< 1 Mpanjaka 15 >

1 Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.
La dix-huitième année du roi Jéroboam, fils de Nébat, Abijam commença à régner sur Juda.
2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
Il régna trois ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Maaca, et était fille d'Abishalom.
3 Ary nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
Il marcha dans tous les péchés que son père avait commis avant lui; et son cœur ne fut point intègre envers l'Éternel son Dieu, comme le cœur de David, son père.
4 Nefa noho ny amin’ i Davida dia nomen’ i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an’ i Jerosalema Izy,
Mais, pour l'amour de David, l'Éternel son Dieu lui donna une lampe dans Jérusalem, suscitant son fils après lui et laissant subsister Jérusalem;
5 satria Davida nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ka tsy nivily niala tamin’ izay nandidiany azy tamin’ ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’ i Oria Hetita ihany.
Parce que David avait fait ce qui est droit devant l'Éternel, et que, pendant toute sa vie, il ne s'était point détourné de tout ce qu'il lui avait commandé, excepté dans l'affaire d'Urie, le Héthien.
6 Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin’ ny andro rehetra niainany.
Et il y avait eu guerre entre Roboam et Jéroboam, tout le temps de leur vie.
7 Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Ary niady Abia sy Jeroboama
Le reste des actions d'Abijam et tout ce qu'il fit, cela n'est-il pas écrit au livre des Chroniques des rois de Juda? Il y eut aussi guerre entre Abijam et Jéroboam.
8 Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
Et Abijam s'endormit avec ses pères, et on l'ensevelit dans la cité de David; et Asa, son fils, régna à sa place.
9 Ary tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Asa tamin’ ny Joda.
La vingtième année de Jéroboam, roi d'Israël, Asa commença à régner sur Juda;
10 Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
Et il régna quarante et un ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Maaca, et elle était fille d'Abishalom.
11 Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah toy ny nataon’ i Davida rainy.
Et Asa fit ce qui est droit aux yeux de l'Éternel, comme David, son père.
12 Fa nesoriny tamin’ ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
Il chassa du pays les prostitués, et il ôta toutes les idoles que ses pères avaient faites.
13 Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
Et même il destitua de son rang sa mère, Maaca, qui avait fait une idole pour Ashéra. Et Asa abattit son idole et la brûla au torrent de Cédron.
14 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’ i Jehovah ny fon’ i Asa tamin’ ny andro rehetra niainany.
Les hauts lieux ne furent point ôtés; néanmoins, le cœur d'Asa fut intègre envers l'Éternel tout le long de ses jours,
15 Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
Et il remit dans la maison de l'Éternel les choses qui avaient été consacrées par son père, avec ce qu'il lui avait aussi consacré, l'argent, l'or et les ustensiles.
16 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
Or il y eut guerre entre Asa et Baesha, roi d'Israël, tout le temps de leur vie.
17 Ary Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an’ i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
Et Baesha, roi d'Israël, monta contre Juda, et il bâtit Rama, afin de ne laisser sortir ni entrer aucun homme pour Asa, roi de Juda.
18 Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan’ ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin’ i Beni-hadada, zanak’ i Tabrimona, zanak’ i Heziona, mpanjakan’ i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
Alors Asa prit tout l'argent et l'or demeuré dans les trésors de l'Éternel et les trésors de la maison royale, et les remit à ses serviteurs; et le roi Asa les envoya vers Ben-Hadad, fils de Tabrimon, fils de Hezjon, roi de Syrie, qui habitait à Damas, pour lui dire:
19 Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
Il y a alliance entre moi et toi, comme entre mon père et ton père; voici je t'envoie un présent en argent et en or; va, romps ton alliance avec Baesha, roi d'Israël, afin qu'il se retire de moi.
20 Ary Beni-hadada nihaino an’ i Asa mpanjaka ka naniraka komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely, ary namely an’ Iona sy Dana sy Abela-beti-maka ary Kinerota rehetra mbamin’ ny tanin’ ny Naftaly rehetra izy.
Et Ben-Hadad écouta le roi Asa, et il envoya les capitaines de ses armées contre les villes d'Israël; et il frappa Ijjon, Dan, Abel-Beth-Maaca et tout Kinnéroth, avec tout le pays de Nephthali.
21 Ary rehefa ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
Et aussitôt que Baesha l'eut appris, il cessa de bâtir Rama; et il resta à Thirtsa.
22 Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa; ary nentin’ i Asa mpanjaka nanamboatra an’ i Geban’ i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
Alors le roi Asa fit publier par tout Juda, que tous, sans exempter personne, eussent à emporter les pierres et le bois de Rama, que Baesha faisait bâtir; et le roi Asa en bâtit Guéba de Benjamin, et Mitspa.
23 Ary ny tantaran’ i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’ izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Nefa kosa tamin’ ny andro fahanterany dia narary tamin’ ny tongony izy.
Quant à tout le reste des actions d'Asa et tous ses exploits, et tout ce qu'il fit, et les villes qu'il bâtit, cela n'est-il pas écrit au livre des Chroniques des rois de Juda? Seulement, au temps de sa vieillesse, il fut malade des pieds.
24 Ary lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
Et Asa s'endormit avec ses pères, et il fut enseveli avec eux dans la cité de David, son père; et Josaphat, son fils, régna à sa place.
25 Ary Nadaba, zanak’ i Jeroboama, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
Nadab, fils de Jéroboam, avait commencé à régner sur Israël la seconde année d'Asa, roi de Juda, et il régna deux ans sur Israël.
26 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan-drainy sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel; et il marcha dans la voie de son père et dans le péché par lequel il avait fait pécher Israël.
27 Ary Basa, zanak’ i Ahia, amin’ ny taranak’ Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an’ ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an’ i Gibetona fahizay).
Et Baesha, fils d'Achija, de la maison d'Issacar, conspira contre lui, et le frappa à Guibbéthon qui est aux Philistins, lorsque Nadab et tout Israël assiégeaient Guibbéthon.
28 Ary Basa nahafaty azy tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
Baesha le fit donc mourir, la troisième année d'Asa, roi de Juda; et il régna à sa place.
29 Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin’ i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an’ i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita mpanompony,
Et dès qu'il fut roi, il frappa toute la maison de Jéroboam; et il ne laissa à Jéroboam aucune âme vivante qu'il n'exterminât, selon la parole que l'Éternel avait prononcée par son serviteur Achija, de Silo,
30 noho ny fahotana nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin’ izay nataony nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
A cause des péchés que Jéroboam avait commis et fait commettre à Israël, en provoquant l'Éternel, le Dieu d'Israël.
31 Ary ny tantaran’ i Nadaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Le reste des actions de Nadab, et tout ce qu'il fit, cela n'est-il pas écrit au livre des Chroniques des rois d'Israël?
32 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
Or, il y eut guerre entre Asa et Baesha, roi d'Israël, tout le temps de leur vie.
33 Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Basa, zanak’ i Ahia, tamin’ ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
La troisième année d'Asa, roi de Juda, Baesha, fils d'Achija, commença à régner sur tout Israël, à Thirtsa; il régna vingt-quatre ans.
34 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel; et il marcha dans la voie de Jéroboam et dans le péché par lequel il avait fait pécher Israël.

< 1 Mpanjaka 15 >