< 1 Mpanjaka 1 >

1 Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
Le roi David était vieux, avancé en âge; on le couvrait de vêtements, sans qu’il pût se réchauffer.
2 Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan’ ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
Ses serviteurs lui dirent: « Que l’on cherche pour mon seigneur le roi une jeune fille vierge; qu’elle se tienne devant le roi et le soigne, et qu’elle couche dans ton sein, et mon seigneur le roi se réchauffera. »
3 Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra izy ka nahita an’ i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin’ ny mpanjaka.
On chercha dans tout le territoire d’Israël une jeune fille qui fût belle, et l’on trouva Abisag, la Sunamite, que l’on amena au roi.
4 Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
Cette jeune fille était fort belle; elle soigna le roi et le servit; mais le roi ne la connut point.
5 Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
Or Adonias, fils de Haggith, s’élevait dans ses pensées, disant: « C’est moi qui serai roi. » Et il se procura des chars et des chevaux, et cinquante hommes courant devant lui.
6 Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an’ i Absaloma.
Et son père ne lui avait jamais fait de peine dans sa vie en lui disant: « Pourquoi agis-tu ainsi? » En outre, Adonias était très beau de figure, et sa mère l’avait enfanté après Absalom.
7 Ary efa niresaka tamin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin’ i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
Il y eut des entretiens avec Joab, fils de Sarvia, et avec le prêtre Abiathar; et ils embrassèrent le parti d’Adonias.
8 Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak’ i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an’ i Davida kosa tsy mba niandany tamin’ i Adonia.
Mais le prêtre Sadoc, Banaïas, fils de Joïadas, Nathan le prophète, Séméï, Réï et les vaillants hommes de David ne furent pas avec Adonias.
9 Ary Adonia namono ondry aman’ osy sy omby ary zanak’ omby mifahy teo anilan’ ny vato Zoheleta tanilan’ i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda, mpanompon’ ny mpanjaka;
Adonias immola des brebis, des bœufs et des veaux gras près de la pierre de Zohéleth, qui est à côté d’En-Rogel, et il invita tous ses frères, fils du roi, et tous les hommes de Juda, serviteurs du roi.
10 fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
Mais il n’invita pas Nathan le prophète, ni Banaïas, ni les vaillants hommes, ni Salomon, son frère.
11 Ary Natana niteny tamin’ i Batseba, renin’ i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak’ i Hagita, nefa tsy fantatr’ i Davida tompontsika akory izany?
Alors Nathan dit à Bethsabée, mère de Salomon: « N’as-tu pas appris qu’Adonias, fils de Haggith, est devenu roi, sans que notre seigneur David le sache?
12 Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain’ i Solomona zanakao.
Viens donc maintenant, laisse-moi te donner un conseil, afin que tu sauves ta vie et celle de ton fils Salomon.
13 Mandehana mankany amin’ i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
Va, entre chez le roi David, et dis-lui: O roi, mon seigneur, n’as-tu pas fait serment à ta servante en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et c’est lui qui s’assiéra sur mon trône? Pourquoi donc Adonias est-il devenu roi?
14 Ary raha mbola miteny amin’ ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
Et voici, pendant que tu parleras là avec le roi, j’entrerai après toi, et je confirmerai tes paroles. »
15 Ary Batseba dia nankao amin’ ny mpanjaka tao amin’ ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
Bethsabée se rendit auprès du roi, dans sa chambre; le roi était très vieux, et Abisag, la Sunamite, servait le roi.
16 Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
Bethsabée s’inclina et se prosterna devant lui, et le roi dit: « Que veux-tu? »
17 Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako.
Elle lui répondit: « Mon seigneur, tu as fait serment à ta servante par Yahweh, ton Dieu, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et c’est lui qui sera assis sur mon trône.
18 Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
Et maintenant, voici qu’Adonias est devenu roi, et cependant, toi, ô roi mon seigneur, tu l’ignores!
