< 1 Korintiana 13 >

1 Na dia miteny amin’ ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. 2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. 3 Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. 4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, 5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, 6 tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny fahamarinana kosa, 7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. 8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. 9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; 10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. 11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. 12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. 13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.

< 1 Korintiana 13 >