< 1 Mpanjaka 18 >

1 Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin’ i Elia ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin’ i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho.
Patapita masiku ambiri, mʼchaka chachitatu cha chilala, Yehova anayankhula ndi Eliya kuti, “Pita ukadzionetse kwa Ahabu ndipo ndidzagwetsa mvula pa dziko lapansi.”
2 Dia niainga Elia hiseho amin’ i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
Choncho Eliya anapita kukadzionetsa kwa Ahabu. Tsono nthawi imeneyi njala inakula kwambiri mu Samariya,
3 Ary Ahaba niantso an’ i Obadia, izay lehiben’ ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an’ i Jehovah tokoa,
ndipo Ahabu anayitana Obadiya amene ankayangʼanira nyumba yake yaufumu. (Obadiya ankaopa Yehova kwambiri.
4 ka nony naringan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia nalain’ i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
Pamene Yezebeli ankapha aneneri a Yehova, Obadiya anatenga aneneri 100 ndi kuwabisa mʼmapanga awiri, phanga lililonse aneneri makumi asanu, ndipo ankawapatsa chakudya ndi madzi).
5 Ary hoy Ahaba tamin’ i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin’ ny loharano rehetra sy hatrany amin’ ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
Ahabu anawuza Obadiya kuti, “Pita mʼdziko kulikonse kumene kuli zitsime za madzi ndi ku zigwa zonse. Mwina mwake tingapeze udzu oti nʼkumadyetsa akavalo ndi abulu kuti akhale ndi moyo, kuti tisaphe chiweto chilichonse.”
6 Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin’ ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin’ ny lalana iray.
Choncho anagawana dziko loti apiteko, Ahabu anapita mbali ina, Obadiya nʼkupita ina.
7 Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
Obadiya akuyenda mʼnjira anakumana ndi Eliya. Ndipo taonani, Obadiya anamuzindikira Eliyayo, naweramira pansi ndipo anati, “Kodi ndinu, mbuye wanga Eliya?”
8 Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
Eliya anayankha kuti, “Inde. Pita kawuze mbuye wako kuti, ‘Eliya wabwera.’”
9 Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan’ i Ahaba hamonoany ahy?
Obadiya anafunsa kuti, “Kodi ndalakwa chiyani kuti inu mupereke mtumiki wanu kwa Ahabu kuti akaphedwe?
10 Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
Pali Yehova Mulungu wanu wamoyo, kulibe mtundu wa anthu kapena ufumu uliwonse kumene mbuye wanga sanatumeko anthu okakufunafunani. Ndipo pamene mtundu wa anthu kapena ufumu unena kuti kuno kulibe, Ahabu ankawalumbiritsa kuti atsimikizedi kuti inuyo kulibe kumeneko.
11 Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
Koma tsopano mukundiwuza kuti ndipite kwa mbuye wanga ndi kukanena kuti, ‘Eliya wabwera.’
12 Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
Ine sindikudziwa kumene Mzimu wa Yehova udzakupititsani ine ndikachoka. Ngati ndipita kukamuwuza Ahabu ndipo iye wosadzakupezani, adzandipha. Komatu ine mtumiki wanu ndakhala ndi kupembedza Yehova kuyambira ubwana wanga.
13 Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
Mbuye wanga, kodi simunamve zimene ndinachita pamene Yezebeli ankapha aneneri a Yehova? Ine ndinabisa aneneri 100 a Yehova mʼmapanga awiri, mʼphanga lililonse aneneri makumi asanu, ndipo ndinkawapatsa chakudya ndi madzi akumwa.
14 Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
Ndiye inu tsopano mukundiwuza kuti ndipite kwa mbuye wanga ndi kukanena kuti, ‘Eliya wabwera.’ Iyeyo adzandipha ndithu!”
15 Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
Eliya anati, “Pali Yehova Wamphamvuzonse wamoyo, amene ndimamutumikira, ine lero ndidzaonekera ndithu pamaso pa Ahabu.”
16 Dia lasa Obadia nitsena an’ i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an’ i Elia.
Choncho Obadiya anapita kukakumana ndi Ahabu, namuwuza, ndipo Ahabu anapita kukakumana ndi Eliya.
17 Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
Pamene Ahabu anaona Eliya, anati kwa iye, “Kodi ndiwedi, munthu wovutitsa Israeli uja?”
