< 1 Mpanjaka 13 >

1 Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
Mais voici, un homme de Dieu vint de Juda à Béthel, par la parole de l'Éternel, comme Jéroboam se tenait près de l'autel pour offrir des parfums.
2 Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
Et il cria contre l'autel, par la parole de l'Éternel, et dit: Autel, autel! ainsi dit l'Éternel: Voici un fils naîtra à la maison de David; son nom sera Josias; il immolera sur toi les sacrificateurs des hauts lieux qui brûlent sur toi des parfums; et on brûlera sur toi des ossements d'homme!
3 Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain’ i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
Et il donna, le jour même, un signe en disant: C'est ici le signe que l'Éternel a parlé: Voici l'autel se fendra, et la cendre qui est dessus sera répandue.
4 Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Et quand le roi entendit la parole que l'homme de Dieu prononçait à voix haute contre l'autel de Béthel, Jéroboam étendit sa main de dessus l'autel, en disant: Saisissez-le! Et la main qu'il étendait contre lui devint sèche, et il ne put la ramener à lui.
5 Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra noho ny tenin’ i Jehovah.
L'autel aussi se fendit, et la cendre qui était dessus fut répandue, conformément au signe que l'homme de Dieu avait donné, par la parole de l'Éternel.
6 Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
Alors le roi prit la parole et dit à l'homme de Dieu: Implore, je te prie, l'Éternel ton Dieu, et prie pour moi, pour que ma main puisse revenir à moi. Et l'homme de Dieu implora l'Éternel, et la main du roi put revenir à lui; et elle fut comme auparavant.
7 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
Puis le roi dit à l'homme de Dieu: Entre avec moi dans la maison, et te restaure; et je te ferai un présent.
8 Fa hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
Mais l'homme de Dieu dit au roi: Quand tu me donnerais la moitié de ta maison, je n'entrerais pas chez toi, et je ne mangerais de pain ni ne boirais d'eau en ce lieu-ci.
9 fa izao no tenin’ i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’ izay lalana efa nalehanao.
Car j'ai reçu cet ordre de l'Éternel, qui m'a dit: Tu ne mangeras point de pain et ne boiras point d'eau, et tu ne reviendras point par le chemin par lequel tu seras allé.
10 Dia nandeha tamin’ ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin’ ilay nalehany ho any Betela.
Il s'en alla donc par un autre chemin et ne retourna point par le chemin par lequel il était venu à Béthel.
11 Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra androtr’ iny tao Betela; ary nolazain’ ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin’ ny mpanjaka.
Or, il y avait un vieux prophète qui demeurait à Béthel, à qui son fils vint raconter toutes les choses que l'homme de Dieu avait faites ce jour-là à Béthel, et les paroles qu'il avait dites au roi; et comme les fils les rapportaient à leur père,
12 Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
Celui-ci leur dit: Par quel chemin s'en est-il allé? Or, ses fils avaient vu le chemin par lequel l'homme de Dieu qui était venu de Juda, s'en était allé.
13 Ary hoy izy tamin’ ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
Et il dit à ses fils: Sellez-moi l'âne. Et ils lui sellèrent l'âne; et il monta dessus.
14 Ary dia nanaraka ilay lehilahin’ Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
Ainsi il s'en alla après l'homme de Dieu; et il le trouva assis sous un chêne, et il lui dit: Es-tu l'homme de Dieu qui est venu de Juda? Et il lui dit: C'est moi.
15 Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
Et il lui dit: Viens avec moi à la maison et mange du pain.
16 Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,
Mais il répondit: Je ne puis retourner avec toi, ni entrer chez toi; et je ne mangerai point de pain, ni ne boirai d'eau avec toi dans ce lieu;
17 satria tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin’ ny lalana efa nalehanao.
Car il m'a été dit par la parole de l'Éternel: Tu n'y mangeras point de pain et tu n'y boiras point d'eau; et tu ne retourneras point par le chemin par lequel tu seras allé.
18 Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
Et il lui dit: Moi aussi, je suis prophète comme toi; et un ange m'a parlé, de la part de l'Éternel, et m'a dit: Ramène-le avec toi dans ta maison, et qu'il mange du pain et boive de l'eau. Il lui mentait.
