< 1 Korintiana 7 >

1 Ary ny amin’ ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin’ ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
Atuh nami yuka mawng üng sängki ka pyen khai. Kpami cun am a khyumah pi kdaw khai ni.
2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
Isetiakyaküng hüipawmnak vekia kyase kpami naküt khyu mah lü, nghnumi naküt pi cei mah kawm.
3 Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ ny lahy.
Kpami naw pi kpamia bilawh vai bilo lü, nghnumi naw pi a bilawh vai bilo se, ngkhyungla xawi naw mat ja mata hlükaw cun kbe ni se.
4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ ny tenany, fa ny vavy.
Nghnumi naw amäta pumsa am ka na, acunsepi a ceia phäha kyaki ni; acuna mäiha, kpami naw pi amäta pumsa am ka na, a khyua phäha kyaki.
5 Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin’ izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan’ i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
Atänga nami ktaiyünak vaia phäha mat jah mat käh ma lü nami ve khawia kba ve ni a. Acukba nami ve ta Khawyama hlawhlepnak üng nami ngxungei thei khai.
6 Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
Hin ka ning jah mtheh hin ngthupeta kba ka ning jah mtheha am kya, nami pawh vaia ka ning jah mtheh ni.
7 Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa.
Nangmi akcanga keia akba nami ve vai ka tängki. Acunsepi, khyang naküt üng Pamhnama pet am täng, mat ja mat ta yah am täng, mat naw akce ta lü mat naw akce taki.
8 Fa hoy izaho amin’ ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.
Tukbäih am ceimahkie ja hmeinuea veia ka pyen hlü ta, keia kba nami ve khawh ta daw bawk khai ni.
9 Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.
Acunsepi, nami hlüeinak am nami üp thei ta khyungla ua; isetiakyaküng, mlunga khuikha kthaka ta khyumah hin daw säihki ni.
10 Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ ny lahy ny vavy,
Ngkhyungla pängkiea veia ngthu jah pet hin ka mät naw ka jah pet am ni, Bawipa jah peta kyaki: Nghnumi naw a cei käh hawih lü;
11 (nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin’ ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ ny vavy.
a hawih üng käh ceimah be kawm, am ani üng a cei ng’yäpüi be se, a cei naw pi käh ngtaipüi kawm.
12 Fa amin’ ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
Khyang kcee veia kamäta pyen ta (Bawipa pyen am ni), jumeiki mat naw am jumeiki nghnumi a khyunak üng acun naw ve yüm khai xawia a bü üng käh hawih kawm.
13 Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy.
Acunüng, nghnumi naw am jumeiki a ceinak üng, a cei naw a hlawnga a ve vaia ngaih üng käh yawk kawm.
14 Fa ny lahy tsy mino dia efa masìna ao amin’ ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masìna ao amin’ ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masìna izy.
Am jumeikia kpami cun a khyua phäha ngcimcaih lü, am jumeikia nghnumi pi a ceia phäha ngcimcaihki ni; acukba am ni vai sü ta nami cae am ngcim khaie sü; acunsepi ngcimki he ni.
15 Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’ izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ ny fihavanana.
Nilüpi, am jumeiki naw Khritjan a püi a ngkya hlüpüi üng ngkyapüi kawm. Acubang üngta Khritjan kpami ja nghnumi cun ami ngaih sima kya khai. Pamhnam naw ngkhawtnak üng nami xüngsei khai a ning jah khü ni.
16 Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?
Khritjan nghnumi aw, ihawkba na cei am na küikyan thei vai na ksingki ni? Khritjan kpami aw, ihawkba na khyu am na küikyan thei khai na ksingki ni?
17 Kanefa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen’ ny Tompo azy sy araka ny niantsoan’ Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin’ ny fiangonana rehetra.
Pamhnam naw a ning jah khü üng a ning jah peta kba xüngsei u lü ve ua. Acukba sangcime naküt ka jah mtheiki.
18 Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana.
Khyang mat vun mawihnak kham pängki naw Pamhnama khünak a yah üng vun mawihnak cun käh mkhyüh se, vun am mawi hamki naw Pamhnama khünak a yah üng pi vun käh mawi hlü se.
19 Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny didin’ Andriamanitra no izy.
Khyanga vun mawih ja am mawih cun ia am kya, Pamhnama ngthupet naküt ngai ua.
20 Aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo amin’ izay toetra efa niantsoana azy ihany.
Pamhnama khünak nami yah üng nami vea mäiha ve u.
21 Nantsoina va ianao raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao, aleo izany.
Mpyaa nami kyak ham üng Pamhnam naw a ning jah khü ni. Ia käh ngai ua; lätnak vai akyak üng sumei ua.
22 Fa ny andevo izay voantso ao amin’ ny Tompo dia olona afaka an’ ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voantso dia mpanompon’ i Kristy.