19 Ary efa namono omby sy zanak’ omby mifahy ary ondry aman’ osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin’ ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
Il a immolé des bœufs, des veaux gras et des brebis en grand nombre; et il a invité tous les fils du roi, le prêtre Abiathar, et Joab, chef de l’armée, mais il n’a pas invité Salomon, ton serviteur.
20 Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason’ ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin’ ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
Cependant, ô roi mon seigneur, tout Israël a les yeux sur toi, pour que tu fasses connaître qui doit s’asseoir sur le trône du roi mon seigneur après lui.
21 Fa rehefa lasa modi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
Autrement, lorsque le roi mon seigneur sera couché avec ses pères, il arrivera que nous serons, moi et mon fils Salomon, traités comme des criminels. »
22 Ary raha mbola niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy, dia, indro, niditra koa Natana mpaminany.
Comme elle parlait encore avec le roi, voici que Nathan, le prophète, arriva.
23 Ary nisy nanambara amin’ ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
On l’annonça au roi, en disant: « Voici Nathan, le prophète. » Il entra en présence du roi et se prosterna devant lui, le visage contre terre;
24 Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako.
et Nathan dit: « O roi, mon seigneur, tu as donc dit: Adonias régnera après moi et il s’assiéra sur mon trône!
25 Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak’ omby mifahy sy ondry aman’ osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny komandin’ ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
Car il est descendu aujourd’hui, il a immolé des bœufs, des veaux gras et des brebis en quantité, et il a invité tous les fils du roi, les chefs de l’armée et le prêtre Abiathar. Et voici qu’ils mangent et boivent devant lui, et ils disent: Vive le roi Adonias!
26 Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak’ i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
Mais il n’a invité ni moi, ton serviteur, ni le prêtre Sadoc, ni Banaïas, fils de Joïadas, ni Salomon, ton serviteur.
27 Moa avy tamin’ ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin’ ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
Est-ce bien par la volonté de mon seigneur le roi qu’une telle chose a lieu, sans que tu aies fait connaître à tes serviteurs qui doit s’asseoir sur le trône du roi mon seigneur, après lui? »
28 Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
Le roi David répondit et dit: « Appelez-moi Bethsabée. » Elle entra devant le roi et se présenta devant le roi.
29 Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin’ ny fahoriana rehetra,
Et le roi fit ce serment: « Vive Yahweh qui m’a délivré de toutes les adversités!
30 dia tahaka ilay nianianako tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
Ce que je t’ai juré par Yahweh, le Dieu d’Israël, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s’assiéra sur mon trône à ma place, — je le ferai en ce jour. »
31 Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
Bethsabée s’inclina le visage contre terre et se prosterna devant le roi; et elle dit: « Vive à jamais mon seigneur, le roi David! »
32 Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak’ i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izy telo lahy.
Le roi David dit: « Appelez-moi le prêtre Sadoc, Nathan le prophète, et Banaïas, fils de Joïadas. » Lorsqu’ils furent entrés en présence du roi,
33 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midìna any Gihona izy.
le roi leur dit: « Prenez avec vous les serviteurs de votre maître, faites monter mon fils Salomon sur ma mule, et vous le ferez descendre à Gihon.
34 Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
Là, le prêtre Sadoc et Nathan le prophète l’oindront pour roi sur Israël; et vous sonnerez de la trompette et vous direz: Vive le roi Salomon!
35 Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
Puis vous remonterez après lui; il viendra s’asseoir sur mon trône, et il régnera à ma place, car c’est lui que j’établis pour être chef d’Israël et de Juda. »
36 Ary Benaja, zanak’ i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
Banaïas, fils de Joïadas, répondit au roi: « Amen! Qu’ainsi l’ordonne Yahweh, le Dieu de mon seigneur le roi!
37 Toy ny nomban’ i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’ i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan’ i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’ i Solomona.
