< 1 Korintiana 4 >

1 Aoka hataon’ ny olona ho mpanompon’ i Kristy sy mpitandrina’ ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra izahay.
So let a man think of us as Messiah’s servants and stewards of God’s mysteries.
2 Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.
Here, moreover, it is required of stewards that they be found faithful.
3 Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain’ olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.
But with me it is a very small thing that I should be judged by you, or by a human court. Yes, I don’t even judge my own self.
4 Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
For I know nothing against myself. Yet I am not justified by this, but he who judges me is the Lord.
5 koa amin’ izany aza mitsara na inona na inona alohan’ ny fotoana, dia ny fihavian’ ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin’ Andriamanitra izy rehetra.
Therefore judge nothing before the time, until the Lord comes, who will both bring to light the hidden things of darkness and reveal the counsels of the hearts. Then each man will get his praise from God.
6 Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
Now these things, brothers, I have in a figure transferred to myself and Apollos for your sakes, that in us you might learn not to think beyond the things which are written, that none of you be puffed up against one another.
7 Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
For who makes you different? And what do you have that you didn’t receive? But if you did receive it, why do you boast as if you had not received it?
8 Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
You are already filled. You have already become rich. You have come to reign without us. Yes, and I wish that you did reign, that we also might reign with you!
9 Fa ataoko fa nasehon’ Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan’ izao rehetra izao, na anjely na olona.
For I think that God has displayed us, the emissaries, last of all, like men sentenced to death. For we are made a spectacle to the world, both to angels and men.
10 Izahay dia adala noho ny amin’ i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin’ i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
We are fools for Messiah’s sake, but you are wise in Messiah. We are weak, but you are strong. You have honor, but we have dishonor.
11 Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
Even to this present hour we hunger, thirst, are naked, are beaten, and have no certain dwelling place.
12 Ary misasatra miasa amin’ ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
We toil, working with our own hands. When people curse us, we bless. Being persecuted, we endure.
13 raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr’ izao tontolo izao izahay, dia faikan’ ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
Being defamed, we entreat. We are made as the filth of the world, the dirt wiped off by all, even until now.
14 Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
I don’t write these things to shame you, but to admonish you as my beloved children.
15 Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’ i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’ i Kristy Jesosy tamin’ ny filazantsara.
For though you have ten thousand tutors in Messiah, you don’t have many fathers. For in Messiah Yeshua, I became your father through the Good News.
16 Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.
I beg you therefore, be imitators of me.
17 Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin’ ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’ i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
Because of this I have sent Timothy to you, who is my beloved and faithful child in the Lord, who will remind you of my ways which are in Messiah, even as I teach everywhere in every assembly.
18 Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
Now some are puffed up, as though I were not coming to you.
19 Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon’ ny Tompo, dia ho fantatro izay herin’ ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
But I will come to you shortly, if the Lord is willing. And I will know, not the word of those who are puffed up, but the power.
20 Fa ny fanjakan’ Andriamanitra tsy amin’ ny teny, fa amin’ ny hery.
For God’s Kingdom is not in word, but in power.
21 Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin’ ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
What do you want? Shall I come to you with a rod, or in love and a spirit of gentleness?

< 1 Korintiana 4 >