18 Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
Eliya anayankha kuti, “Ine sindinavutitse Israeli, koma ndinuyo ndi banja lanu. Mwasiya malamulo a Yehova ndipo mwatsatira Abaala.
19 Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin’ i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin’ ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin’ ny latabatr’ i Jezebela.
Tsopano sonkhanitsani anthu a mʼdziko lonse la Israeli kuti akumane nane pa Phiri la Karimeli. Ndipo mubwere nawo aneneri a Baala 450 ndi aneneri a fano la Asera 400, amene amadya pa tebulo la Yezebeli.”
20 Dia naniraka tany amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
Choncho Ahabu anatumiza mawu mʼdziko lonse la Israeli, ndipo anasonkhanitsa aneneri a Baala ku Phiri la Karimeli.
21 Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
Eliya anapita patsogolo pa anthuwo ndipo anati, “Kodi mudzakhala anthu a mitima iwiri mpaka liti? Ngati Yehova ndi Mulungu, mutsateni; koma ngati Baala ndi Mulungu, mutsateni.” Koma anthu aja sanayankhe.
22 Dia hoy Elia tamin’ ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ ny mpaminanin’ i Jehovah; fa ny mpaminanin’ i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy.
Pamenepo Eliya ananena kwa iwo kuti, “Ine ndilipo ndekha mneneri wa Yehova, koma Baala ali ndi aneneri 450.
23 Koa aoka ireo no hanome vantotr’ ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
Tibweretsereni ngʼombe zazimuna ziwiri. Iwo asankhepo okha ngʼombe imodzi, ndipo ayidule nthulinthuli ndi kuziyika pa nkhuni nthulizo, koma osakolezapo moto. Ndipo ine ndidzadula nthulinthuli ngʼombe inayo ndi kuyika pa nkhuni koma sindikolezapo moto.
24 Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
Kenaka inu muyitane dzina la mulungu wanu, ndipo ine ndidzayitana dzina la Yehova. Mulungu amene ati ayankhe potumiza moto, iyeyo ndiye Mulungu.” Pamenepo anthu onse anati, “Izi mwanena zamveka bwino.”
25 Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
Eliya anawuza aneneri a Baala kuti, “Yambani ndinu. Sankhani ngʼombe yayimuna imodzi, muyikonze, popeza mulipo ambiri. Muyitane dzina la mulungu wanu, koma musakoleze moto.”
26 Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.
Choncho iwo anatenga ngʼombe yayimunayo imene anawapatsa, nayikonza. Kenaka anayitana dzina la Baala kuyambira mmawa mpaka masana. Iwo anafuwula kuti, “Inu Baala, tiyankheni ife.” Koma panalibe yankho; palibe amene anayankha. Ndipo anavinavina mozungulira guwa lansembe limene anapanga.
27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
Nthawi yamasana Eliya anayamba kuwanyogodola ndipo anati, “Fuwulani kwambiri. Ndithudi, iye ndi mulungu! Mwinatu akulingalira kwambiri, kapena watanganidwa, kapena ali paulendo. Mwina wagona ndipo nʼkofunika kuti adzutsidwe.”
28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.
Choncho iwo anafuwula kwambiri ndi kudzichekacheka ndi malupanga ndi mikondo, potsata miyambo yawo, mpaka kutuluka magazi.
29 Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
Nthawi yamasana inadutsa, ndipo anapitiriza kunenera mwakhama mpaka nthawi yopereka nsembe ya madzulo. Koma panalibe yankho. Palibe amene anayankha, kapena kulabadira zimenezo.
30 Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava
Pamenepo Eliya anati kwa anthu onse, “Senderani pafupi ndi ine.” Ndipo anthu onsewo anasendera pafupi ndi iye, ndipo iye anakonza guwa lansembe la Yehova limene linali litawonongeka.
31 ka naka vato roa ambin’ ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ ny zanak’ i Jakoba, izay nihavian’ ilay tenin’ i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
Eliya anatenga miyala 12, mwala uliwonse kuyimira fuko lililonse la Yakobo, amene Yehova anamuwuza kuti, “Dzina lako lidzakhala Israeli.”
32 ary izany vato izany dia nataony alitara ho an’ ny anaran’ i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan’ ny famarana.
