< 1 Mpanjaka 10 >

1 Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa nahare ny lazan’ i Solomona ny amin’ ny anaran’ i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin’ ny fanontaniana sarotra,
Sed et regina Saba, audita fama Salomonis in nomine Domini, venit tentare eum in ænigmatibus.
2 ka tonga tany Jerosalema izy mbamin’ ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin’ i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.
Et ingressa Jerusalem multo cum comitatu et divitiis, camelis portantibus aromata, et aurum infinitum nimis, et gemmas pretiosas, venit ad regem Salomonem, et locuta est ei universa quæ habebat in corde suo.
3 Ary voavalin’ i Solomona izy tamin’ izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
Et docuit eam Salomon omnia verba quæ proposuerat: non fuit sermo qui regem posset latere, et non responderet ei.
4 Ary rehefa hitan’ ilay mpanjakavavin’ i Sheba ny fahendren’ i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
Videns autem regina Saba omnem sapientiam Salomonis, et domum quam ædificaverat,
5 sy ny fihinany teo amin’ ny latabany sy ny fipetrahan’ ny tandapany sy ny fitoeran’ ny mpanompony mbamin’ ny fitafian’ ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
et cibos mensæ ejus, et habitacula servorum, et ordines ministrantium, vestesque eorum, et pincernas, et holocausta quæ offerebat in domo Domini: non habebat ultra spiritum.
6 Ka hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin’ ny taniko ny amin’ ny teninao sy ny fahendrenao.
Dixitque ad regem: Verus est sermo quem audivi in terra mea
7 kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
super sermonibus tuis, et super sapientia tua: et non credebam narrantibus mihi, donec ipsa veni, et vidi oculis meis, et probavi quod media pars mihi nuntiata non fuerit: major est sapientia et opera tua, quam rumor quem audivi.
8 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
Beati viri tui, et beati servi tui, qui stant coram te semper, et audiunt sapientiam tuam.
9 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely; fa noho ny fitiavan’ i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Sit Dominus Deus tuus benedictus, cui complacuisti, et posuit te super thronum Israël, eo quod dilexerit Dominus Israël in sempiternum, et constituit te regem ut faceres judicium et justitiam.
10 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen’ ny mpanjakavavin’ i Sheba ho an’ i Solomona mpanjaka.
Dedit ergo regi centum viginti talenta auri, et aromata multa nimis, et gemmas pretiosas: non sunt allata ultra aromata tam multa, quam ea quæ dedit regina Saba regi Salomoni.
11 Ary ny sambon’ i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
(Sed et classis Hiram, quæ portabat aurum de Ophir, attulit ex Ophir ligna thyina multa nimis, et gemmas pretiosas.
12 Ary ny hazo almoga dia nataon’ ny mpanjaka arofanina tamin’ ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an’ ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
Fecitque rex de lignis thyinis fulcra domus Domini et domus regiæ, et citharas lyrasque cantoribus: non sunt allata hujuscemodi ligna thyina, neque visa usque in præsentem diem.)
13 Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin’ i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen’ i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ ny taniny izy mbamin’ ny mpanompony.
Rex autem Salomon dedit reginæ Saba omnia quæ voluit et petivit ab eo, exceptis his quæ ultro obtulerat ei munere regio. Quæ reversa est, et abiit in terram suam cum servis suis.
14 Ary ny lanjan’ ny volamena izay tonga tao amin’ i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
Erat autem pondus auri quod afferebatur Salomoni per annos singulos, sexcentorum sexaginta sex talentorum auri,
15 afa-tsy izay azony tamin’ ny mpandranto sy ny tamin’ ny varotry ny mpivarotra ary tamin’ ny mpanjakan’ ny firenena samy hafa rehetra sy tamin’ ny mpanapaka ny tany.
excepto eo quod afferebant viri qui super vectigalia erant, et negotiatores, universique scruta vendentes, et omnes reges Arabiæ, ducesque terræ.
16 Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ ny ampinga lehibe iray.
Fecit quoque rex Salomon ducenta scuta de auro purissimo: sexcentos auri siclos dedit in laminas scuti unius.
17 Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin’ ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin’ ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona ireo.
Et trecentas peltas ex auro probato: trecentæ minæ auri unam peltam vestiebant: posuitque eas rex in domo saltus Libani.
18 Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
Fecit etiam rex Salomon thronum de ebore grandem: et vestivit eum auro fulvo nimis,
19 Nisy ambaratonga enina tamin’ ny seza fiandrianana; ary ny lohan’ ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin’ ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ ny fitehenan-tanana.
qui habebat sex gradus: et summitas throni rotunda erat in parte posteriori: et duæ manus hinc atque inde tenentes sedile: et duo leones stabant juxta manus singulas.
20 Ary nisy sarin-diona roa ambin’ ny folo teo an-daniny roa teo amin’ ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin’ ny fanjakana rehetra.
Et duodecim leunculi stantes super sex gradus hinc atque inde: non est factum tale opus in universis regnis.
21 Ary ny fisotroan’ i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin’ ny andron’ i Solomona.
Sed et omnia vasa quibus potabat rex Salomon, erant aurea: et universa supellex domus saltus Libani de auro purissimo: non erat argentum, nec alicujus pretii putabatur in diebus Salomonis,
22 Fa ny mpanjaka nanana sambon’ i Tarsisy mbamin’ ny sambon’ i Hirama teny ambonin’ ny ranomasina; ary indray mandeha amin’ ny telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
quia classis regis per mare cum classe Hiram semel per tres annos ibat in Tharsis, deferens inde aurum, et argentum, et dentes elephantorum, et simias, et pavos.
23 Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany.
Magnificatus est ergo rex Salomon super omnes reges terræ divitiis et sapientia.
24 Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
Et universa terra desiderabat vultum Salomonis, ut audiret sapientiam ejus, quam dederat Deus in corde ejus.
25 Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
Et singuli deferebant ei munera, vasa argentea et aurea, vestes et arma bellica, aromata quoque, et equos et mulos per annos singulos.
26 Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin’ ireo tanàna fitoeran’ ny kalesy sy tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
Congregavitque Salomon currus et equites, et facti sunt ei mille quadringenti currus, et duodecim millia equitum: et disposuit eos per civitates munitas, et cum rege in Jerusalem.
27 Ary nataon’ ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Fecitque ut tanta esset abundantia argenti in Jerusalem, quanta et lapidum: et cedrorum præbuit multitudinem quasi sycomoros quæ nascuntur in campestribus.
28 Ary avy any Egypta no nahazoan’ i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ ny mpandranton’ ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
Et educebantur equi Salomoni de Ægypto, et de Coa. Negotiatores enim regis emebant de Coa, et statuto pretio perducebant.
29 Ary ny vidin’ ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an’ ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Syriana.
Egrediebatur autem quadriga ex Ægypto sexcentis siclis argenti, et equus centum quinquaginta. Atque in hunc modum cuncti reges Hethæorum et Syriæ equos venundabant.

< 1 Mpanjaka 10 >