elijah.
17 Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
It happened, when Ahab saw Elijah, that Ahab said to him, "Is that you, you troubler of Israel?"
18 Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
He answered, "I have not troubled Israel; but you, and your father's house, in that you have forsaken the commandments of YHWH, and you have followed the Baals.
19 Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin’ i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin’ ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin’ ny latabatr’ i Jezebela.
Now therefore send, and gather to me all Israel to Mount Carmel, and four hundred fifty of the prophets of Baal, and four hundred of the prophets of the Asherah, who eat at Jezebel's table."
20 Dia naniraka tany amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
So Ahab sent to all the children of Israel, and gathered the prophets together at Mount Carmel.
21 Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
Elijah came near to all the people, and said, "How long will you keep limping between two positions? If YHWH is God, follow him; but if Baal, then follow him." But the people did not answer him a word.
22 Dia hoy Elia tamin’ ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ ny mpaminanin’ i Jehovah; fa ny mpaminanin’ i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy.
Then Elijah said to the people, "I, even I only, am left a prophet of YHWH; but the prophets of Baal are four hundred and fifty men, and the prophets of Asherah four hundred.
23 Koa aoka ireo no hanome vantotr’ ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
Let them therefore give us two bulls; and let them choose one bull for themselves, and cut it in pieces, and lay it on the wood, and put no fire under. And I will prepare the other bull, and lay it on the wood, and put no fire under it.
24 Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
You call on the name of your god, and I will call on the name of YHWH, and the god who answers by fire, he is God." All the people answered, "It is well said."
25 Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
Then Elijah said to the prophets of Baal, "Choose one bull for yourselves, and prepare it first, for you are the majority, and call on the name of your god, but put no fire under it."
26 Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.
And they took the bull which was given them, and they prepared it, and called on the name of Baal from morning even until noon, saying, "Baal, answer us." But there was no voice, nor any who answered. And they limped about the altar they had made.
27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
And it came about, at noon, that Elijah mocked them, and said, "Cry aloud, for he is a god. Maybe he is thinking about it, or he is busy, or he is on a trip, or perhaps he is sleeping and must be awakened."
28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.
And they cried aloud, and cut themselves, as was their custom, with swords and spears, until the blood gushed out on them.
29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
And when midday was past, they prophesied until the offering up of the offering; but there was no voice, no answer, and no response.
30 Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava
Elijah said to all the people, "Come near to me"; and all the people came near to him. He repaired the altar of YHWH that had been torn down.
31 ka naka vato roa ambin’ ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ ny zanak’ i Jakoba, izay nihavian’ ilay tenin’ i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
Elijah took twelve stones, according to the number of the tribes of the sons of Jacob, to whom the word of YHWH came, saying, "Israel shall be your name."
32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho an’ ny anaran’ i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan’ ny famarana.
And with the stones he built an altar in the name of YHWH. And he made a trench around the altar, large enough to contain two seahs of seed.
33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr’ ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ ny kitay hazo,
And he arranged the wood, and cut the bull in pieces, and laid it on the wood.
34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ ny fanatitra dorana sy amin’ ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
And he said, "Fill four jars with water, and pour it on the burnt offering, and on the wood." And they did so. And he said, "Do it a second time"; and they did it the second time. And he said, "Do it a third time"; and they did it the third time.
35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
And the water ran around the altar; and he also filled the trench with water.
36 Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
It happened at the time of the offering up of the offering, that Elijah the prophet came near, and said, "YHWH, the God of Abraham, of Isaac, and of Israel, let it be known this day that you are God in Israel, and that I am your servant, and that I have done all these things at your word.
37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
Hear me, YHWH, hear me, that this people may know that you, YHWH, are God, and that you have turned their heart back again."
38 Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.
Then the fire of YHWH fell, and consumed the burnt offering, and the wood, and the stones, and the dust, and licked up the water that was in the trench.
39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
And when all the people saw it, they fell facedown and said, "YHWH, he is God. YHWH, he is God."
40 Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
And Elijah said to them, "Seize the prophets of Baal. Do not let one of them escape." And they seized them. And Elijah brought them down to the Wadi Kishon, and killed them there.
41 Ary hoy Elia tamin’ i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
And Elijah said to Ahab, "Get up, eat and drink; for there is the sound of a heavy rain."
42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’ i Karmela, dia niankohoka tamin’ ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ ny lohaliny
So Ahab went up to eat and to drink. Elijah went up to the top of Carmel; and he bowed himself down toward the ground, and put his face between his knees.
43 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
And he said to his servant, "Go up now, look toward the sea." So he went up, and looked, and said, "There is nothing." Then he said, "Go again" seven times. And the servant went again seven times.
44 Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan’ olona miakatra avy eny amin’ ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin’ i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan’ ny ranonorana ianao.
It happened at the seventh time, that he said, "Look, a small cloud, like a man's hand, is rising out of the sea." He said, "Go up, tell Ahab, 'Get ready and go down, so that the rain doesn't stop you.'"
45 Ary vetivety dia maintin’ ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin’ ny kalesy ka nankany Jezirela.
It happened in a little while, that the sky grew black with clouds and wind, and there was a heavy rain. Ahab rode, and went to Jezreel.
46 Ary ny tànan’ i Jehovah dia tao amin’ i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
The hand of YHWH was on Elijah; and he tucked his cloak into his belt and ran before Ahab to the entrance of Jezreel.

< 1 Mpanjaka 18 >