< 1 Korintiana 15 >

1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
Nambeambe nendakuwakombosha, ainja na alombo, nnani ya injili yaihubiriwa, ambayo mwaipokile ni yema nakwe.
2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
Ni katika injili yee mwatilopolelwa, kati mwalikamwa imara neno lyaniwahubirie mwenga, ila muaminiya bure.
3 Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masìna,
Kati kwanza yaniipokii kwa umuhimu niiletike kwinu kati ya ibile: panga bokana na maandiko, Kristo awile kwa ajili ya sambi yitu,
4 dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masìna;
bokana na maandiko atisikwa, ni panga atifufuka lisoba lya tatu.
5 ary niseho tamin’ i Kefasy Izy, dia vao tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy koa.
Ni panga ywamtokii Kefa, boka po kwa balo komi ni ibele.
6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan’ ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
Boka po atikwatokiya kwa muda umo ba'ainja na alombo zaidi ya mia tano. Baingi babe babile bado akoto, lakini baadhi yabe bagonjike lugono.
7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ i Jakoba Izy, dia tamin’ ny Apostoly rehetra.
Boka po atikumtokya Yakobo, boka po mitume yote.
8 Ary faran’ izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
Mwisho wa bote, atikunitokya nenga, kati yee kwa mwana ywabile belekwa katika wakati ubile kwaa sahihi.
9 Fa izaho dia ambany indrindra amin’ ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho.
Kwa kuwa nenga na nchunu kati ya mitume. Nastahili kwaa kemelwa mtume, kwa sababu natilitesa likanisa lya Nnongo.
10 Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
Lakini kwa neema ya Nnongo nibile kati yanibile, na neema yake kwango yaibile kwaa bure. Badala yake, nipangite bidii kuliko wote. Lakini ibile kwaa nenga, ila neema ya Nnongo ibile nkati yango.
11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
Kwa eyo kati ni nenga au bembe, twati lihubiri nyoo na tutiaminiya nyoo.
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ ny maty, ahoana no ilazan’ ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ ny maty?
Nambeambe kati Kristo atihubiriwa kati ywafufuka kwa bandu babile mu'kiwo, ibe namani baadhi yinu mubaye ntopo ufufuo wa bandu babile mu'kiwo?
13 Fa raha tsy misy fitsanganan’ ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
Lakini mana ntopo Ufufuo wa bandu babile mu'kiwo, bai hata Kristo afufuka kwaa kae.
14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
Ni mana Kristo afufuka kwaa, nga nyoo mahubiri yitu ni bure, na imani yitu ni bure.
15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’ Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’ i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
Ni twapatikana kuwa mashahidi ba ubocho kumhusu Nnongo, kwa sababu twatimshuhudia Nnongo kinchogo, baya atimfufua Kristo, wakati atikumfufua kwaa.
16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
Kati mana itei bandu bakiwo bafufuliwa kwaa, Yesu kae afufuliwa kwaa.
17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany ianareo;
Ni kati Kristo afufuliwa kwaa, imani yinu nga ya bure na bado mubile katika sambi yinu.
18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy.
Nga nyoo hata balo babile batiwaa katika Kristo kae batiangamia.
19 Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
Mana itei kwa maisha aga kichake tubile ni ujasiri kwa wakati woisa nkati ya Kristo, bandu bote, twenga niwakuhurumilwa zaidi ya bandu bote.
20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho santatr’ izay efa nodi-mandry.
Lakini nambeambe Kristo atifufuka boka mu'kiwo, matunda ya kwanza ya balo babile mu'kiwo.
21 Ary satria ny olona iray no nisehoan’ ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ ny fitsanganan’ ny maty.
Kwa mana kiwo kiisile pitya bandu, pitya kae bandu ni ufufuo wa bandu.
22 Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy.
Kwa mana kati katika Adamu bote batiwaa, nga nyoo kae katika Kristo bote balowa pangika akoto.
23 Nefa samy amin’ ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’ i Kristy amin’ ny fihaviany.
Lakini kila yumo kayika mpango wake: Kristo, matunda ga kwanza, ni boka po balo babile ba Kristo bapangite ukoto wakati woisa kwake.
24 Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’ izay dia hatolony ho an’ Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
Nga po walowa pangika mwisho, palyo Kristo paakabidhi upwalume kwa Nnongo Tate. Ayee nga palyo palowa komesha utawala wote ni mamlaka yote ni ngupu.
25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ ny tongony.
Kwa kuwa lazima atawale mpaka paalowa beka maadui bake bote pae ya nyayo yake.
26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
Adui wa mwisho uharibiwa ni kiwo.
27 Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ ny tongony. Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan’ izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
Kwa mana “abekite kila kilebe pae ya nyayo yabe.” Lakini paibaya “abekite kila kilebe,” ni wazi panga yee iusishe kwaa balo babekite kila kilebe pae yake mwene.
28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
Wakati ilebe yote ibekilwe pae yake, boka po mwana mwene alowa bekwa pae kwake ywembe ywabile atikuibeka ilebe yote pae yake. Ayee nga ipangike ili panga Nnongo Tate abe yote nkati ya gote.
29 Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
Au kae bapanga namani balo baabatizwile kwa ajili ya bandu ba kiwo? Kati bandu ba kiwo bafufuliwa kwaa kabisa, kwa namani kae batibatizwa kwa ajili yabe?
30 Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
na kwa namani tubile katika hatari kila saa?
31 Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan’ andro aho.
Ainja ni alombo bango, petya kuisifu kwango katika mwenga, ambayo nibile nayo katika Kristo Yesu Ngwana witu, natangaza nyoo: nawaa kila lisoba.