Ndi miyala imeneyo anamanga guwa mʼdzina la Yehova, ndipo anakumba ngalande yayikulu yolowa malita 15 a madzi kuzungulira guwalo.
33 Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr’ ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ ny kitay hazo,
Anayika nkhuni zija mʼmalo mwake nadula nthulinthuli ngʼombe yayimuna ija ndi kuyika nthulizo pa nkhunipo. Pamenepo Eliya anati, “Dzazani mitsuko inayi ndi madzi ndipo muwathire pa nyama ya nsembeyo ndi nkhunizo.”
34 dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ ny fanatitra dorana sy amin’ ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
Eliya anati, “Thiraninso kachiwiri.” Anthu aja anathiranso madziwo kachiwiri. Iye analamula kuti, “Thiraninso kachitatu.” Ndipo iwo anathiranso kachitatu.
35 Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
Madziwo anayenderera pansi kuzungulira guwa lansembe, nadzaza ngalande yonse.
36 Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
Pa nthawi yopereka nsembe, mneneri Eliya anasendera pafupi ndi guwa lansembe, napemphera kuti, “Inu Yehova, Mulungu wa Abrahamu, Isake ndi Yakobo, lero zidziwike kuti ndinu Mulungu mu Israeli ndipo kuti ine ndine mtumiki wanu, kuti ine ndachita zonsezi chifukwa mwalamula ndinu.
37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
Ndiyankheni, Inu Yehova, ndiyankheni, kuti anthu awa adziwe Inu Yehova, kuti ndinu Mulungu, ndipo kuti mutembenuziranso mitima yawo kwa Inu.”
38 Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.
Pamenepo moto wa Yehova unagwa, nunyeketsa nsembe yopserezayo, nkhuni, miyala ndi dothi lomwe. Unawumitsanso madzi amene anali mʼngalande.
39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
Anthu onse ataona zimenezi, anaweramitsa nkhope zawo pansi, nafuwula kuti, “Yehova ndiye Mulungu! Yehova ndiye Mulungu!”
40 Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
Pamenepo Eliya analamula anthuwo kuti, “Gwirani aneneri a Baala. Musalole kuti wina aliyense athawe!” Anagwira onsewo ndipo Eliya anabwera nawo ku Chigwa cha Kisoni, nawapha kumeneko.
41 Ary hoy Elia tamin’ i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
Ndipo Eliya anati kwa Ahabu, “Pitani, kadyeni ndi kumwa, pakuti kukumveka mkokomo wa mvula.”
42 Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’ i Karmela, dia niankohoka tamin’ ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ ny lohaliny
Choncho Ahabu anapita kukadya ndi kumwa, koma Eliya anakwera pamwamba pa Phiri la Karimeli, ndipo anawerama mpaka pansi, nayika mutu wake pakati pa mawondo ake.
43 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
Eliya anawuza mtumiki wake kuti, “Pita kayangʼane ku nyanja.” Ndipo iye anapita nakayangʼana. Mtumikiyo anati, “Kulibe kanthu.” Kasanu nʼkawiri Eliya anati, “Pitanso.”
44 Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan’ olona miakatra avy eny amin’ ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin’ i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan’ ny ranonorana ianao.
Ulendo wachisanu ndi chiwiri mtumikiyo anafotokoza kuti, “Taonani, kamtambo kakangʼono kokhala ngati dzanja la munthu kakutuluka ku nyanja.” Pamenepo Eliya anati, “Pita, kamuwuze Ahabu kuti, ‘Konzani galeta lanu ndipo mutsike mvula isanakutsekerezeni.’”
45 Ary vetivety dia maintin’ ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin’ ny kalesy ka nankany Jezirela.
Nthawi imeneyi nʼkuti kuthambo kutayamba kusonkhana mitambo yakuda, mphepo inawomba, mvula yamphamvu inagwa ndipo Ahabu anakwera galeta napita ku Yezireeli.
46 Ary ny tànan’ i Jehovah dia tao amin’ i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.
Dzanja la Yehova linali pa Eliya ndipo atamangira lamba chovala chake, anathamanga ndi kumupitirira Ahabu mpaka kukhala woyamba kukafika ku Yezireeli.

< 1 Mpanjaka 18 >