< 1 Korintiana 10 >

1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
I do not want you to be unaware, brothers, that our forefathers were all under the cloud, and that they all passed through the sea.
2 ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina,
They were all baptized into Moses in the cloud and in the sea.
3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
They all ate the same spiritual food
4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
and drank the same spiritual drink; for they drank from the spiritual rock that accompanied them, and that rock was Christ.
5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
Nevertheless, God was not pleased with most of them, for they were struck down in the wilderness.
6 Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ ireny.
These things took place as examples to keep us from craving evil things as they did.
7 Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.
Do not be idolaters, as some of them were. As it is written: “The people sat down to eat and to drink, and got up to indulge in revelry.”
8 Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
We should not commit sexual immorality, as some of them did, and in one day twenty-three thousand of them died.
9 Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ ny sasany tamin’ ireny fanahy Azy, ka matin’ ny menarana ireny.
We should not test Christ, as some of them did, and were killed by snakes.
10 Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, izay matin’ ny mpandringana.
And do not complain, as some of them did, and were killed by the destroying angel.
11 Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
Now these things happened to them as examples and were written down as warnings for us, on whom the fulfillment of the ages has come. (aiōn g165)
12 Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
So the one who thinks he is standing firm should be careful not to fall.
13 Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
No temptation has seized you except what is common to man. And God is faithful; He will not let you be tempted beyond what you can bear. But when you are tempted, He will also provide an escape, so that you can stand up under it.
14 Koa amin’ izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
Therefore, my beloved, flee from idolatry.
15 Miteny toy ny amin’ ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
I speak to reasonable people; judge for yourselves what I say.
16 Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ ny ran’ i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ ny tenan’ i Kristy va izany?
Is not the cup of blessing that we bless a participation in the blood of Christ? And is not the bread that we break a participation in the body of Christ?
17 Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’ izany mofo iray izany avokoa.
Because there is one loaf, we who are many are one body; for we all partake of the one loaf.
18 Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ ny alitara va?
Consider the people of Israel: Are not those who eat the sacrifices fellow partakers in the altar?
19 Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
Am I suggesting, then, that food sacrificed to an idol is anything, or that an idol is anything?
20 Tsia, fa izay zavatra aterin’ ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ ny demonia, fa tsy amin’ Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ ny demonia ianareo.
No, but the sacrifices of pagans are offered to demons, not to God. And I do not want you to be participants with demons.
21 Tsy mahazo misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
You cannot drink the cup of the Lord and the cup of demons too; you cannot partake in the table of the Lord and the table of demons too.
22 Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
Are we trying to provoke the Lord to jealousy? Are we stronger than He?
23 Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
“Everything is permissible,” but not everything is beneficial. “Everything is permissible,” but not everything is edifying.
24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
No one should seek his own good, but the good of others.
25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
Eat anything sold in the meat market without raising questions of conscience,
26 fa an’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
for, “The earth is the Lord’s, and the fullness thereof.”
27 Ary raha misy amin’ ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
If an unbeliever invites you to a meal and you want to go, eat anything set before you without raising questions of conscience.
28 Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ ilay nilaza sy ny fieritreretana.
But if someone tells you, “This food was offered to idols,” then do not eat it, for the sake of the one who told you and for the sake of conscience—
29 Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ ny tenanano, fa ny an’ ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ ny fieritreretan’ ny olon-kafa?
the other one’s conscience, I mean, not your own. For why should my freedom be determined by someone else’s conscience?
30 Fa raha amin’ ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’ izay anaovako fisaorana?
If I partake in the meal with thankfulness, why am I denounced because of that for which I give thanks?
31 Koa amin’ izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany.
So whether you eat or drink or whatever you do, do it all to the glory of God.
32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra,
Do not become a stumbling block, whether to Jews or Greeks or the church of God—
33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
as I also try to please everyone in all I do. For I am not seeking my own good, but the good of many, that they may be saved.

< 1 Korintiana 10 >