Comme Yahweh a été avec mon seigneur le roi, qu’il soit de même avec Salomon, et qu’il élève son trône au-dessus du trône de mon seigneur le roi David! »
38 Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak’ i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an’ i Solomona ny ampondravavin’ i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.
Le prêtre Sadoc descendit avec Nathan le prophète, Banaïas, fils de Joïadas, les Céréthiens et les Phéléthiens, et, ayant fait monter Salomon sur la mule du roi David, ils le menèrent à Gihon.
39 Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ ny trano-lay ka nanosotra an’ i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
Le prêtre Sadoc prit dans le tabernacle la corne d’huile, et il oignit Salomon; on sonna de la trompette et tout le peuple dit: « Vive le roi Salomon! »
40 Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.
Puis tout le peuple monta après lui. Le peuple jouait de la flûte et se livrait à une grande joie; la terre se fendait au bruit de leurs clameurs.
41 Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon’ ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
Adonias entendis ce bruit, ainsi que tous les conviés qui étaient avec lui, au moment où ils achevaient leur festin. En entendant le son de la trompette, Joab dit: « Pourquoi ce bruit de la ville en émoi? »
42 Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak’ i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
Il parlait encore, et voici que Jonathas, fils de prêtre Abiathar, arriva. Adonias lui dit: « Viens, car tu es un brave et porteur de bonnes nouvelles. »
43 Fa Jonatana niteny ka nanao tamin’ i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an’ i Solomona tokoa ho mpanjaka.
Jonathas répondit et dit à Adonias: « Oui, vraiment! notre seigneur le roi David a fait roi Salomon.
44 Ary ny mpanjaka efa naniraka an’ i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak’ i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin’ ireo ny ampondravavin’ ny mpanjaka izy.
Le roi a envoyé avec lui le prêtre Sadoc, Nathan le prophète, Banaïas, fils de Joïadas, les Céréthiens et les Phéléthiens, et ils l’ont fait monter sur la mule du roi.
45 Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
Le prêtre Sadoc et Nathan le prophète l’ont oint pour roi à Gihon; de là ils sont remontés remontés joyeux, et la ville est en émoi: c’est là le bruit que vous avez entendu.
46 Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana.
Salomon s’est même assis sur le trône royal.
47 Ary dia tonga koa ny mpanompon’ ny mpanjaka hisaotra an’ i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon’ Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran’ i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
Et même les serviteurs du roi sont venus pour bénir notre seigneur le roi David, en disant: Que ton Dieu rende le nom de Salomon plus grand que ton nom, et qu’il élève son trône au-dessus de ton trône! Et le roi s’est prosterné sur son lit.
48 ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako androany, sady hitan’ ny masoko koa izany.
Et même le roi a parlé ainsi: Béni soit Yahweh, le Dieu d’Israël, qui m’a donné aujourd’hui un successeur sur mon trône, afin que je puisse le voir de mes yeux!»
49 Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain’ i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin’ izay nalehany avy izy rehetra.
Tous les conviés d’Adonias furent saisis de terreur; ils se levèrent et s’en allèrent chacun de son côté.
50 Ary Adonia koa natahotra an’ i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
Adonias, ayant peur de Salomon, se leva et s’en alla, et il saisit les cornes de l’autel.
51 Ary nambara tamin’ i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an’ i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin’ ny sabatra.
On l’annonça à Salomon en ces termes: « Voici qu’Adonias a peur du roi Salomon, et voici qu’il a saisi les cornes de l’autel en disant: Que le roi Salomon me jure aujourd’hui qu’il ne fera pas mourir son serviteur par l’épée! »
52 Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin’ ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
Salomon dit: « S’il se montre homme brave, il ne tombera pas à terre un de ses cheveux; mais s’il se trouve du mal en lui, il mourra. »
53 Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin’ ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.
Et le roi Salomon envoya des gens qui le firent descendre d’auprès de l’autel. Et Adonias vint se prosterner devant le roi Salomon; et Salomon lui dit: « Va dans ta maison. »

< 1 Mpanjaka 1 >