32 Raha araka ny fanaon’ olona no niadiako tamin’ ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’ izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
Ifaika namani, katika mtazamo wa bandu, kati bandu ba'kiwo bafufuliwa kwaa? “Leka bai tulyee ni nywaa, kwa mana malabo twalowa waa.”
33 Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Kana mulongele ubocho: “Makundi ganoite kwaa uharibia tabia inoyite.
34 Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’ Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
“Mube na kiasi! mutame katika haki! kana muyendelee panga sambi. Kwa mana baadhi yinu mubile kwaa ni maarifa ya Nnongo. Nabaya nyoo kwa oni yinu.
35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
Lakini mundu ywenge abaya,”Jinsi gani bandu ba kiwo balowa fufuliwa? Na bembe balowa isa na aina gani ya yega?”
36 Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
Wenga wa nlalo muno! Chelo chaukipandile kiweza kwaa kuanza kukua ila kiwile.
37 ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa;
Na chelo cha ukipandike ni yega kwaa ambao walowa kua, ila mbeyu yaichipua. Iweza kuwa ngano au kilebe chenge.
38 fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
Lakini Nnongo aipeya yega kati yaapendile, na katika kila mbeyu yega yake mwene.
39 Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ ny olona, ary hafa ny nofon’ ny biby, ary hafa ny nofon’ ny vorona, ary hafa ny an’ ny hazandrano.
Yega yote ilandana kwaa, ila, kwabile na yega imo wa bandu, ni yega yenge ya anyama, na yega yenge ya iyuni, ni yenge kwa ajili ya omba.
40 Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ ny etỳ an-tany.
Pabile na yega ya kumaunde kae ni yega ya mu'dunia. Lakini utukufu wa yega ya kumaunde ni aina yimo na utukufu wa mu'dunia ni wenge.
41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
Kwabile ni utukufu umo wa lilumu, ni utukufu wenge wa mwei, ni utukufu wenge wa tondwa. Kwa mana tondwa yimo itofautiana ni tondwa yenge katika utukufu.
42 Dia toy izany koa ny fitsanganan’ ny maty: Afafy amin’ ny fahalòvana izy, atsangana amin’ ny tsi-fahalòvana;
Nga nyoo ubile kae ni ufufuo wa bandu ba kiwo. Chelo chakipandwile, na chakiotile kiaribika kwaa.
43 afafy amin’ ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin’ ny voninahitra; afafy amin’ ny fahalemena izy, atsangana amin’ ny hery;
Kipandilwe katika matumizi ya kawaida, kioteshwa katika utukufu. Kipandilwe katika udhaifu, kioteshwa katika ngufu.
44 afafy tena araka ny fomban’ aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
Kipandilwe katika yega wa asili, kioteshwa katika yega wa kiroho. Kati kwabile ni yega wa asili, kubile ni yega ya kiroho kae.
45 Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan’ aina; Adama farany natao fanahy mahavelona.
Nga nyoo iandikilwe kae,”Mundu wa kwanza Adamu atipangika roho yaatama.” Adamu wa mwisho atipangika roho yaitoa ukoto.
46 Anefa tsy izay amin’ ny fanahy no voalohany, fa izay amin’ ny manan’ aina, dia vao izay amin’ ny fanahy.
Lakini wa kiroho aisa kwaa kwanza ila wa asili, ni boka po wa kiroho.
47 Ny olona voalohany avy amin’ ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
Mundu wa kwanza ni wa dunia, atitengenezwa kwa mavumbi. Mundu wanaibele aboka kumaunde.
48 Izay amin’ ny tany dia tahaka ilay amin’ ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
Kati ya yolo ywapangilwe kwa mavumbi, nga nyoo pia balo bapangilwe kwa mavumbi. Kati ya mundu wa kumaunde abile, nga nyoo kae balo ba kumaunde.
49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ ny tany no hitondrantsika ny endrik’ ilay any an-danitra koa.
Kati ambavyo tupapike mfano wa mundu wa mavumbi, tupapike kae mfano wa mundu wa kumaunde.
50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
Nambeambe naabakiya, ainja na alombo bango, panga yega na mwai iweza kwaa kuurithi upwalume wa Nnongo. Wala wakuharibika kurithi wauharibika kwaa.
51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
Linga! Naabakiya mwenga siri ya kweli: Twawile kwaa bote, ila bote twalowa badilishwa.
52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
Twalowa badilishwa katika muda, katika kufumba ni kufumbua kwa liyo, katika tarumbeta lya mwisho. Kwa kuwa tarumbeta yalowa lela, ni banda babile mu'kiwo balowa fufuliwa na hali ya haribika kwaa, na twalowa badilishwa.
53 Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
Kwani awoo waharibika ni lazima uwale wa haribika kwaa, ni wolo wa waa lazima uwale wa waa kwaa.
54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona.
Lakini muda woo wa haribika walowa walikwa wa haribika kwaa, ni wolo wa kiwo walowa jingya mu'kiwo, nga waisa msema ambao uandikilwe,”Kiwo chamezwile katika ushindi.”
55 Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hadēs g86)
Kiwo, ushindi wako ubile kwaako? Kiwo, ubile kwaako ni uchungu wako?” (Hadēs g86)
56 Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota.
Uchungu wa kiwo ni sambi, ni nguvu ya sambi ni saliya.
57 Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Lakini shukrani kwa Nnongo, ywatupeile twenga ushindi pitya Ngwana witu Yesu Kristo!
58 Koa amin’ izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo.
Kwa eyo, apendwa ainja na alombo bango, mube imara na kana mlendeme. Daima muipange kazi ya Ngwana, kwa sababu mutangite kuwa kazi yinu katika Ngwana ni yabure kwaa.

< 1 Korintiana 15 >