< 1 Korintiana 4 >

1 Aoka hataon’ ny olona ho mpanompon’ i Kristy sy mpitandrina’ ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra izahay.
Choncho tsono anthu atione ife monga atumiki a Khristu, ndiponso ngati osunga zinsinsi za Mulungu.
2 Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.
Chofunika kwambiri nʼchakuti amene apatsidwa udindo oyangʼanira aonetse kukhulupirika.
3 Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain’ olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.
Ine ndilibe nazo kanthu ngati ndiweruzidwa ndi inu kapena khothi lina lililonse. Ndithu, inenso sindidziweruza ndekha.
4 Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
Chikumbumtima changa sichikunditsutsa, koma sikuti ndine wolungama. Wondiweruza ine ndi Ambuye.
5 koa amin’ izany aza mitsara na inona na inona alohan’ ny fotoana, dia ny fihavian’ ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin’ Andriamanitra izy rehetra.
Chomwecho musaweruze nthawi yoweruza isanakwane. Dikirani mpaka Ambuye atabwera. Iye adzaonetsa poyera zimene zabisika mu mdima ndipo adzaonetsa maganizo a mʼmitima ya anthu. Pa nthawi imeneyo aliyense adzalandira kwa Mulungu chiyamiko.
6 Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
Tsono abale, ndapereka chitsanzo cha ine mwini ndi Apolo kuti mupindule. Phunzirani kwa ife tanthauzo la mawu akuti, “Musamapitirire zimene Malemba akunena,” kuti musamanyade pamene wina aposa mnzake.
7 Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
Pakuti ndani amakusiyanitsani ndi wina aliyense? Nʼchiyani muli nacho chimene simunalandire? Ndipo ngati munalandira, bwanji mumadzitukumula ngati kuti simunalandire?
8 Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
Inu muli nazo kale zonse zimene mufuna! Inu mwalemera kale! Inu mwayamba kale kulamulira ife! Ndilakalaka mukanakhaladi mafumu kuti ife tikhale nawo mafumu pamodzi ndi inu.
9 Fa ataoko fa nasehon’ Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan’ izao rehetra izao, na anjely na olona.
Pakuti kwa ine zikuoneka ngati kuti Mulungu watiyika ife atumwi pachionetsero, kumapeto kwa mndandanda, monga anthu oweruzidwa kuti akaphedwe mʼmabwalo. Ife tayikidwa kuti tionekere ku dziko lonse, kwa angelo ndi anthu.
10 Izahay dia adala noho ny amin’ i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin’ i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
Ife ndife opusa chifukwa cha Khristu, koma inu ndinu anzeru mwa Khristu! Ife ndife ofowoka koma inu ndinu amphamvu! Inu ndinu olemekezeka koma ife ndife opeputsidwa!
11 Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
Mpaka pano tili ndi njala ndi ludzu, tili ndi sanza, tikuzunzidwa, tilibe nyumba.
12 Ary misasatra miasa amin’ ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
Timagwira ntchito molimbika ndi manja athu. Akamatitemberera, ife timadalitsa; tikasautsidwa, ife timapirira.
13 raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr’ izao tontolo izao izahay, dia faikan’ ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
Pamene atilalatira timayankha mwachifundo. Mpaka pano takhala ngati zinyalala za dziko, monga zakudzala za dziko lapansi.
14 Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
Sindikulemba izi kuti ndikuchititseni manyazi, koma kukuchenjezani monga ana anga okondedwa.
15 Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’ i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’ i Kristy Jesosy tamin’ ny filazantsara.
Ngakhale muli ndi anthu 10,000 okutsogolerani mwa Khristu, mulibe abambo ambiri, popeza mwa Khristu Yesu, ine ndakhala abambo anu kudzera mu Uthenga Wabwino.
16 Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy ianareo.
Chifukwa chake ndikukupemphani kuti munditsanze ine.
17 Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin’ ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’ i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
Chifukwa cha ichi ndikutumiza kwa inu Timoteyo, mwana wanga amene ndimamukonda, amene ndi wokhulupirika mwa Ambuye. Adzakukumbutsani inuyo za moyo wanga mwa Khristu Yesu, umene ukugwirizana ndi zimene ndimaphunzitsa paliponse mu mpingo uliwonse.
18 Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
Ena mwa inu mukudzitukumula, ngati kuti sindingabwere kwanu.
19 Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon’ ny Tompo, dia ho fantatro izay herin’ ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
Koma ndibwera kwanuko posachedwapa, ngati Ambuye alola, ndipo ndi pamene ndidzadziwe osati zimene anthu odzitukumulawa akuyankhula, koma kuti mphamvu zawo nʼzotani.
20 Fa ny fanjakan’ Andriamanitra tsy amin’ ny teny, fa amin’ ny hery.
Pakuti ufumu wa Mulungu si mawu chabe koma mphamvu.
21 Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin’ ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
Kodi musankha chiyani? Kodi ndidzabwere ndi chikwapu, kapena mu chikondi ndiponso mwa mzimu wofatsa?

< 1 Korintiana 4 >