< 1 Korintiana 3 >

1 Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’ izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’ izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’ i Kristy.
И ја, браћо, не могох с вама говорити као с духовнима него као с телеснима, као с малом децом у Христу.
2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
Млеком вас напојих а не јелом, јер још не могасте, и ни сад још не можете,
3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ ny olona?
Јер сте још телесни. Јер где су међу вама зависти и свађе и неслоге, нисте ли телесни, и не живите ли по човеку?
4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an’ i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’ i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
Јер кад говори ко: Ја сам Павлов; а други: Ја сам Аполов; нисте ли телесни?
5 Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ ny Tompo azy avy.
Ко је дакле Павле а ко ли Аполо до само слуге кроз које веровасте, као што и сваком Господ даде?
6 Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
Ја посадих, Аполо зали, а Бог даде те узрасте.
7 Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
Тако нити је онај шта који сади, ни онај који залива, него Бог који даје те расте.
8 Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
А онај који сади и који залива једнаки су; и сваки ће примити своју плату по свом труду.
9 Fa mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izahay; ary sahan’ Andriamanitra sy trano arafitr’ Andriamanitra ianareo.
Јер ми смо Богу помагачи, а ви сте Божија њива, Божија грађевина.
10 Araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
По благодати Божијој која ми је дана, ја као премудри неимар поставих темељ, а други зида у висину; али сваки нека гледа како зида.
11 Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
Јер темеља другог нико не може поставити осим оног који је постављен, који је Исус Христос.
12 Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ ny fanorenana,
Ако ли ко зида на овом темељу, злато, сребро, драго камење, дрва, сено, сламу,
13 dia haseho avokoa ny asan’ ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ ny afo ny asan’ ny olona rehetra.
Сваког ће дело изаћи на видело; јер ће дан показати, јер ће се огњем открити, и свако дело показаће огањ као што јесте.
14 Raha maharitra ny asan’ ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
И ако остане чије дело што је назидао, примиће плату.
15 Raha ho levon’ ny afo ny asan’ ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ ny afo ihany izy.
А чије дело изгори, отићи ће у штету: а сам ће се спасти тако као кроз огањ.
16 Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
Не знате ли да сте ви црква Божија, и Дух Божји живи у вама?
17 Raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra, dia mba hosimban’ Andriamanitra kosa izy; fa masìna ny tempolin’ Andriamanitra, dia ianareo izany.
Ако поквари ко цркву Божију, поквариће њега Бог: јер је црква Божија света, а то сте ви.
18 Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’ izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. (aiōn g165)
Нико нека се не вара: ако ко међу вама мисли да је мудар на овом свету, нека буде луд да буде мудар. (aiōn g165)
19 Fa ny fahendren’ izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy.
Јер је премудрост овог света лудост пред Богом, јер је писано: Хвата премудре у њиховом лукавству.
20 Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany
И опет: Господ зна помисли мудрих да су ништа.
21 Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
Зато нико да се не хвали човеком, јер је све ваше.
22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
Био Павле, или Аполо, или Кифа, или свет, или живот или смрт, или садашње, или будуће: све је ваше;
23 ary ianareo an’ i Kristy ary Kristy an’ Andriamanitra.
А ви сте Христови, а Христос Божји.

< 1 Korintiana 3 >