19 Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
Alors il s'en retourna avec lui, et il mangea du pain et but de l'eau dans sa maison.
20 Ary raha mbola nipetraka teo amin’ ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin’ ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’ i Jehovah;
Et il arriva, comme ils étaient assis à table, que la parole de l'Éternel fut adressée au prophète qui l'avait ramené.
21 ary izy niteny mafy tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao,
Et il cria à l'homme de Dieu, qui était venu de Juda: Ainsi parle l'Éternel: Parce que tu as été rebelle à l'ordre de l'Éternel, et que tu n'as point gardé le commandement que l'Éternel ton Dieu t'avait donné,
22 fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin’ ny tany izay nandraran’ i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
Mais que tu t'en es retourné, et que tu as mangé du pain et bu de l'eau dans le lieu dont il t'avait dit: N'y mange point de pain et n'y bois point d'eau; ton corps n'entrera point au tombeau de tes pères.
23 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan’ ilay mpaminany naveriny.
Après qu'il eut mangé du pain et qu'il eut bu, il fit seller l'âne pour le prophète qu'il avait ramené.
24 Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan’ ny faty.
Et celui-ci s'en alla, et un lion le trouva dans le chemin et le tua; et son corps était étendu dans le chemin, et l'âne se tenait auprès du corps; le lion aussi se tenait auprès du corps.
25 Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan’ ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran’ ilay mpaminany antitra.
Et voici, quelques passants virent le corps étendu dans le chemin, et le lion qui se tenait auprès du corps; et ils vinrent le dire dans la ville où demeurait le vieux prophète.
26 Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin’ Andriamanitra nandà ny tenin’ i Jehovah izay; fa natolotr’ i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’ i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
Quand le prophète qui avait ramené du chemin l'homme de Dieu, l'eut appris, il dit: C'est l'homme de Dieu qui a été rebelle à l'ordre de l'Éternel. L'Éternel l'a livré au lion, qui l'a déchiré et l'a tué, selon la parole que l'Éternel lui avait dite.
27 Ary izy niteny tamin’ ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
Et il dit a ses fils: Sellez-moi l'âne; et ils le sellèrent.
28 Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan’ ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
Et il alla, et trouva son corps gisant dans le chemin, et l'âne et le lion qui se tenaient auprès du corps; le lion n'avait pas dévoré le corps et n'avait pas déchiré l'âne.
29 Ary nobetain’ ilay mpaminany ny fatin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nasampiny tamin’ ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
Et le prophète releva le corps de l'homme de Dieu, et le mit sur l'âne, et le ramena. Et ce vieux prophète revint dans la ville pour en faire le deuil et l'ensevelir.
30 Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian’ ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
Et il mit son corps dans son tombeau; et ils pleurèrent sur lui, en disant: Hélas, mon frère!
31 Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin’ ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin’ ny fasana izay ilevenan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, ka ataovy eo anilan’ ny taolany ny taolako;
Et après l'avoir enseveli, il dit à ses fils: Quand je serai mort, ensevelissez-moi dans le tombeau où est enseveli l'homme de Dieu; et mettez mes os à côté de ses os.
32 fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin’ i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin’ ny alitara ao Betela sy amin’ ny trano rehetra eny amin’ ny fitoerana avo izay any an-tanànan’ i Samaria.
Car elle s'accomplira certainement la parole qu'il a prononcée à voix haute, de la part de l'Éternel, contre l'autel qui est à Béthel et contre toutes les maisons des hauts lieux qui sont dans les villes de Samarie.
33 Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.
Néanmoins Jéroboam ne se détourna point de sa mauvaise voie; mais il fit de nouveau, pour les hauts lieux, des sacrificateurs pris de tout le peuple; et il instituait qui le voulait, pour en faire un sacrificateur des hauts lieux.
34 Ary dia tonga fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin’ ny tany.
Et cela augmenta tellement le péché de la maison de Jéroboam, qu'elle fut effacée et exterminée de dessus la terre.

< 1 Mpanjaka 13 >