Bawipa khüa mpya cun Bawipa mhläta khyanga kyaki; acukba bäa mpya am niki Khritaw naw a khü üng Khritawa mpya kyaki.
23 Fa olom-boavidy ianareo, ka aza mety ho andevon’ olona.
A phu pe lü Pamhnam naw a ning jah khyäih ni; acunakyase khyanga mpyaa käh thawn be u.
24 Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin’ Andriamanitra ao amin’ izay niantsoana azy avy.
Ka püie, Pamhnam naw a ning jah khü üng nami ve khawia kba Pamhnam üng ngphunei ua.
25 Fa ny amin’ ny virijina dia tsy manana didy avy amin’ ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran’ ny Tompo ahy ho mahatoky.
Am khyumahkia mawng nami yuk lawnak üng, Bawipa ngthu peta am kya lü; Bawipa a mpyeneinak üng ümnak ngkäiha kyakia kyase, ka ngaih ka pyenki.
26 Koa izao no ataoko fa tsara amin’ ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany.
Acunakyase, atuh khuikhanaka phäha, kpami amät a ve khawia kba a ve vai hin daw khaia ngai veng.
27 Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
Na khyu veki aw? Acun kba akyak üng käh ksäta. Am na khyumahki aw? Acukba akyak üng na khyu vai käh suia.
28 Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin’ ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.
Acunsepi, na khyumah üng na mkhyekatki am ni, am ceimah hamki nghnumi a ceimah üng pi mkhyekatkia am kya. Acunsepi, ngkhyunglakie naw amhnüp tä se khuikhanak ta bawki he ni, acukba nami ve vai am täng ve.
29 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’ izao sisa izao;
Ka püie aw, ka pyen hlü cun akcün hin tawikia kyase, khyumahki pi, am khyumahkia kba ve kawm.
30 ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
Kyapkie pi am kyapkiea mäiha ve u se. Jeki pi am jekia mäiha ve kawm. Khawhthem khyäihktuki naw pi ami khyäih am takiea kba ve u se.
31 ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon’ izao fiainana izao.
Hina khawmdek khawhthem summangeiki pi am summangeikia mäiha ve u se. Isetiakyaküng hina khawmdek cun ivei am law lü xük law khaia kyaki.
32 Fa tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an’ ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
Cäicingnak üng nami lätlang vai hlüei veng. Am khyumahki naw Bawipa khut mcei lü a bi cun Bawipa jekyai hlüsak lü ni.
33 Fa izay manam-bady kosa miahy ny an’ izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
Khyumahki naw a khyua jenak vai ngaih lü khawmdek lam cäi naki;
34 Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an’ ny Tompo, mba ho samy masìna avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an’ izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
acunakyase lam nghngih üng veki. Am ceimahki ja ngla naw cun pumsa ja Ngmüimkhya üng Bawipa khut bi khaia ngcuapei lü, ceimahkia nghnumi cun a cei a jekyaisak vai ngaih lü khawmdek lam cungaiki.
35 Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin’ ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin’ ny Tompo, ka tsy hivezivezen’ ny sainareo.
Ahin ka pyen cun, isetikyaküng, ka ning jah kuei hlüa phäh ni. Ka ning jah mkhyawhnak am ni. Akdaw bilo lü ia sungkhamnak am ve lü Bawipa khut binak üng nami mät nami cuap vaia ka pyen ni.
36 Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian’ ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy.
Ngkhyungla khai xawia mkhyäp päng te am ngkhyungla khai xawia ti beki xawia mawngma üng: kpami naw akdawa am a vecawhpüi üng a ngaihnak am nängei üngta khyumah kawm. Kakawngki xawia am kya.
37 Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zananivavy virijina, dia hanao tsara izy.
Acunsepi, kpami naw am khyumah khaia a mlung khängsak lü amäta ngainak näng khaia bü lü acuna ngla am a khyunak üng ia am kya. Dawki ni.
38 Ka izay manome ny zanany virijina hampakarina dia manao tsara, ary izay tsy manome azy hampakarina no manao tsaratsara kokoa.
Acunakyase, khyumah hin dawki, cunsepi am khyumah hin daw bawki ni.
39 Ny vavy voafehin’ ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ ny Tompo ihany.
Ceimahkia nghnumi cun a ceia xüna k'um üngta a ceia phäha kyaki; acunsepi, a cei a thih käna a ngaiha khyang cei na khaia lätki ni. Acunsepi kpami a cei vai cun Bawipaa hnu kläka kya kawm.
40 Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’ Andriamanitra.
Acunsepi, keia ngaiha ta, am ceimah lü amät a ve üng jekyai bawk khai. Ahin ta ka mäta ngaih ni. Pamhnama Ngmüimkhya ka takia ka ngaiki.

< 1 Korintiana 7 >